2025
Matokia ny Tompo
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Feon’ny zatovo

Matokia ny Tompo

zatovovavy

Sary nataon’i Katelyn Budge

Rehefa nampianatra voalohany ny fianakaviako momba ny drafitry ny famonjena ireo rahavavy misiônera taorian’ny nahafatesan’ny raiko, dia indraindray aho niahiahy ary tsy nahafantatra raha toa ka nino izany. Ireo anadahiko anefa dia tony ka nampian’izy ireo aho mba hino sy tsy hiahiahy be loatra ny zava-drehetra.

Indraindray tsy mahatsapa ho tena matanjaka aho ao amin’ny Fiangonana. Saingy rehefa misy zavatra mampiahiahy ahy na olana atrehako, dia miezaka foana aho mieritreritra zavatra iray: Matokia ny Tompo. Mitarika ahy hankany amin’izay tokony hisy ahy Izy.

Izany no antony haniriako handeha hanao asa fitoriana ny filazantsara mba hahatakarana Azy sy hahatakarana ny zavatra tiany hataoko. Rehefa mahita ny misiônera aho sy ny fanahy ao amin’izy ireo dia te ho toa azy ireo. Ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy izy ireo. Noho ny ohatra asehon’izy ireo dia tena fifaliana ho ahy ny handeha hanao asa fitoriana ny filazantsara aorian’ny fahazoako mari-pahaizana ao amin’ny lisea. Te hanome fifaliana sy hanome ny fahalalana ananako amin’ireo namako sy olon-kafa aho.

zatovovavy mitendry lokanga

Dora C., 18 taona, Vilnius, Lithuanie

Izy dia mankafy ny water polo ary mitendry lokanga.