“Margo sy Paulo,” Namana, martsa 2026, 26–27.
Margo & Paulo
Fombafomba fanao vaovao
Oeee! Manana atodin’ny Paska ihany izy ireo nony farany! Afaka mahazo iray ve aho? Ao mooooa e?
Tsy androany ka. Hahazo iray ianao amin’ny Paska.
Te hanandrana fombafomba vaovao fanao amin’ny Paska aho amin’ity taona ity.
Hay? Ohatra hoe?
Nilaza i Julia namantsika fa mialohan’ny Paska dia mifady hanina mandritra ny 40 andro izy, tahaka ny nataon’i Jesoa.
Tsy mihinan-kanina mandritra ny 40 ANDRO izy hoe?
Mety mahafoy zavatra tiany fotsiny izy— toy ny jeux vidéo, na sôkôlà.
Ahoana an? Tsy mihinana SOKOLA ve?
Misy ny olona manao fahafoizan-tena tahaka izany mba hahatsiarovana an’i Jesoa amin’ny Paska.
Moa ve aho voatery hahafoy ny sôkôlà koa?
Maro ireo fomba hafa hahatsiarovana ny Mpamonjy amin’ny fotoanan’ny Paska.
Oay! Tsaroanao ve ny Paska antsika tany Pays-Bas?
Eny ka! Ilay afon-dasy dia mampahatsiahy antsika fa ny fahazavan’i Jesoa Kristy dia mandresy ny haizina.
Inoako fa manana fombafomba tsara marobe ireo namantsika manerana izao tontolo izao. Andao hanoratra ho azy ireny!
Tokony handefasantsika sôkôla ihany koa izy ireo.
Lehibe loatra izy ireo ka tsy mety halefa.
Oay! Mety ho voatery hihinana azy ireo izany isika!
Margo a …
Afaka mahazo iray ianao.
Sary nataon’i Katie McDee. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.