“Ilaina avokoa ny rehetra ao amin’ny vatan’i Kristy,” Liahona, jan. 2025.
Vehivavy manao fanekempihavanana
Ilaina avokoa ny rehetra ao amin’ny vatan’i Kristy
Afaka manampy amin’ny fanorenana ny maha-mpirahavavy maneran-tany izay salama kokoa, sy mahay miharina kokoa, ary mifandray bebe kokoa isika noho ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra.
Isika rehetra dia te hahatsapa fa manana toerana sy miombona ary ilaina ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Afaka manampy ireo rahavavintsika sy ny anadahintsika tsirairay isika, na firy taona na firy taona izy ireo ary na inona na inona toe-javatra iainany, mba hahatsapa fa manana toerana sy miombona ary ilaina ihany koa izy ireo. Zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra avokoa isika rehetra ka noho izany dia mpirahavavy sy mpirahalahy ara-panahy. Tena manan-danja ireo fifandraisana ireo.
Rehefa miditra ao amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia tsy hoe mampitombo sy manatsara ny fifandraisantsika Aminy fotsiny izany fa misy fiantraikany ihany koa amin’ny fifandraisantsika amin’ireo zanany hafa—ireo mpiray tampo amintsika ara-panahy. Andraikitsika ny mifankatia sy mifampikarakara ao anatin’ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra, manomboka amin’ny batisa.
Ny olan’ny fanirery
Ny mpiandraikitra ny fahasalamam-bahoaka ao Etazonia, izay mpanabe fototra ara-pahasalamana ho an’ i Etazonia, dia nizara ity fanambarana ity mikasika ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana: “Ny fipariahan’ny fanirery sy ny fitokana-monina dia olana ara-pahasalamam-bahoaka izay manimba ny fahasalaman’ny tena manokana sy ny fahasalamana ara-piarahamonina. Ny fifandraisantsika dia loharanon’ny fanasitranana sy fahatomombanana miafina kanefa eo imasontsika. … Noho ny voka-dratsy ara-pahasalamana lehiben’ny fanirery sy ny fitokana-monina dia tsy maintsy manao laharam-pahamehana ny fanorenana fifandraisana ara-piarahamonina mitovy amin’ny fomba nanaovantsika laharam-pahamehana ireo olana ara-pahasalamam-bahoaka hafa isika. … Rehefa miaraka isika dia afaka manorina [fiaraha-monina] izay salama kokoa, mahay miharina kokoa, tsy manirery kokoa, ary mifandray bebe kokoa.”
Afaka miaraka manampy amin’ny fanorenana ny maha-mpirahavavy maneran-tany amin’ny taona rehetra izay salama kokoa, mahay miharina kokoa, tsy manirery kokoa, ary mifandray bebe kokoa isika noho ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra sy ny andraikitsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.
Niteny ny Mpamonjy hoe: “Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:35).
Fifandraisana amintsika samy isika
Afaka manampy mampihena ny firongatry ny fanirery isika amin’ny alalan’ny famoronana toerana mahatamana sy azo antoka eo amin’ireo fiangonantsika ary indrindra ao anatin’ny Fikambanana Ifanampiana misy antsika, izay ahafahan’ny rehetra mahatsapa ny fitiavan’ny Tompo satria voahodidin’ny fitiavantsika izy ireo.
Ny zavatra iainantsika any am-piangonana dia natao hanomezana ireo fifandraisana manan-danja amin’ny Tompo sy amin’ny tsirairay ireo izay tena ilaina amin’ny fahatomombanantsika ara-batana, ara-pihetseham-po, ary ara-panahy. Misy hery lehibe ao anatin’ny firaisan-kina ary hatsarana ao anatin’ny fahasamihafana; ilaina avokoa ny rehetra ao amin’ny vatan’i Kristy (jereo ny 1 Korintiana 12:12–27). Tahaka ireo hazo andramena goavana izay mifamatotra ny fakany ary afaka mahatohitra ireo herin’ny zavaboary satria miara-mitsangana izy ireo, dia mila mampifandray ny sandrintsika sy miara-mitsangana ary mifankahery isika mandritra ireo tafio-drivotry ny fiainana.
Rehefa tena mianatra mamantatramarina ireo izay tsapantsika fa tsy mitovy amintsika isika, dia manjary haintsika fa manana zavatra iraisana mihoatra noho izay noeritreretintsika isika. Ny olona tsirairay dia manana anjara biriky betsaka azo entina, manana traikefa kanto sy maro karazana teo amin’ny fiainana izay afaka mitahy ny fiainantsika. Hanova ny fontsika ny fihainoana ny tantaran’ny hafa sy ny fikatsahana ny hahatakatra azy ireny, ary ny fitsarana sy ny tahotra izay mety ho nananantsika tamin’ny sasany dia mety ho voasolo ho fahatsapana fankasitrahana noho ny fananana azy ireo eo amin’ny fiainantsika.
Ny Tompo dia afaka manampy antsika hahita ny olona hafa tahaka ny fahitany azy ireo, ary afaka mameno ny fontsika amin’ny fitiavana Izy, manome fahafahana antsika hampitraka, hampionona, hiara-hihomehy, hiara-hitomany, ary hamporisika ireo manodidina antsika hahatsapa fiombonana amintsika. Hanampy antsika Izy hahafantatra ny zavatra ilaina sy ny fomba ahafahantsika ho fitahiana ho an’ny hafa eo amin’ny dian’izy ireo.
Mazava ho azy fa Iray ihany no afaka mahatakatra tanteraka sy mitsetra tanteraka. Tao anatin’ny sorona fanavotana nataony dia niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany Izy; … [mitondra] eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony” (Almà7:11) mba hahafahantsika mahazo antoka fa tsy irery velively isika.
Isika tsirairay avy dia nantsoina hitia sy hanompo ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy. Miara-miasa Aminy isika amin’ny fitahiana ny hafa, amin’izay samy afaka mahatsapa feno kokoa ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika izy ireo sy isika. Andeha isika hampifandray ny sandrintsika ary hifanatitra hody amim-pifaliana. Mijoro ho vavolombelona aho fa asa masina, izay niantsoana antsika rehetra, mba hataontsika izany.