Aorian’ity fiainana ity
Valin’ireo fanontaniana sasantsasany
Ny drafitry ny Ray any An-danitra dia afaka manome antsika fomba fijery sy fiadanana momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana.
Sary nataon’i Thomas Arnaud
Inona no mitranga aorian’ny fahafatesantsika?
Io angamba no fanontaniana mipetraka any amin’ny fivavahana rehetra. Mafonja ny valiny azontsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Tsy fiafarana ity fiainana ity. Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitambatra amin’ny vatantsika indray ny fanahintsika, ary hitsangana amin’ny maty isika rehetra indray andro any.
Mazava ho azy fa misy antsipiriany hafa momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana izay azontsika tamin’ny alalan’ny fanambarana maoderina izay afaka mamaly fanontaniana hafa mety hananantsika. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy toy izany miaraka amin’ny valiny fohy.
Toy ny ahoana ny vatana fanahy?
Ny fanahy dia karazana tamba-tsinga, saingy “madio sy malefaka kokoa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:7). Ny vatana fanahy dia mitovy endrika amin’ny vatan’olon-dehibe.
Aiza ny tontolon’ny fanahy?
Inona no mitranga ao amin’ny tontolon’ny fanahy?
Ankoatra ireo zavatra hafa, ireo fanahy izay nanaiky ny filazantsara dia narindra mba hitory ny filazantsara amin’ireo fanahy izay tsy nanaiky ny filazantsara. Afaka misafidy ny hanaiky na handà izany ireo fanahy ireo.
Toy ny ahoana ny vatana nitsangana tamin’ny maty?
Ny vatana nitsangana tamin’ny maty dia tsy mety maty, ary nofo sy taolana, ary tonga lafatra. Be voninahitra sy tena tsara endrika izy ireo. “Tsy misy zavatra tsara tarehy kokoa rehefa jerena noho ny lehilahy na vehivavy nitsangana tamin’ny maty.”
Inona no mitranga ao amin’ny fanjakana selestialy?
Ireo izay ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy dia lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra ary miaina fifaliana feno. Mandray izay zavatra rehetra ananan’ny Ray izy ireo. Mandray anjara amin’ny asany sy ny voninahiny izy ireo. Nofehezina tao anatin’ny fanambadiana maharitra mandrakizay izy ireo ary miaina ao anatina fianakaviana mandrakizay, ary manana fanahy izay zanak’izy ireo manokana.
Ahoana ny amin’ireo olona izay tsy nanambady mihitsy teto amin’ity fiainana ity?
Ny Ray any An-danitra dia marina sy feno famindram-po tanteraka. “Ny Tompo dia nampanantena fa any amin’ny mandrakizay dia tsy hisy fitahiana tsy homena ireo zanakalahy sy zanakavavy izay nitandrina ny didy, tsy nivadika tamin’ny fanekempihavanany, ary naniry ny hanao ny marina.”
Nofehezina tany amin’ny tempoly ny ray aman-dreniko saingy nisara-panambadiana izy ireo amin’izao fotoana izao. Voafehy amin’iza aho?
Mety “teraka tao anatin’ny fanekempihavanana” ianao (izany hoe teraka taorian’ny namehezana ny ray aman-dreninao tany amin’ny tempoly), na mety efa nofehezina tamin’ny ray aman-dreninao tany amin’ny tempoly ianao taorian’ny namehezana azy ireo. Amin’ireo toe-javatra roa ireo anefa dia mitoetra ho manan-kery ny fitahiana noraisina na dia nisafidy ny hisara-panambadiana aza ny ray aman-dreninao ka nangataka ny hanafoana ny famehezana azy ireo.
Tsy misy fiantraikany amin’ny fitahiana raisinao ny safidy nataon’ny ray aman-dreninao. Ny zavatra manan-danja dia ny hijanonanao ho mahatoky sy hikatsaka manokana ireo fitahian’ny tempoly. Mahakasika ny fifandraisana eo amin’ny fianakavianao, dia tokony “hatoky ny Tompo sy hikatsaka ny fampiononany” ianao amin’ny fahafantarana fa “[ny Ray any An-danitra dia haka] antoka fa mahazo ny fitahiana rehetra izay mendrika ny faniriana ananany sy ny safidy ataony ny olona tsirairay.”
Inona no mitranga amin’ny olona izay maty tamin’ny alalan’ny famonoana tena?
Tsy fantatsika izay mitranga amin’ny olona izay maty tamin’ny alalan’ny famonoana tena, ary tsy afaka mitsara azy ireo isika (tahaka ny tsy ahafahantsika mitsara ny olona rehetra, amin’ny farany). Na dia eo aza ny ezaka tsara indrindra ataon’ireo olona akaikin’ny fo sy ireo mpitarika ary ireo manam-pahaizana manokana, dia tsy voatery ho voasoroka foana ny famonoan-tena. …
“Tsy mety ny hanalan’ny olona iray ny ainy amin’ny tenany. Kanefa Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara ny eritreritra sy ny asa ary ny halehiben’ny maha-tompon’andraikitra ilay olona (jereo ny 1 Samoela 16:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9). …
“Ireo izay namoy olona akaikin’ny fo noho ny famonoan-tena dia afaka mahazo fanantenana sy fanasitranana ao amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.”