Namana
Ilay drafitra mahatalanjona
Martsa 2026


“Ilay drafitra mahatalanjona,” Namana, mar. 2026, 4–7.

Ilay drafitra mahatalanjona

Fanehoana an-tsary ny lanitra feno kintana

Talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany dia nanana drafitra mahatalanjona ho antsika ny Ray any An-danitra. Ho teraka sy hianatra ary hivoatra eto an-tany isika. Afaka manaraka ny lalan’ny fanekempihavanany isika ary manao safidy tsara.

Sary natao maneho an’i Jesoa Kristy

Nahafantara ny Ray any An-danitra fa hila fanampiana isika. Fantany fa hanao safidy ratsy isika ary hanota indraindray. Tsy afaka hiverina any Aminy isika raha toa ka tsy madio.

Nila olona manokana isika mba hanampy antsika ho madio amin’ny fahotantsika. I Jesoa no fanahy Zanaka Lahimatoa an’ny Ray any An-danitra. Nanolo-tena ny ho tonga ety an-tany Izy sy hamonjy antsika amin’ny fahotantsika.

Fanehoana an-tsary ireo Magy eo ambony rameva manaraka ny kintan’ny krismasy.

An-jato taona maro no niandrasan’ny olona ny fahaterahan’i Jesoa. Farany dia nisy kintana vaovao namiratra teny amin’ny lanitra mba hanambarana amin’izao tontolo izao fa tonga ny Mpamonjy.

Sary maneho ny Mpamonjy miaraka amin’ny ankizy

Rehefa lehibe i Jesoa dia nampianatra ny olona ny filazantsara Izy. Tsara fanahy sy be fitiavana Izy. Nitsodrano ireo ankizy Izy.

Sary maneho ny Mpamonjy manasitrana ankizivavy marary iray eo am-pandriana

Nampianatra Izy fa tokony hanaraka Azy isika ary handray ny hafa tahaka izay ho nataony. Nanasitrana ireo olona narary Izy. Nanangana ireo olona izay efa maty Izy.

Sary maneho an’i Kristy mivavaka ao Getsemane

Fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hanaovany ilay fahagagana lehibe indrindra. Nandeha tany amin’ny Sahan’i Getsemane izy ary nivavaka. Nahatsapa ny fanaintainana avy amin’ny fahotantsika rehetra sy ny alahelontsika ary ny aretintsika rehetra Izy.

Sary maneho an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana

Tezitra tamin’i Jesoa ny olona sasany. Tsy tian’izy ireo ny zavatra nampianariny, ary tsy nino izy ireo hoe Izy no Zanak’ Andriamanitra. Nosamborina sy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa, ary maty teo.

Andian’olona misaona manomana ny vatan’i Jesoa ao am-pasana

Nalahelo mafy ireo naman’i Jesoa. Nampatorian’izy ireo tao am-pasana ny vatany ary nanakodia vato lehibe teo amin’ny varavarana izy ireo.

Sary maneho an’i Maria Magdalena mitomany

Telo andro taty aoriana dia nisy vehivavy sasantsasany nandeha tany amin’ilay fasana. Nakisaka ilay vato ary tsy nisy na inona na inona tao amin’ilay fasana. Nanomboka nitomany i Maria Magdalena satria tsy hita ny vatan’i Jesoa. Nisy lehilahy tsara fanahy iray teo akaikiny nanontany azy ny antony nitomaniany. Rehefa nilaza taminy izy dia niantso azy tamin’ny anarany ilay olona. Nijery Azy izy ary nahita fa i Jesoa izany! Velona indray Izy!

Fanehoana an-tsary ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty miseho amin’i Maria Magdalena

Ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika no ankalazaintsika amin’ny Paska. Koa satria nijaly ho antsika Izy dia afaka mibebaka sy ho madio isika. Koa satria nitsangana tamin’ny maty Izy dia ho velona indray isika! Noho Izy dia afaka hiverina any amin’ny Ray any An-danitra isika sy ho tafaraka mandrakizay amin’ireo fianakaviantsika.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Matt Sweeney. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.