2025
Liège, Belgique
Janoary 2025


“Liège, Belgique,” Liahona, Jan. 2025

Tafaorina eto ny Fiangonana

Liège, Belgique

sarintanin’izao tontolo izao misy faribolana manodidina an’i Belgique
trano eo akaikin’ny renirano iray

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia azo inoana fa tonga voalohany tany Belgique rehefa nanomboka nampianatra ny fianakaviana Esselman tamin’ny 1888 i Mischa Markow, Olomasin’ny Andro Farany iray niova fo avy any Turquie. Rehefa vita batisa izy ireo dia nanomboka nanompo tany Belgique ireo misiônera tany Suisse sy Allemagne. Tao anatin’ny roa volana dia olona 80 no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, ary ireo vondron’ny mpiangona dia naorina tao Liège, Bruxelles, ary Antwerp. Ankehitriny, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ny Andro Farany ao Belgique dia:

  • Mpikambana miisa 6.600 (eo ho eo)

  • tsatòka 2 (paroasy 11, sampana 2)

  • tempoly 1 (nambara tamin’ny 2021, izay haorina ao Bruxelles)

Ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana soratra masina

Hoy i Karen Wery avy ao amin’ny Paroasin’i Namur momba ny fianakaviany hoe: “Miara-mandalina ny soratra masinay izahay ary mifampizara ny eritreriray sy ny aingam-panahy anananay. Mampiasa ny soratra masina izahay, eo koa ireo horonan-tsary sy loharanom-pitaovana hafa, toy ny gazetiboky Namana, mba hanampiana ny zanakay hahatakatra bebe kokoa ny fotopampianarana. Ny fiantraikany lehibe indrindra izay nanananay dia ny fitomboan’ny firaisan-kina ao an-tranonay.”

ny fianakaviana Wery