Sary iray manontolo
Moa ve ianao efa nilalao an’ilay kilalao hoe nahoana? Toy izao izany:
Nahoana aho no tokony handeha hianatra? Mba hahafahanao manana asa tsara. Nahoana aho no tokony hanana asa tsara? Mba hahafahanao manambady sy manan-janaka. Nahoana no tokony hanao izany aho? Mba hahafahan’ny zanakao mandeha mianatra.
Miverina hatrany am-boalohany indray ilay kilalao avy eo. Toa tsy misy dikany izany raha tsy hita ilay sary iray manontolo. Fitahiana ho antsika ny fananana izany. Antsoina hoe drafitry ny fahasambarana izany, ary manome antsika zavatra kendrena sy lanja izany. Manome antsika ireo antony maha-manan-danja ny eto sy mandrakizay izany. Izany no resahina ato amin’ity laharan’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! ity.
Hahazo ny faniriana sy tanjaka hiomanana amin’ny hoavy ianao ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny Ray any An-danitra sy miaraka amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana izay tena ivon’izany. Ny fianaranao, ny asanao, ny fianakavianao ary ny asa fanompoana ataonao ato am-piangonana dia afaka ny ho zavatra katsahina tena tsara fa tsy enta-mavesatra manahiran-tsaina.
Ho vitanao io satria manohana anao i Jesoa Kristy!
Amim-pitiavana,
Bradley R. Wilcox
Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany