2025
Mampifandray
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Mifandraisa

Flavia C.

19 taona, Buenos Aires, Argentine

zatovovavy

Sary nalain’i Christina Smith

Vao haingana aho no namoy ny tongotro tao anatin’ny lozam-piaran-dalamby.

Nipetraka tao anatin’ilay fiaran-dalamby aho no nahatsapa ny findaiko niala teny an-tanako, nisy olona nandroba ahy. Tsy nandinika akory aho fa avy dia nanenjika ilay lehilahy tao anatin’ilay fiaran-dalamby izay tsy nisy varavarana. Tsy dia fantatro loatra ny zavatra tena nitranga, fa tampoka teo aho dia tao ambanin’ilay fiaran-dalamby, nivazavaza niantso vonjy.

Nifoha tao amin’ny hôpitaly aho andro vitsivitsy taty aoriana. Fantatro tamin’izay fa namoy ny tongotro havanana aho. Nitomany imbetsaka aho nandritra ny fotoana nijanonako tany amin’ny hôpitaly. Kanefa dia niaraka tamiko sy nanampy ahy foana ny fianakaviako sy ny namako ary ny fianakaviako ao amin’ny Fiangonana.

Fantatro fa nanampy ahy koa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Talohan’ny fandidiana tsirairay dia nanao vavaky ny tena manokana foana aho mba handeha tsara ny zavatra rehetra ary mba tsy hatahotra aho. Isaky ny nahatsapa ho kivy aho dia teo ny Tompo.

Mihatsara hatrany ny fahasalamako ary miezaka mibosesika mandroso omban’ny fanampian’ny Mpamonjy aho.