Namana
Mosesy mpaminany
Martsa 2026


“Mosesy mpaminany,” Namana, martsa 2026, 46–48.

Avia, hanaraka Ahy

Mosesy mpaminany

I Mosesy manao fitafiana Egyptiana mijery Egyptiana iray mampijaly andevo Isiraelita

I Mosesy dia Isiraelita, saingy notezain’ny zanakavavin’i Farao tany Egypta izy. Nalahelo i Mosesy fa ratsy fanahy tamin’ny Egyptiana ny Isiraelita ary nataony ho andevo izy ireo.

I Mosesy mamihina amin’ny sandriny ny andevo Isiraelita iray, sady manohana azy

Indray andro dia nahita Egyptiana nikapoka Isiraelita i Mosesy. Niaro ny Isiraelita i Mosesy.

Mosesy manirery tany an-tany foana

Rehefa fantatr’i Farao izany dia naniry ny hamono an’i Mosesy izy, fa Mosesy nandositra niala an’i Egypta.

I Mosesy miaraka amin’ny vady aman-janany.

Tonga tamin’ny toerana iray antsoina hoe Midiana i Mosesy, izay nihaonany tamin’ny vehivavy iray antsoina hoe Zipora. Nivady izy ireo ary nanan-janaka.

I Mosesy mahita ny Tompo ao anaty memy mirehitr’afo

Raha nipetraka tao Midiana i Mosesy dia nahita roimemy nirehitra, saingy tsy nandoro an’ilay roimemy ilay afo. Niseho tao amin’ilay afo ny Tompo ary niresaka tamin’i Mosesy.

Ny Tompo miresaka amin’i Mosesy

Nilaza ny Tompo fa fantany fa mijaly ireo Isiraelita any Egypta. Nodidiany i Mosesy mba hiverina any Egypta ary hilaza amin’i Farao mba hamela ny Isiraelita handeha. Nilaza ny Tompo fa hanampy an’i Mosesy hanafaka ny Isiraelita Izy ary hitarika azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina.