Fanampiana sy fitarihana ho an’ny hoavinao
Tsy manaraka foana ny drafitrao ny fiainana, saingy ny fianteherana amin’ny Tompo dia hanova ny fiainanao ho tsaratsara kokoa.
Indraindray dia toy ny feno zavatra mampisalasala izao tontolo izao. Mety hanontany tena ianao hoe inona no hoavy miandry anao. Nahatsapa izany koa aho.
Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izaho sy ny ray aman-dreniko fony aho 16 taona. Tena saron-kenatra aho tamin’izany fotoana izany. Nahazo fahatokian-tena aho rehefa tafiditra mpikambana tao amin’ny Fiangonana. Nianatra aho hoe iza aho, avy aiza aho, nahoana aho no ety, ary ho aiza aho aorian’izao fiainana izao.
Tsapako tamin’izay fa na dia tsy fantatro tamin’ny antsipiriany aza ireo karazan-javatra hataoko eo amin’ny fiainako, dia nisy fanampiana sy fitarihana mba hitondra ahy any amin’ilay hoavy tena tsara.
Toy izany koa ny anao!
Fitarihana avy amin’ny mpaminany
17 taona aho tamin’ny fotoana nitsidihan’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) an’i Korea Atsimo tamin’ny 1975. Nahita azy aho nandritra ny fivoriana iray nahitana zatovo Koreana teo amin’ny 400 teo ho eo izay nivory hihaino ny feony.
Ny Filoha Kimball dia nizara momba ny fandalinany soratra masina sy ny fivavahany isan’andro hatramin’ny fahatanorany. Niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fametrahana laharam-pahamehana izy. Nilaza izy fa tokony hanatrika seminera isika, hiomana hanao asa fitoriana ny filazantsara sy hanao fanambadiana mandrakizay, ary hiasa ho an’ny famonjena antsika. Nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany koa izy.
Nanazava ny eritreritro ny tenin’ny mpaminany. Tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa aho saingy tsy liana tamin’ny fianarana natao tany an-tsekoly. Tiako ny fanatanjahan-tena! Nilalao baolina kitra aho isaky ny nanana fahafahana hanao izany ary matetika nilalao nefa tokony hianatra. Tsy mpianatra mavitrika aho. Rehefa avy nandre ny mpaminany aho dia mbola nankafy baolina kitra, saingy nanapa-kevitra ny hametraka laharam-pahamehana vitsivitsy aho.
Hanao izay tsara indrindra azoko atao aho mba hianarana. Hanao asa fitoriana ny filazantsara aho, ho fehezina any amin’ny tempoly, ary hanana fianakaviana sambatra. Fantatro fa raha te hanana izany hoavy tsara izany aho dia mila manaraka ny mpaminany, na inona na inona mitranga.
Eo anatrehan’ireo fahafahana manao zavatra azo araraotina sy olana hatrehinao, dia hilamina ianao rehefa manaraka ny fitarihana atolotr’ireo mpaminany velona.
Fisalasalana hanao asa fitoriana ny filazantsara
Nanao fanolorantena aho fa hanao asa fitoriana ny filazantsara, saingy misy fanompoam-pirenena ao amin’ny tafika izay tsy maintsy atao koa any Korea Atsimo. Aorian’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia zatovolahy maro no miditra ao amin’ny tafika, mamita ny fanompoam-pirenena tsy maintsy ataon’izy ireo, ary tonga dia mandranto fianarana ary mahita asa. Sarotra ny nanolotra roa taona hafa hanaovana asa fitoriana ny filazantsara. Vitsy ireo elders Koreana tamin’izany.
Rehefa feno 19 taona aho dia nihazona ny fanolorantena nataoko ka niomana sy nandefa ireo taratasiko momba ny fanaovana asa fitoriana ny filazantsara. Voantso hanompo tany amin’ny Misiônan’i Busan, Korea aho. Herintaona taty aoriana dia voantso ho miaramila aho. Nalahelo mafy aho noho ny tsy maintsy hampitsaharako ny asa fitoriana nataoko.
Rehefa nahavita ny fanompoam-pirenena aho telo taona taty aoriana, dia nahatsapa fa mbola tsy nahavita tanteraka ny asa fitoriana nataoko. Hoy ny rehetra tamiko, “Efa nanao asa fitoriana ianao. Takatry ny Tompo ny toe-javatra iainanao, noho izany dia tsy maninona raha herintaona fotsiny ihany no nanompo.”
Nanontany ilay namako akaiky iray tao amin’ny seminera aho mikasika ny zavatra tokony hataoko. Nilaza izy fa fantany fa hanompo herintaona fanampiny aho. Nanome ahy fahatokian-tena sy nahazoako fanamafisana mba hanompo bebe kokoa ny fananany fahatokiana. Tany amin’ny Misiônan’i Séoul Korea no nanaovako ny asa fitoriako ny filazantsara tamin’ilay taona faharoa. 25 taona aho tamin’ny fotoana nahavitako izany. Nanambady io namako io aho taty aoriana ary nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Laie Hawaï izahay.
Io zavatra niainana io dia nampianatra ahy fa hilamina ianao na dia tsy mitranga araka ny fomba nandrafetanao azy aza ny zava-drehetra. Rehefa mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo ho anao ny drafitrao sy ny vinanao dia hanampy anao eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinao eo amin’ny fiainana Izy.
Afaka ny ho tanteraka ny hoavy tena tsara
Na dia tsy azoko antoka aza fony aho zatovo hoe hanao ahoana ny fiainako, dia hitako fa ny fametrahana ireo zavatra ara-panahy ho lohalaharana no fanalahidin’ny fahombiazana.
Rehefa natao batisa ianao dia nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Rehefa mifantoka amin’ireo bitsika raisinao ianao dia hiaro anao sy hitarika anao any amin’ny lalana tokony haleha ny Fanahy Masina. Hahatsapa fankaherezana sy fiadanana koa ianao.
Rehefa miomana amin’ny hoavinao ianao dia tsarovy ny:
-
Mandalina ny soratra masina.
-
Manohy mivavaka.
-
Manaraka ny mpaminany.
-
Miantehitra lalandava amin’ny Tompo.
Fony aho tamin’ny taonanao dia nianatra momba ireo toetra nananan’ny Mpamonjy aho sy ny fomba ahafahako hitovy kokoa Aminy. Tonga lafatra Izy. Tsy afaka ny hitovy tanteraka Aminy aho eto amin’ity fiainana ity, saingy manao izay azoko atao aho ary lasa tsaratsara kokoa rehefa manao izany.
Fantatro fa velona i Jesoa Kristy. Noho Izy dia manana fanantenana lehibe ho an’ny hoavy aho, ary afaka ny hanana fanantenana koa ianao!