Namana
Paska manerana izao tontolo izao
Martsa 2026


“Paska manerana izao tontolo izao,” Namana, Mar. 2026, 28–29.

Paska manerana izao tontolo izao

Fantaro ireo fomba amam-panao any amin’ny firenena samihafa mba hanampiana anao hahatsiaro ny Mpamonjy.

Arménie

Eto ireo atodin’ny Paska dia nolokoina mena toy ny ràn’i Jesoa Kristy. Rehefa Paska dia miteny ny olona hoe: “Efa nitsangana tamin’ny maty i Kristy! Ho deraina anie ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty!” Avy eo dia samy miara-mamaky atody izy ireo.

Ghana

Maro ireo olona mitafy akanjo fotsy amin’ny alahadin’ny Paska ho fankalazana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny fandreseny ny fahafatesana.

Goatemalà

Amin’ny vaninandro Paska dia rakofana karipetra maro loko vita amin’ny taimbakona sy voninkazo ireo arabe. Ireo karipetra ireo dia ahitana kisary kanto ary amin’ny endrika tsara tarehy. Ny sasany dia ahitana sarin’ny Mpamonjy.

Alemàna

Ny Zoma Masina dia andro “fety mangina” misy fandraràna ny tabataba sy ny hetsika ampahibemaso. Izany dia ahafahan’ny olona ho tony sy hisaintsaina ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo.

Peroa

Maro ireo fianakaviana no manao fisakafoanana ahitana lovia 12 misy hanina amin’ny Alakamisy sy Zoma masina mialohan’ny Paska. Io fiaraha-misakafo io dia maneho ny Fanasana Farany izay noraisin’i Jesoa Kristy niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo.

Filipina

Amin’ny alahadin’ny Sampan-kazo dia mandrary ravinkazo ny olona ka manome endriny kanto. Izany dia manampy azy ireo hahatsiaro ny fomba nandraisan’ny vahoaka tao Jerosalema an’i Jesoa Kristy tamin’ny sampan-drofia mandritra ny Herinandro Masina.

Pejy PDF ahitana sary fanehoana misy bolan-tany sy tandindon’ny Paska avy amin’izao tontolo izao

Sary nataon’i Flavio Remontti. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.