“Fanamby momba ny fiaraha-mientana atao amin’ny Paska”, Namana, mar. 2026, 14–15.
Fanamby momba ny fiaraha-mientana atao amin’ny Paska
Ataovy ny iray amin’ireto sahanasa ireto isaky ny andro tsirairay mialoha ny Paska; atombohy aloha araka izay azonao atao. Lokoy ny sary momba ny sahanasa ataonao!
-
Vakio ao amin’ny pejy 2 ny hafatry ny Rahavavy Browning.
-
Mihirà hira momba ny Paska.
-
Vakio ny Jaona 20:1–18.
-
Soraty, na ataovy sary na zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.
-
Mivavaha ho an’ny olona izay mila fitiavana bebe kokoa.
-
Vakio ilay tantara momba ny Paska ao amin’ny pejy 4–7.
-
Jereo manerana ny gazetiboky mba hianarana ny fomba ankalazan’ny hafa ny Paska.
-
Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao dia mieritereta momba an’i Jesoa Kristy.
-
Mijere horonan-tsary momba ny Paska ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
-
Lokoy ny pejy 24–25. Nianatra zava-baovao ve ianao?
-
Manao fandaharam-potoana momba ny Paska amin’ny alalan’ny fampiasana ny pejy 18–23.
-
Mianara momba ny Paska manerana izao tontolo izao ao amin’ny pejy 28–29.
-
Manaova asa tanana momba ny Paska ao amin’ny pejy 38–39.
-
Ampiasao ny pejy 8–9 mba hanamboarana saha nitrangan’ny Fitsanganana tamin’ny maty.
-
Manompoa olona iray ao amin’ny fianakavianao.
Sary nataon’i Simona Love. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.