2025
Trano kely, drafitra lehibe
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Feon’ny zatovo

Trano kely, drafitra lehibe

zatovolahy

Sary nataon’i Katelyn Budge

Nipetraka tao amina trano lehibe ny fianakaviako, saingy niova ny zava-drehetra rehefa nifindra tany Hanoi izahay. Nipetraka tao amina trano kely iray izahay, tokony ho 30 metatra toradroa eo ho eo. Sarotra ny nipetraka tao anatina toerana tery niaraka tamin’ny olona telo hafa tao amin’ny fianakaviako.

Saingy feno fankasitrahana aho fa afaka manampy mba hahatongavan’ny zavatra tsara avy amin’izay toe-javatra iainana Andriamanitra. Nandritra izany fotoana izany dia afaka nanao mpandika teny tao am-piangonana sy ho an’ny ray aman-dreniko aho. Afaka nivavaka isan’andro aho, nizara ny fanasan’ny Tompo, ary nandray ireo olona mbola manadihady momba ny filazantsara. Fantatro fa nitahy ahy Andriamanitra ary nitarika ahy hanao ireo zavatra ireo.

Nihanatanjaka isan’andro ny finoako tao anatin’ireo olana rehetra tamin’izany fotoana izany. Maro ireo olona tsy mahafantatra momba ny filazantsara ao amin’ny fireneko, noho izany dia tanora mpisava lalana aho. Manana faniriana hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona aho mba hanampiana azy ireo hanana fiainana feno fifaliana mandrakizay miaraka amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.

zatovolahy

Duy N., 14 taona, Hanoi, Vietnam

Izy dia tia manompo ny hafa, mamaky soratra masina, ary mianatra fiteny hafa.