Namana
Mizara ny vaovao mahafaly
Martsa 2026


“Mizara ny vaovao mahafaly,” Namana, mar. 2026, 36–37.

Mizara ny vaovao mahafaly

Tantara marina avy any Kenya.

Sary maneho hazona manga, trano tafo bozaka, ary vehivavy iray izay manolotra lovia kely misy tsakitsaky ho an’ny zazalahy iray.

Indray Alahadin’ny Paska mamirapiratra iray dia nifoha vao maraina i Ryan ary nihazakazaka nankany an-dakozia. Henony ny fofona voanio sy episy tamin’ny mahamri (mofo mamy misy episy) vao vitan’i Mama. Naka anankiray tamin’ireo dônaty telozoro vao mafana sy malemy tsara i Ryan “Neny! Paka androany! Afaka mijery an’ilay horonan-tsary momba an’ i Jesoa ve isika androany?” hoy izy nanontany sady nitsiky aok’izany.

Nijery azy i Neny sady nitsiky. “Mazava ho azy!”

Nihazakazaka nivoaka i Liam zandrilahin’i Ryan raha nipetraka nijery ilay horonan-tsary kosa i Neny sy i Ryan.

Sary maneho vehivavy sy ankizilahy miara-mipetraka sy mijery fahitalavitra

Nahita an’i Jesoa Kristy nanao fahagagana sy nanompo olona izy ireo. Avy eo rehefa nampijaly an’i Jesoa ny olona dia nilatsaka ny ranomason’i Ryan.

“Neny a! fa nahoana no nataon’izy ireo an’izao i Jesoa?” hoy izy nanontany tamin’alahelo.

“Nisafidy ny hijaly ho antsika izy,” hoy i Neny. “Tia be antsika Izy Ryan a. Maty izy mba ho velona indray isika. “

Rehefa nampiseho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ilay horonan-tsary dia nitsiky i Ryan. “Jereon’i Neny!. Velona indray izy! “

“Marina izany,” hoy i Neny. “Nitsangana Izy! Araka ny voalazan’ilay anjely tao amin’ny Baiboly. “

Nony avy eo dia nivoaka tany an-tokontany hilalao i Ryan. Nahita an’i Liam nilalao tapa-kazo teo ambanin’ilay manga izy.

Fanehoana an-tsary ny zazalahy iray manatona ny zandrilahiny, izay mipetraka eo ambanin’ny manga

“Liam! Te-hilaza tantara mahafinaritra aminao aho, “hoy i Ryan.

Niandry i Liam rehefa nipetraka teo ambanin’ilay manga i Ryan. “Resaka fiara ve izany?”

“Tsia. Mbbola tsara lavitra noho izany! “ Hoy Ryan. “Momba an’i Jesoa ilay izy. Maty izy, saingy avy eo dia velona indray.”

“Izany ve?” Hoy i Liam nanontany.

“Eny! Nisy anjely niteny hoe: “Tsy ato izy fa efa nitsangana.” Midika izany fa mbola afaka hiaina indray koa isika. “

“Oay e!” Hoy i Liam. “Tena mahery tokoa i Jesoa.”

Nanaiky tamin’ny lohany i Ryan. Nieritreritra ny halehiben’ny fitiavan’i Jesoa Kristy azy izy. Nahatonga ny fony hahatsapa ho tena tiana sy faly izany. Nizara ny vaovao mahafaly tamin’ny fianakaviany izy, ary nahatonga ny Paskany niavaka kokoa izany.

Ankizilahy anankiroa mipetraka eo ambody manga
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Margarida Esteves. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.