2025
Ity no fanomezam-pahasoavana anananao
Janoary 2025


“Ity no fanomezam-pahasoavana anananao,” Liahona, janoary 2025.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ity no fanomezam-pahasoavana anananao

“Ry Ray any An-danitra,” hoy aho nivavaka, “inona no fanomezam-pahasoavana azoko kolokoloina ka hitahy ny zanakao?”

vehivavy mitsiky mijoro ao amin’ny Tabernakelin’i Salt Lake

Fony izy zatovovavy dia nahazo fitaomam-panahy i Yanina mba hahafantatra fa ny fihirana dia fanomezam-pahasoavana iray azony ampiasaina mba hitahiana ny hafa. Taty aoriana dia voafidy ho iray tamin’ireo mpikambana iraisam-pirenena izy mba hihira miaraka amin’ny Amboarampeon’ny Tabernakely nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany (sary nalaina tao amin’ny Tabernakelin’i Salt Lake).

Rehefa namangy an’i Équateur tamin’ny 1999 ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia henoko izy niteny hoe: Na inona na inona fanapahan-kevitrao hatao dia ataovy izay tsara indrindra vitanao.”

Fony aho mbola zaza dia nianatra aho fa Andriamanitra dia manome antsika fanomezam-pahasoavana izay mamela antsika hitahy ny hafa (jereo ny Môrônia 10:8–18). Nivavaka aho hoe: “Ry Ray any An-danitra ô, inona no fanomezam-pahasoavana azoko kolokoloina ka hitahy ny zanakao?”

Tamin’ny faha-16 taonako dia nanomboka nandalina ny fihirana aho araka ny famporisihana nataon’ny talen’ny conservatoire teo an-toerana. “Manga feo ianao,” hoy izy tamiko.

Rehefa nitehaka ny mpanatitra taorian’ny fihirana voalohany nataoko dia nisy andian-teny tonga mazava tsara tao an-tsaiko hoe: “Ity no fanomezam-pahasoavana anananao.” Nitomany aho satria voavaly ny vavaka nataoko. Mety ho sarotra anefa ny miaina toy ny mpahay mozika ao amin’ny fireneko. Saingy fantatro fa manomana lalana ny Tompo. Noho izany dia nanohy nandalina ny fihirana aho, nikatsaka ny ho lasa ilay tsara indrindra azoko ahatongavana.

Fony aho 19 taona dia nomena vatsim-pianarana mba handalina any ivelany. Tsy tanteraka anefa izany tranga fanararaotra sy ny mitovitovy aminy izany. Rehefa dinihina tokoa dia tian’ny Tompo hijanona tany Équateur aho.

Nilaza tamiko ny olona fa tsy manana hoavy ao anatin’ny hira aho satria tsy nandia fianarana avolenta tany ivelany na nanana harena sy anarana malaza. Saingy fantatro fa nanana drafitra ho ahy Andriamanitra, ka dia napetrako tamin’ny fanompoana tato am-piangonana ny talentako, izay toerana nananganako amboarampeo, sy nitarihako hira ary niezahako nanentana ny fanahin’ny hafa mba hampivelatra ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta nananany.

Taty aoriana, rehefa notolorana asa tao amin’ny fahitalavitra iray aho, dia niahiahy ny amin’ireo fakam-panahy mifandraika amin’ny fialam-boly. Saingy ny valin’ny vavaka nataoko dia hoe: “Ekeo ilay asa ary asehoy fa afaka ny ho mpanakanto ianao kanefa tsy manova ny fenitra arahinao.”

Izaho dia efa mpanampy eo amin’ny famokarana ara-javakanto tao amin’ny fahitalavitra iray, efa tale mpanampy tao amin’ny amboarampeo Symphonique an’i Guayaquil, ary ao anatin’ny mpitantana ny Tranon’ny Kolontsaina Ekoadoriana ho an’ny faritanin’i Guayas.

Mijoro ho vavolombelona aho fa azo atao ny manatanteraka ny nofinofintsika kanefa tsy manao sorona ireo fitsipika ananantsika. Ankehitriny dia fantatra manerana ny fireneko sy eo amin’ny asako ny anarako—noho ny fanolorantenako hiaina ny filazantsara sy hampitombo ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ny Ray any An-danitra ahy.

Rehefa mankatò ny sitrapon’ny Raintsika isika dia ho tanteraka ilay tsy azo tanterahina (jereo ny Matio 19:26). Fantatro fa tia antsika Izy ary te hanampy antsika hampitombo ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika mba hitahiana ny hafa.