“Fa toy izao no nitiaman’ Andriamanitra izao tontolo izao”, Namana, mar. 2026, 2–3.
Avy amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany
Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao
Tia antsika be mihitsy ny Ray any An-danitra hany ka nalefany i Jesoa Kristy Zanany mba hanampy antsika hiverina any Aminy.
Fantatr’i Jesoa fa hisy fotoana isika eo amin’ny fiainantsika halahelo sy hijaly ary hanirery. Hanao hadisoana isika ary hatahotra mihitsy aza indraindray. Tao amin’ny Sahan’i Getsemane, i Jesoa Kristy dia nisafidy ny hahatsapa an’ireo zavatra rehetra ireo mba hahafahany mahatakatra sy manampy antsika tanteraka. Nanefa ny fahotantsika koa Izy mba hahafahantsika mibebaka. (Jereo ny Almà 7:11–13.)
Fantatr’i Jesoa koa fa rehefa tonga ny fotoana, dia ho faty daholo isika. Voajanahary sy ampahany ara-dalàna amin’ny fiainantsika ny fahafatesana. Saingy tsy tian’ Andriamanitra hifarana eo amin’ny fahafatesana ny tantarantsika. Koa satria nomen’i Jesoa Kristy ny ainy ary nitsangana tamin’ny maty Izy, isika rehetra koa dia ho velona indray. Izany no antony nisafidianany ny ho faty ho antsika.
Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no iantsoantsika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy. Noho ny fitiavana antsika no nanaovana io fanomezana masina io. Tsarovy fa noho ny fitiavan’ Andriamanitra an’izao tontolo izao no nanomezany an’i Jesoa Kristy Zanany (jereo ny Jaona 3:16). Ary tena tia antsika i Jesoa Kristy, hany ka nomeny ny ainy mba hahafahantsika miverina miaina miaraka amin’ Andriamanitra indray.
Fitiavana no anton’ny Paska
Impiry hitanao ny teny avy amin’ny hoe tia na milaza fitiavana ao amin’ireto andininy ireto? Soraty ny isany hitanao ao amin’ny soratra masina tsirairay avy dia ataovy ny kajy. Rehefa azonao ny valiny dia miezaha manao zavatra betsaka toy izany isa izany mba hizarana amin’ny hafa ny fitiavan’i Jesoa.
Jaona 3:16
+
Jaona 13:34
+
Efesiana 5:2
-
Jaona 15:13
-
Romana 8:35, 37.
=