“Dia mandritra ny herinandro masina,” Namana, martsa 2026, 14–15.
Dia mandritra ny herinandro masina
Jerosalema
Tamin’ny Alahadin’ny Sampan-kazo dia niarahaba an’i Jesoa Kristy ny vahoaka rehefa tonga tao Jerosalema Izy. Nihiaka hoe “Hosana” izy ireo hankalazana Azy. Ny Hosana dia teny Hebreo hoe “mba vonjeo izahay.”
Ny alin’ny Fanasana Farany dia nanasa ny tongotr’ireo mpianany i Jesoa. Naneho ohatra tamin’ny asa fanompoana feno fanetren-tena izy mba ho arahantsika.
Ny Sahan’i Getsemane
Tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy dia nivavaka sy nahatsapa ny olana sy ny fanaintainan’ny olona tsirairay. Nijaly noho ny fahotantsika Izy.
Ny Fasana
Nanontany i Josefa avy any Arimatia raha toa ka afaka mikarakara ny vatan’i Jesoa Kristy izy taorian’ny nahafatesany. Nahafoy ny fasany vaovao ho an’i Jesoa i Josefa mba hananany toerana fialan-tsasatra tsara.
I Maria Magdalena no voalohany nahita ny Mpamonjy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nihazakazaka izy niteny tamin’ireo Apôstôly ny vaovao mahafaly!
Amerika Fahiny
Taorian’ny nahafatesany dia namangy ireo “ondry hafa” nanerana an’izao tontolo izao i Jesoa Kristy. I Amerika no toerana iray izay notsidihany. Nahatsapa ireo ratra teo amin’ny tanany sy ny tongony izy ireo ary nahafantatra fa Izy no Ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty.
Sary nataon’i Dave Klüg. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.