Valiny fohy sy mivantana
Moa ve fametsifetsena ny mandika zavatra avy ao amin’ny internet na ny fampiasana ilon-tsaina artifisialy amin’ny fianarana?
Ny valiny fohy dia eny.
Manome ara-bakiteny fampahalalana eo am-pelatananao ny teknôlôjia. Fitaovana tena tsara hanaovana fikarohana sy hianarana izany. Saingy ny fandikana zavatra avy amin’ny internet na ny fampiasana ilon-tsaina artifisialy ho an’ny fianarana dia tsy resaka hoe mety na tsy mety. Mahakasika kokoa ny tanjon’ny fianaranao izany.
“Tian’ny Ray any An-danitra hianatra foana ireo zanakavaviny sy zanakalahiny. … Ny fandrantoana fianarana dia … ampahany amin’ny tanjonao mandrakizay mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra kokoa” (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 31). Io karazana fianarana io dia mikasika ny fampivoarana ny sainao sy fampitomboana ny fahalalanao. Tsy mikasika ny fomba ahafahanao misoroka ny zavatra tokony hatao mba hanatanterahana ireo fepetra farany ambany izany.
Ary raha ny mahakasika ny fametsifetsehana: Raha toa ka miteny aminao ny sekoly misy anao na ny mpampianatra anao mba tsy handika zavatra avy ao amin’ny internet na hampiasa ilon-tsaina artifisialy, dia aza atao izany. Raha manome asa anao mba hanoratra momba ny zavatra iray ny mpampianatra anao dia mila manoratra izany ianao. Raha tsy azonao antoka hoe inona no azo ampiasaina na azo atao amin’izay zavatra rehetra ampanaovina anao, dia anontanio ny mpampianatrao.
“Ny hoe miaina amim-pahitsiana dia midika hoe tia ny fahamarinana amin’ny fonao rehetra ianao, mihoatra lavitra ny fitiavanao … izay zavatra mety aminao” (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 31).