“Paska sambatra,” Namana, martsa 2026, 30–31.
Paska sambatra
Tantara tena niseho tao Kambôjy.
Paska androany! Handeha handoko atody ny fianakavian’ i Gloria ary hihinana paty saosy karia.
Naka atody mafana i Dada. “Tandremo Dada a!” Nihomehy i Gloria.
Nolokoin’i Gloria volomparasy ny atodiny.
“Fantatrao ve ny antony ankalazantsika ny Paska?” Hoy i Dada nanontany.
“Satria maty ho antsika i Jesoa ary nitsangana indray,” hoy i Gloria.
“Eny!” hoy i Mama. “Noho i Jesoa dia afaka miara-miaina mandrakizay Aminy isika indray andro any!”
“Mieritreritra aho fa tia antsika tahaka ny hifankatiavantsika i Jesoa,” hoy i Gloria.
“Izany no antony hitiavany antsika hiara-hiaina Aminy mandrakizay!”
Sary nataon’i Gillian Reid. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.