“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny,” Liahona, jan. 2025.
Mampiasa ireo gazetibokin’ny Fiangonana
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny
Ny fandalinana ny Avia , hanaraka Ahy amin’ity taona ity dia hanasongadina ny fomba namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny Fiangonany sy ny filazantsarany tamin’ny alalan’ireo mpaminanin’ny andro farany. Lahatsoratra maro ato amin’ny laharan’ity volana ity no manasongadina ireo fitahian’ny Famerenana amin’ny laoniny.
Mianatra avy amin’ity laharana ity
Mandraisa anjara amin’ny fanangonana
Ao amin’ny pejy 2, ny Filoha Russell M. Nelson dia mizara ny fomba ahafahantsika miangona ao amin’ny Mpamonjy, mivondrona miaraka amin’ny Olomasina, ary mivondrona eo amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra. Hevero ny hametraka tanjona ho an’ity volana ity mba handray anjara amin’ny iray amin’ireo karazana fanangonana telo ireo.
Manompo ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny
Ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia miresaka momba ireo fahafahana ananantsika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny mba “hanompo ny hafa amim-pitiavana” (jereo ny pejy 8). Misy olona sahirana ve ao amin’ny paroasy na sampana misy anao? Afaka mivavaka ho an’ireo olona ireo ianao ary mangataka fitaomam-panahy mikasika ny fomba hanompoana azy ireo.
Mianara avy amin’ny Fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny
Tamin’ny taona 2020, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” (jereo ny pejy 40). Rehefa mamerina mijery ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ianao dia azonao atao ny mandinika ireto fanontaniana ireto: Inona avy ireo zava-nitranga manan-danja voalaza ao, ary ahoana ny fomba nitarihan’ny Tompo ireo zava-nitranga ireo?
Nalaina tao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!
Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2025: “Banjino i Kristy”
Ny Fiadidian’ny Zatovovavy sy ny Zatovolahy maneran-tany ary ny hafa no mampahafantatra ny lohahevitra amin’ity taona ity.
Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo fitantarana samihafa nataon’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany?
Jereo ny sasany amin’ireo dingana lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mitohy.
Ny taratasy iray dia afaka manampy ny zatovo hahita fa ny fahatokiana an’ Andriamanitra no lalana tsara indrindra rehefa voasedra ny finoan’izy ireo na miatrika fanontaniana mampikorontan-tsaina izy ireo.
Nalaina tao amin’ny gazetiboky Namana
Ampio ny zanakao hanamboatra asa-tanana hianarana momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny.
Manaova sakafo mahasalama hankafizina miaraka amin’ny fianakaviana sy hikarakarana ny vatanareo.
Mamakia momba ny ankizivavy iray izay nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra na dia tsy novaliana tamin’ny fomba tiany aza ny vavaka nataony.
Jereo ireo andian’olona vaovao momba ny tantaran’ny Fiangonana sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, manomboka amin’ny Fahitana Voalohany.