2025
Fahadisoana ve ny antsoko hanao asa fitoriana?
Janoary 2025


“Fahadisoana ve ny antsoko hanao asa fitoriana?” Liahona, janoary 2025.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Fahadisoana ve ny antsoko hanao asa fitoriana?

Raha lavitra ny tranoko aho dia nanampy ahy hahita ny fomba hizarana ny fitiavany ny Tompo.

misiônera mitaingina bisikileta

Roa taona tao anatin’ny fianarana mathématiques actuarielles et financières dia naheno bitsika mahery vaika aho handeha hanao asa fitoriana. Nisafidy ny hanompo aho, na dia mety hamoy ny fahamendrehana sasantsasany tao amin’ny oniversite izay tsy maintsy raisina misesy aza.

Fotoana fohy taorian’izay, rehefa namaky ny antsoko hanao asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i Salt Lake City Afovoany tao Utah Aho, dia tsapako ho tena nahatalanjona izany fotoana izany. Tsy nahafantatra na iza na iza nanompo tao Salt Lake City. Nieritreritra aho fa angamba nanokatra antso amin’ny asa fitoriana diso. Rehefa tonga tao Salt Lake City aho dia tsapako ho nesorina daholo ny zavatra rehetra fantatro. Teny ambony bisikileta tao anatin’ny ranomandry aho, tsy nahay izay atao hahatongavana ho misiônera. Noho ny kolontsaina sy ny toetrandro samy hafa dia tsapako ho ny toerana lavitra indrindra an’i Afrika Atsimo nandehanako i Salt Lake City.

Nitsidika mpikambana iray nantsoina hoe Chris Ruppel mba hisakafo hariva izaho sy ny mpiara-mitory amiko tao amin’ny faritra voalohany niasako. Nanontany izy raha toa ka nahay mozika ny iray taminay. Nolazain’ilay mpiara-mitory tamiko fa mitendry pianô sy mihira aho ka dia nihira hira iray ho an’ilay fianakaviana aho. Avy eo dia nisy zavatra miavaka nitranga. Nijery ahy Rahalahy Ruppel dia niteny hoe: “Elder Vizzini! Raha manohy mihira toy izany ianao dia ho misiônera mahomby.” Nieritreritra aho hoe tsara fanahy izy nilaza izany saingy tsy noeritreretiko be loatra izany.

Volana vitsivitsy taty aoriana, niaraka tamin-dRahalahy Ruppel, dia nanampy tamin’ny fanorenana takariva amorom-patana an-kira ho an’ny misiônera aho. Nampiasa io rafitra takariva amorom-patana an-kira izahay tany amin’ny faritra rehetra nanompoako taty aoriana. Maro ny olona nandray anjara niaraka taminay, avy tamin’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka ka hatramin’ireo mpahay mozika fanta-daza teo an-toerana sy ireo mpikambana avy amin’ny antokom-pinoana hafa. Nampianatra momba ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny mozika tamin’ireo olona izay tsy te hipetraka tao anatin’ny lesona iray izahay. Nianatra aho fa ny hira dia afaka mikasika ny mahantra sy ny manan-karena, ny nandia fianarana sy ny tsy manam-pahalalana.

Nampianatra ahy ny asa fitoriana nataoko fa afaka manao zavatra sarotra aho. Rehefa nanompo tany amin’ny faritra iray izay lavitra sy tsy nitovy tamin’ny fireneko aho dia nianatra fa zanak’ Andriamanitra avokoa ny olona rehetra. Nahita fahagagana aho teo amin’ny fiainan’ny olona tany amin’ny faritra ilan’izao tontolo izao tany Utah, ary nahita izany koa teto Afrika Atsimo. Fantatro fa raha manana finoana fotsiny isika dia afaka mitranga eo amin’ny fiainantsika tsirairay ny fahagagana (jereo ny Môrmôna 9:15–21).