Namana
Zoro taratasy amin’ny Paska
Martsa 2026


“Zoro taratasy amin’ny Paska,” Namana, martsa 2026, 38–39.

Zoro taratasy amin’ny Paska

Tiolipa vita taratasy

Any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao, dia ny tiolipa no anisan’ireo voninkazo voalohany mamelana amin’ny lohataona. Noho izany dia tandindon’ny fahaterahana vaovao izy ireo ary afaka mampahatsiahy antsika ny sorona nataon’i Jesoa Kristy. Rehefa manota isika dia afaka mibebaka sy ateraka ara-panahy indray!

  1. Aforeto roa mitsivalana eo amin’ny fisasahany ny taratasy iray efamira mba ho lasa telozoro.

  2. Ataovy ambany ilay lafiny lava indrindra ary aforeto miakatra ny tendrony havanana, ka kendreo tsy hifanindry amin’ny tendrony ambony.

  3. Aforeto mitovy amin’ilay dingana faharoa koa ilay lafiny havia.

  4. Avadiho ilay taratasinao. Tokony ho avy any ambony ilay ampahany misy tendrony roa mihoatra.

  5. Aforeto hiditra ny tendron’ilay telozoro avy eo amin’ny rirany havia sy havanana.

  6. Avadiho indray ilay taratasinao dia io ilay tioliponao! Avy eo dia apetaho amina ravintaratasy amin’izay.

Mba hanaovana ny tahony, dia maneteza taratasy maitso, mitadiava ravinkazo any ivelany ho apetaka amin’izany na manaova mihitsy sary izay anao manokana!

Koba masira ho an’ny sary sokitra

Salady Atody Paska

Fantatrao ve fa afaka mampahatsiahy antsika fiainam-baovao ireo atody? Ataovy ity fomba fahandro salady atody ity mba hanampiana anao hahatsiaro ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty!

  1. Miaraka amin’ny fanampian’ny olon-dehibe iray, dia ampangotrahy mandritra ny 10 minitra ny atody 6 hatramin’ny 8 eo.

  2. Avelao hangatsiatsika ireo atody, dia voaso izany ary teteho madinidinika.

  3. Afangaroy ao anaty lovia baolina iray ireo atody voatetika miaraka amin’ny motarda 1 sotro fihinana sy mayônezy 60 mililitatra. Raraho sira sy poavatra ary vovo-tsakay dia afangaroy indray.

  4. Hosory amin’ny mofo na bisky mikarepoka izany dia ankafizo!

Pejy PDF misy ny sahanasa tiolipa vita taratasy

Zava-kanto sy sary nataon’i Anna Oldroyd. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.