“Bodofotsy amin’ny Paska,” Namana, mar. 2026, 34–35.
Bodofotsy amin’ny Paska
Nizara ny hafanan’i Jesoa ireo Kilonga any Perth, Aostralia, tamin’ny alalan’ny fanomezana bodofotsy an’ireo vehivavy efa zokinjokiny tao amin’ny paroasin’izy ireo. Amin’ny fotoan’ny Paska any Aostralia, dia manomboka midina ny mari-pana amin’ny fararano mialohan’ny hahatongavan’ny ririnina. Mazàna ny ankizy no mahazo akanjomandry mafana vaovao miaraka amin’ny sokola atody rehefa marainan’ny Paska. Ny akanjomandry mafana sy ny bodofotsy dia mampahatsiahy antsika ny hafanan’ny fitiavan’i Jesoa Kristy.
1. Niara-nandeha tany amin’ilay toeram-pivarotana izy ireo hividy ireo bodofotsy.
2. Izy ireo koa dia nanao asa tanana voninkazo, sy nandoko atody Paska vita amin’ny hazo, ary nanaingo karatra ho alefa miaraka amin’ireo bodofotsy.
3. Avy eo dia natolotr’izy ireo ny bodofotsy. Nankafizin’izy ireo ny niara-niasa mba hitondrana ny fitiavan’ny Mpamonjy ny hafa amin’ny fotoanan’ny Paska.
Inty ilay taratasy nalefan’ireo ankizy miaraka amin’ireo bodofotsy!
Nankafiziko ny nahafahako nandray anjara sy niara-nanao zavatra. Ilay dia nandeha niantsena no tsara indrindra, ary tsy maintsy nisafidy ny lokon’ ireo bodofotsy izahay. Traikefa nahafinaritra sy nahafaly izany.
Robert D., 9 taona
Tianay ny nahita ny endrika mitsiky nasehon’iireo vehivavy tao amin’ny paroasinay rehefa notoloranay ireo bodofotsy.
Mika sy Hyrum M., 10 taona sy 8 taona
Nahafinaritra ahy ny nanao zavatra tsara ho an’ireo olona efa zokinjokiny tao amin’ny paroasinay.
Miley N., 8 taona
Sary nataon’i Sophie Loren Moran. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.