“Sahanasa mahafinaritra momba ny soratra masina ho an’ny isan-kerinandro”, Namana, Jona 2024, 28–29.
Avia, hanaraka Ahy
Sahanasa mahafinaritra momba ny soratra masina ho an’ny isan-kerinandro
23 febroary–1 martsa
Ho an’ny Genesisy 18–23
Ny faharetana sy ny fotoanan’ Andriamanitra
Hira: “Chaque jour, en tout lieu, à toute heure” (Cantiques—Pour le foyer et l’Église,, no. 1013)
Soratra masina: Genesisy 15:3–6; 21:1–3
Sahanasa: Nila faharetana i Abrahama sy i Saraha ary niandry ela be talohan’ny nanomezan’ Andriamanitra zaza ho azy ireo. Afaka ny ho maharitra koa ianao. Fonosy anatina sosona taratasy maromaro ny kilalao na sakafo maivana iray. Avy eo dia esory ny sosona tsirairay isaky ny mamaky ny andininy iray amin’ireo soratra masina etsy ambony momba ny tantaran’i Abrahama sy i Saraha ianao. Rehefa vitanao izany dia resaho fa indraindray dia tsy tonga eo no ho eo ny fitahiana. Saingy rehefa maharitra sy matoky an’ Andriamanitra isika dia ho avy foana ireo fitahiany.
Manao ny vavaka:
Mitarika ny hira:
Mamaky ny soratra masina:
Mitondra ny lesona:
2–8 martsa
Genesisy 24–33
Hatsaram-panahy
Hira: “Aimer tout comme toi” (Cantiques—Pour le foyer et l’Église, no. 1019)
Soratra masina: Genesisy 24:17–20
Sahanasa: Tsara fanahy i Rebeka. Nanome rano olona tsy fantatra sy ny ramevany izy. Mandehana tadiavo ny fomba nanehoan’olona hatsaram-panahy! Mandehandehana manodidina ny tranonao na eo amin’ny mpiara-belona aminareo dia mitadiava fomba hahazoana maneho hatsaran-toetra. Dia ataovy ireny avy eo!
Manao ny vavaka:
Mitarika ny hira:
Mamaky ny soratra masina:
Mitondra ny lesona:
9–15 martsa
Genesisy 37–41
Manangona ny vahoakany ny Tompo
Hira: “Oui, j’ai foi en Jésus, mon Sauveur” (Cantiques—Pour le foyer et l’Église,, no. 1024)
Soratra masina: Genesisy 37:2–5, 18–21, 26–28; 39:20–23
Sahanasa: Vakio ny soratra masina momba ny tantaran’i Josefa na jereo ilay horonan-tsary ao amin’ny Ireo tantara ao amin’ny Testamenta Taloha. Avy eo dia lokoy ilay akanjony ao amin’ny pejy manaraka! Manipaza kodiakely isaky ny efa-joro. Na inona na inona isa mipoitra dia mampiasà loko hamenoana ilay efa-joro manaraka. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Tompo an’i Josefa? Ahoana no anampiany anao?
Manao ny vavaka:
Mitarika ny hira:
Mamaky ny soratra masina:
Mitondra ny lesona:
Sahanasa “Manampy ny vahoakany ny Tompo”
16–22 martsa
Ho an’ny Genesisy 42–50
Namonjy ahy i Jesoa Kristy
Hira: “Mon Sauveur m’aime” (Cantiques—Pour le foyer et l’Église,, no. 1021)
Soratra masina: Genesisy 47:12 sy Jaona 6:35
Sahanasa: Nanavotra ny fianakaviany tamin’ny hanoanana i Josefa ary namela ireo rahalahiny. Afaka mampahatsiahy antsika ny fomba amonjen’i Jesoa Kristy sy ny amelany antsika koa ny tantarany. Mianara mikasika ny fomba namonjeny antsika amin’ny alalan’ny famakiana ny hafatra ho an’ny Paska ao amin’ny pejy 2.
Manao ny vavaka:
Mitarika ny hira:
Mamaky ny soratra masina:
Mitondra ny lesona:
23–29 martsa
Eksodosy 1–6
Ny Tompo dia Andriamanitry ny fahagagana
Hira: “Je ne peux dénombrer les preuves” (Cantiques—Pour le foyer et l’Église, no. 1029)
Soratra masina: Eksodosy 2:2–10
Sahanasa: Nataon’ny renin’ny Mosesy tao anaty sobika iray i Mosesy zazakely, dia nafeniny teo akaikin’ny renirano iray mba tsy hisy loza hanjo azy! Manamboara sobika kely amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana ao an-tranonareo. Afaka mampiasa ratsan-kazo, taratasy namboarina na voankazo na legioma mihitsy aza ianao. Avy eo dia andramo atsingevana ambony rano ny sobikanao. Vakio ireo soratra masina etsy ambony dia miresaha mikasika ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Mosesy. Fahagagana avy amin’ Andriamanitra no niaro an’i Mosesy tsy ho azon-doza!
Manao ny vavaka:
Mitarika ny hira:
Mamaky ny soratra masina:
Mitondra ny lesona:
Sarisary nataon’i Audrey Day. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.