2025
Mahatsiaro ny antony iainako ny Filazantsara
Janoary 2025


“Mahatsiaro ny antony iainako ny filazantsara,” Liahona, jan. 2025.

Tanora

Mahatsiaro ny antony iainako ny filazantsara

Ny fampahatsiahivana ny tenako ny “antony” dia mamporisika ahy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy hanatratra ireo tanjoko ara-panahy.

Vehivavy tanora mivavaka

Tsapa ho mikorontana ny fiainako indraindray, saingy tiako ny fampiononana tsapako rehefa miditra ao amin’ny trano fiangonana iray aho. Iray amin’ireo antony tiako handehanana any am-piangonana izany!

Ary rehefa tsaroako ny zavatra tiako momba ny filazantsara, toy ny fahatsapana ny Fanahy Masina ohatra—dia mahatsapa ho entanim-panahy bebe kokoa aho hanaraka ireo fahazarana ara-panahy nananako, toy ny mandeha any amin’ny tempoly, mamaky ny soratra masina ary mivavaka amin’ny Ray any An-danitra.

Koa satria enjikenjika ny fiainana dia mety ho mora ny manadino ireo zavatra tsotra izay tiantsika ireo. Saingy ny fampahatsiahivana tsy tapaka ny tenako momba ireo antony iainako sy itiavako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manampy ahy hanavao ireo tanjoko ara-panahy izay hitondra ahy hanakaiky kokoa Azy sy ny Ray any An-danitra.

Mametraka tanjona ara-panahy vaovao

Eny am-piandohan’ny taona tsirairay dia tiako ny manombantombana ireo tanjoko ara-panahy amin’ny alalan’ny fanoratana ireo ezaka ataoko amin’ny taona vaovao. Raha manao fandinihan-tena kely ihany koa ianao ary mandinika ny fomba tianao hanatsarana ny fifandraisanao amin’i Kristy mandritra ity taona vaovao ity dia apetraho amin’ny tenanao ity fanontaniana ity:

“Nahoana aho no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?”

Nanazava ny Rahavavy Ann M. Dibb, Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha fa “mitombo ny fitiavantsika ny filazantsara rehefa miaina ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny fiadanana nampanantenain’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fampisehoana Aminy fa vonona ny hankatò sy hanaraka Azy isika.”

Ny fahafantarana ny antony itiavanao ny filazantsara dia hanampy anao hahatsapa sy hamantatra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao. Io fomba fisainana io dia hanampy anao ihany koa hahatsapa ho tsy dia tototra loatra rehefa miezaka mametraka sy manatratra ireo tanjonao ara-panahy ianao.

Ny “antony” hiainako sy hitia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ahitana ny fahalalana fa afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana sy ny fiadanana tsapako aorian’ny vavaka marefo ataoko amin’ny Ray any An-danitra.

Na inona na inona dikan’ny hoe “ny antony” dia hazony izany—hanome anao ny fahavitrihana ara-panahy ilainao hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa izany.

Miaina ny “antony” ho anao

Raha vantany vao fantatro ny antony niainako ny filazantsara dia niova ny fomba fametrahako ireo tanjoko ara-panahy. Nijanona tsy nieritreritra ny zavatra tsy nataoko aho ary lasa nifantoka bebe kokoa tamin’ny zavatra azoko natao. Tsaroako fa miaina ny filazantsara aho satria tiako ny Mpamonjiko.

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Mila manaiky isika fa ny didin’ Andriamanitra dia tsy hoe lisitra lava be fotsiny ihany. … Fa torohevitra avy amin’ Andriamanitra, mifototra amin’ny fahamarinana mandrakizay, izay nomena mba hitondrana -fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23].”

Ny fanarahana ireo tanjoko ara-panahy dia mampahatsiahy ahy hoe iza aho: zanaka masin’ny ray aman-dreny any an-danitra. Izany fitsipika izany dia manome ahy herim-po hiatrika ny tebitebiko sy ny fahalemeko amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (jereo ny Etera 12:27).

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “tsy manantena fahalavorariana avy amintsika ny Tompo amin’izao dingana ao anatin’ny fivoarantsika mandrakizay izao. Saingy manantena Izy fa ho lasa hihamadio isika.” Noho izany dia miezaka amin’ny tsara indrindra avy amiko isan’andro aho mba hijanona eo akaikin’i Jesoa Kristy ary hahatsiaro ny antony hisafidianako hanaraka Azy.