Avia, hanaraka Ahy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71; 77; 82
Harena miafina
Jereo ny hevitra fonosin’ny soratra masina.
Hampangaihay ny fahavalontsika amin’ny fotoana mahamety izany Aminy ny Tompo.
Hampangaihay ny fahavalontsika ny Tompo amin’ny farany.
Ny hoe “mampangaihay” olona dia midika hoe mampisavorovoro ny sain’izy ireo, manao zavatra tsy ampoiziny, mandresy azy, manala baraka azy, mampihorohoro azy, na mampitebiteby azy.
Koa rehefa nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo hoe “raha misy olona manandratra ny feony manohitra anareo, dia hatao mangaihay izy amin’ny fotoana mahamety izany Amiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 71:10; nampiana fanamafisana), dia nampanantena Izy fa hizaka ny voka-dratsy ateraky ny safidin’izy ireo ireo izay manohitra ny filazantsara.
Ny hoe “amin’ny fotoana mahamety izany Amiko” dia midika fa manana ny fotoanany manokana ny Tompo. Tsy maintsy manaiky isika fa maro ireo olona tsy hotanana ho tompon’andraikitra eo no ho eo amin’ny zavatra ataony—ary tsy maninona izany. Tokony hatoky ny Tompo sy ny fotoanany isika.
Tokony hijoro amin’ny fahamarinana isika, mazava ho azy. Kanefa rehefa manao izany isika dia tokony hanaja ny finoan’ny hafa sy ny zon’izy ireo hisafidy ny tsy hanaiky ny filazantsara.
Aza manahy ny amin’ireo olona izay manao ho vaindohan-draharaha ny fitsikerana sy ny famotehana ny Fiangonana, izay vonona ny handainga sy hanao tatitra diso momba ny finoantsika. Aleo ny Tompo no hisahana izany. Hampangaihay azy ireo Izy ary hanome azy ireo fahafahana hianatra sy hiova—any aoriana any.
Tahaka antsika ihany, ny biby dia zavaboary maharitra mandrakizay izay karakarain’ny Ray any An-danitra.
Noharian’ny Ray any An-danitra ihany koa ireo biby namantsika.
Mety ho toy ny antsipirian-javatra kely izany, kanefa misy zavatra tena mahafinaritra nambara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 hoe: Manana fanahy ihany koa ny biby!
Zavatra efa ninoan’ny olona maro foana izany—toa marina izany—na dia tsy noresahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna mazava tsara aza. Izao ny Tompo dia nanambara izany tamin’ny fomba mazava tsara.
Toy ny olona, ny “biby” sy ny “zava-mandady” ary ny “voro-manidin’ny habakabaka” dia nohariana ara-panahy aloha. Ny vatana fanahin’izy ireo, tahaka ny antsika, dia mitovy amin’ny vatany ara-nofo. Ary izy ireo, tahaka antsika, dia hahazo ny “fahasambarana mandrakizay”—fahasambarana sy fifaliana ao amin’ny vatany efa nitsangana tamin’ny maty. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2–3.)
Fantatsika fa nahary biby ny Ray any An-danitra, dia nanome antsika ny andraikitra hitantana azy ireny, ary tiany ny hitondrantsika azy ireny amin’ny hatsaram-panahy. Tahaka antsika ihany, dia zavaboary maharitra mandrakizay izay karakarain’ny Ray any An-danitra izy ireny.
Mahaiza mampiasa tsara ireo fitahiana azonao.
Tsy nanomboka tamin’ny olona be herim-po mampitolagaga ny hevitra hoe rehefa manana hery lehibe ianao dia andraikitra lehibe no miandry anao. Naneho izany hevitra izany koa ny Mpamonjy rehefa niteny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Fa amin’izay omena be no takiana be” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3).
Avy amin’ny Tompo ny talentantsika sy ny fanomezam-pahasoavana ananantsika ary ny fitahiana azontsika. Hevitra ratsy ny mandray azy ireny ho toy ny zavatra efa tsy maintsy ho azo eo foana ka tsy tokony iasana saina. Raha toa ka nomen’ny Tompo saina mahiratra sy faniriana lehibe hanam-pahalalana ianao, kanefa mbola mandanindany foana ny fotoananao rehefa any an-tsekoly sy zara raha manao ezaka ka mahazo naoty tsy dia mahafa-po, dia tsy nampiasa araka ny tokony ho izy ny fanomezam-pahasoavana nomena anao ianao izay. Tahaka izany ihany ho an’ny olona iray izay matanjaka ara-batana ka mampiasa ny heriny hampijaliana ny hafa, na ny olona iray izay manana fahaizana mampihomehy ka mampiasa izany mba hanesoana olona (maro amintsika no mila manao ezaka amin’izany).
Tian’ny Tompo hanao izay tsara indrindra azontsika atao isika—fa izany hoe tsy ny fahaizan’ny olona hafa manao zavatra no ifaninanantsika amin’izany fa ny fahaizantsika manokana. Miankina amin’ny fahaiza-manao izay resahantsika, ny “tsara indrindra” aminao dia mety ho tsara kokoa na ratsy kokoa noho ny “tsara indrindra” ho an’ny hafa. Ary tsy maninona izany! Manehoa fankasitrahana noho ny tanjaka anananao ary manetre tena ny amin’ireo fahalemenao, dia avelao ny Tompo hanampy anao hahatratra ny hery anaty tokony anananao.