2025
Miaraka aminao foana Andriamanitra
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Miaraka aminao foana Andriamanitra

Na tamin’ny fotoana tsy ninoako an’ Andriamanitra aza dia mbola tia sy niahy ahy hatrany Izy.

zatovovavy mahita lozam-piarakodia

Sary nataon’i Uran Duo

Fantatr’ Andriamanitra aho talohan’ny nahafantarako Azy

Fony aho valo taona dia nihaona tamin’ny renibeko sy ny nenitoako teny an-dalana ny misiônera. Natao batisa daholo izahay rehefa avy nianatra momba ny filazantsara. Tamin’ny 2020 anefa dia tsy maintsy nijanona tsy nandeha tany am-piangonana izahay noho ny COVID. Lasa tsy nino intsony izahay nony farany.

Roa taona lasa izay dia tsy nino an’ Andriamanitra akory aho ary tsy nahafantatra raha toa ka tena misy Izy. Indray andro rehefa nirava avy nianatra, dia te hiampita ny arabe aho mba hividy sakafo maivana. Saingy nisy feo nilaza tamiko mba tsy hiampita ny arabe. Nijanona aho, dia nisy fiara roa nifandona teo anoloako mihitsy. Raha niampita ny arabe aho dia mety nandòna ahy ireo fiara na namono ahy angamba. Fantatro tamin’izay fa nahafantatra ahy sy tia ahy Andriamanitra. Na dia tsy nino Azy aza aho ary tsy nandeha tany am-piangonana tamin’izany fotoana izany, dia mbola tia ahy sy niaro ahy hatrany Izy.

Nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna indray aho ary lasa nahafantatra fa tenin’ Andriamanitra izany. Nanomboka niverina nankany am-piangonana koa aho. Rehefa mankany am-piangonana aho dia mahatsapa fiadanana sy ny fitiavan’ Andriamanitra ary ny fanampiany. Tsapako fa miaraka amiko foana Izy ary mahafaly ahy izany.

Ny “Zanaky ny Ray aho” no hira ao amin’ny fihirana tiako indrindra satria mampahatsiahy ahy izany fa tia antsika sy manampy antsika ny Ray any An-danitra. Tiako koa ny soratra masina 2 Nefia 2:27, izay miresaka momba ny fomba ahafahantsika misafidy ny tsara na ny ratsy.

Miaraka amiko Andriamanitra ao anatin’ireo olako

Volana maro lasa izay dia nanomboka niaraka tamiko tany am-piangonana ny anadahiko, saingy tsy nandeha intsony izy nony afaka elaela. Manahy ny amin’izay hoeritreretin’ireo namany sy ny hafa momba azy izy. Mihevitra izy fa mahamenatra ny mandeha ao amin’ny fiangonantsika, saingy nolazaiko azy fa tsy maninona izay eritreritry ny namana any. Izay eritreretin’ Andriamanitra no manan-danja.

Tsy mandeha mivavaka ny fianakaviako. Mandeha irery aho. Koa satria tsy misy fiara fitateram-bahoaka mankany amin’ny trano fiangonana eo amin’ny lalana misy ahy, dia mandeha an-tongotra eo amin’ny 30 minitra eo aho hankanesana any. Manahy ny amin’izay hoeritreretin’ny olona hafa momba azy ireo ny fianakaviako, saingy teneniko azy ireo fa tsy mampaninona izany satria fantatro fa marina ilay izy.

Rehefa mihaona amin’ireo namako aho dia misotro kafe izy ireo indraindray. Ary rehefa mahita izany aho dia te hisotro kafe koa indraindray. Tsaroako anefa fa miaraka amiko Andriamanitra. Mitantana ahy sy manampy ahy Izy. Mahare feo miteny ahy mba tsy hanao izany aho, ary fantatro fa manampy ahy handresy ireo olana ireo Andriamanitra.

zatovovavy

Sarotra ny mandeha any am-piangonana tsy miaraka amin’ny fianakaviany, kanefa fantatr’i Nara fa tia sy mitahy azy Andriamanitra. Efa niaro azy tamin’ny lozam-piarakodia mihitsy aza Izy indray mandeha.

Ny torohevitro ho an’ireo olona hafa tahaka ahy

Raha hanome torohevitra ho an’ny olona izay miaina toe-javatra toy ny ahy aho, dia hilaza aminy aho hoe tena voatahy ianao ary manàna finoana be dia be. Tsy irery ianao satria afaka manome torohevitra tsara ho anao ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo misiônera. Tia anao Andriamanitra. Zanany lahy na zanany vavy ianao, ary te hanampy anao Izy.

Mipetraka any Yerevan, Armenia ny mpanoratra.