“Ny Herinandro Masin’i Mia”, Namana, mar. 2026, 12–13.
Ny Herinandro Masin’i Mia
Nanampy anay hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ny andro tsirairay.
Tantara marina avy any Etazonia.
Herinandro iray mialoha no nanombohany niomana ho amin’ny Paska! Herinandro Masina, hoy i Dada no fiantsoana ilay herinandro mialoha ny Paska. Hisy zavatra tsy ampoizina kely hoy i Neny eo amin’ny latabatry ny lakozia isan’andro. Hanampy anay hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ny tsirairay avy amin’izy ireny. Hosoratako ato amin’ny diariko ny momba izany rehetra izany!
Tamin’ny andro voalohany dia nahita ravin-kazo vita tamin’ny taratasy izahay.
Namaky taratasy momba ny tantaran’ny Alahadin’ny Sampan-kazo tao amin’ny soratra masina i Dada sy i Neny. Rehefa nankany Jerosalema i Jesoa Kristy dia nanofahofa sampan-kazo ny vahoaka ka nihiaka hoe: “Hosana!”
Nitazona ny sarin’ny ampondra notaingenan’i Jesoa i Lucie rahavaviko. Nanofahofa sampan-kazo vita tamin’ny taratasy izahay ambiny. Nahatsapa fifaliana aho naka sary an-tsaina hoe nandray an’i Jesoa.
Tamin’ny andro faharoa dia harona fanariam-pako no hitanay.
Tezitra i Jesoa satria nivarotan’ny olona ny teo an-tokontanin’ny tempoly, ka dia noroahina hivoaka ry zareo. Notsimponinay ireo fako teo amin’ny kirihitr’ala manodidina ny fiangonana. Faly aho fa afaka nanampy tamin’ny fikarakarana ny tranon’ Andriamanitra!
Tamin’ny andro fahatelo dia tanimanga no hitanay.
Novakian’i Neny taminay ireo tantara notantarain’i Jesoa Kristy tamin’ny olona tamin’izany. Nihaino izahay ary nampiasa tanimanga izahay mba hanamboarana ireo zavatra tao amin’ireo tantara. Nanamboatra ondry i Lucie satria i Jesoa Kristy no ilay Mpiandry tsara. Nanamboatra jiro kely mandeha amin’ny solitany aho. Nanampy ahy hahatsiaro ny hitandrina ny foko ho feno finoana izany.
Tamin’ny andro fahatelo dia kanelina no hitanay.
Notantarain’i Dada anay ny nanomezan’i Maria menaka miavaka an’i Jesoa Kristy mba hahosotra amin’ny tongony. Nameno ny trano iray manontolo ny fofony.
Tsy nanana io menaka miavaka io izahay. Fa nampiasainay kosa ilay kanelina mba hanamboarana sakafo mamy maivana. Rehefa manimbolo ny fofon’ny kanelina mivoaka avy ao anaty lafaoro andrahoana an’ilay sakafo mamy maivana izahay hoy i Neny, dia tokony hieritreritra ny zavatra azonay omena an’i Jesoa.
Tamin’ny andro fahadimy dia labozia no hitanay.
Nandrehitra labozia izahay ary nihira hira tahaka ny an’i Jesoa Kristy sy ny mpianany nihira nandritra ny Fanasana Farany. Nihinana mofo pita izahay ary nisotro ranom-boaloboka mba hahatsiarovana ny Fanasan’ny Tompo voalohany. Nisotro ranon’ ampongabendanitra koa izahay mba hampahatsiahivana anay ny ran’i Jesoa; ary oliva hahatsiarovana ny sahan’i Getsemane.
Teo am-pisakafoana izahay dia nisy kotro-baratra tany ivelany. Nahatsapa ho voaro aho ary feno fankasitrahana noho ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy dia efa nandalo sedra sy olana faran’izay sarotra indrindra.
Tamin’ny andro fahenina dia tavim-boninkazo no hitanay.
Namaky momba ny nahafatesan’i Jesoa Kristy ho antsika izahay. Nentinay nankao an-jaridaina ilay tavim-boninkazo tsy nisy na inona na inona ary natongilanay, toy ny fasana. Nasianay tany sy vato nanodidina azy saingy tsy nototofanay ny teo amin’ny vavany. Nomen’i Neny sary kely iray mba hanehoana ny vatan’i Jesoa izahay. Nofonosinay tamim-panajana tanaty lamba fotsy ilay izy ary napetrakay tao anatin’ilay tavim-boninkazo.
Na dia tavim-boninkazo fotsiny aza ilay izy dia mbola nalahelo aho nanampina an’ilay varavarana tamin’ny vato.
Tamin’ny andro faha-fito dia taratasy misy ny anaran’ireo razambenay no hitanay.
Nilaza i Neny fa taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia nandamina ny asa fitoriana tany amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy. Amin’izay ireo olona izay tsy nianatra momba ny filazantsara teto an-tany mbola ho afaka hianatra momba Azy. Any amin’ny tempoly isika dia afaka ny hatao batisa ho an’ireo olona izay tsy vita batisa talohan’ny nahafatesany.
Tsy ampy taona izaho sy i Lucie ka mbola tsy afaka miditra ao amin’ny tempoly, kanefa afaka nanapaka ireo anarana navoaka printy kosa izahay. Nifandimby nanao asa tany amin’ny tempoly ho an’ireo olona teo amin’ireo karatra i Dada sy i Neny ary nandeha teo an-tokontanin’ny tempoly niaraka taminay. Na dia avy ety ivelany aza dia toa ohatran’ny sombin-danitra ny tempoly.
Tamin’ny Paska dia fasana foana no hitanay.
Ny marainan’ny Paska dia tsy teo intsony ilay vato teo anoloan’ilay tavim-boninkazo ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay lamba. Nisy karatra nilaza hoe: Velona Izy! teo.
Efa fantatro fa i Jesoa Kristy no antony mampisy ny Paska. Taorian’ny fankalazana ny Herinandro Masina dia tsapako koa fa toa nitombo kely ny fahafantarako Azy tsara kokoa.
Sary nataon’i Melissa Kashiwagi. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.