2025
Ilay taramasoandro tao anatin’ny tafio-drivotra nolalovako
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Ilay taramasoandro tao anatin’ny tafio-drivotra nolalovako

Taorian’ny nahafatesan’ny renibeko dia nieritreritra ny hamono tena aho. Saingy ny fianteherana tamin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra dia nanampy ahy handroso hatrany.

zatovovavy

Sary nalain’i Niel Kabiling

Manahoana! Izaho no Honey Grace. 17 taona aho. Mipetraka any Iloilo, any Philippines aho!

Namoy ny renibeko

Nandalo zavatra tena sarotra aho vao haingana. Nisaraka ny raiko sy ny reniko ary miasa any ivelany ny reniko. Lehibe tany amin’ny renibeko aho. Izy no nampahafantatra ahy ny filazantsara sy ny Fiangonana. Saingy nodimandry tampoka izy tamin’ity taona ity.

zatovovavy eo amin’ny fasana

Izy no olona farany tsy neritreretiko indrindra hoe ho faty hatramin’izay. Indraindray aho nieritreritra fa ho faty alohany satria tena salama izy! Tsy naneho fahalemena mihitsy izy ary natanjaka foana teo anoloako. Tsy naka sary an-tsaina velively ny fiainako tsy misy azy aho.

zatovovavy

Nahatakatra ilay drafitra

Taorian’ny nahafatesany dia indraindray aho naniry ny ho faty koa. Nanana eritreritra ny hamono tena aho. Saingy fotoana fohy taorian’izay dia nandeha nanatrika fiaraha-mientan’ny zatovo teo anivon’ny tsatòka aho izay nianaranay lesona momba ny drafitry ny famonjena.

Fantatro ny momba ny drafitry ny famonjena, saingy somary nanjavozavo ny fahatakarako izany noho ny zava-nitranga tamin’ny renibeko angamba. Teo am-pihainoana aho dia nieritreritra hoe, “Hadinoko ireo fitahiana avy amin’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ho ahy.”

zatovovavy mivavaka

Tsapako fa maty i Jesoa Kristy mba hamonjy ahy. Tsy tokony hamono tena aho noho ny olana ananako. Ny drafitry ny fahasambarana dia manome fanantenana ahy fa afaka ny hahita ny renibeko indray aho indray andro any, satria tsy mifarana hatreo ny fiainana rehefa maty isika. Mila manohy manaraka ny Mpamonjy aho mba hahafahako mahita azy indray.

zatovovavy mamaky soratra masina
zatovovavy

Nahazo hery tao amin’ny tempoly

Taorian’ny nahafatesan’ny renibeko dia nifindra tany amiko ny zanaky ny iray tampo amin’ny reniko ary izy no lasa mpiantoka ahy. Ireo zanaky ny iray tampo amin’ny reniko no namako akaiky indrindra, saingy mbola tena sarotra ilay fiovana. Nila nianatra nanao ireo raharaha rehetra nataon’ny renibeko aho. Tsy maintsy nifoha irery aho handeha ho any an-tsekoly ary tsy maintsy nikarakara ny trano aho.

zatovovavy

Niresaka foana momba ny fizakan-tena ny evekako, ka nikaroka ny momba izany tao amin’ny Médiathèque de l’Évangile aho. Nanampy ahy hianatra ny hahaleo tena izany.

zatovovavy manahy lamba

Mbola mifandray amin’ny raiko foana aho. Indray andro dia nifamaly izahay. Tena nanahirana ahy izany, saingy tampoka teo dia nisy fahafahana nanao dia mankany amin’ny tempoly ho an’ny zatovo. Rehefa tao amin’ny tempoly aho dia nahatsapa fiadanana. Tsy nieritreritra momba ireo olana tany an-trano aho. Tsy nieritreritra ny fahatezerako tamin-draiko aho. Nieritreritra ireo zavatra azoko atao mba hanampiana azy aho. Nieritreritra ny ho ohatra tsara aho. Nieritreritra mikasika ireo zavatra maharitra mandrakizay aho, mikasika ny famehezana ny tenako amin’ny ray aman-dreniko any amin’ny tempoly indray andro any. Nanapa-kevitra ny hiala tsiny amin-draiko aho noho izaho niady taminy.

Jesoa Kristy

Savior with Children [Ny Mpamonjy miaraka amin’ny ankizy], nataon’i Michael Malm

Niantehitra tamin’ny Mpamonjiko

Nianatra aho fa tokony hifantoka foana amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra. Mahazo hery avy amin’ Izy Ireo aho ary tsaroako fa mikarakara ahy Izy Ireo.

Ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena, indrindra fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia nanampy ahy handresy ny eritreritro hamono tena. Manampy ahy hahatsapa fiadanana eo amin’ny fiainana izany. Manome fanantenana ahy izany fa afaka ny hihaona amin’ny renibeko any amin’ny lafy ilan’ny voaly indray aho indray andro any.

I Jesoa Kristy no fanantenana hanohizako ny fiainako na dia manana olana maro aza aho. Tsy manam-pahataperana ny fitiavany. Izy no taramasoandro eo amin’ny fiainako. Rehefa misy tafio-drivotra na orana, dia eo Izy. Izy no Mpamonjiko. Izy no toeram-pialofako. Izy no fiainako. Mampandroso ahy hatrany Izy. Iray amin’ireo antony itiavako miaina Izy.

Mipetraka ao Iloilo, Philippines ny mpanoratra.