2025
Feno fankasitrahana noho ny fahafahana miangona
Janoary 2025


“Feno fankasitrahana noho ny fahafahana miangona,” Liahona, janoary 2025.

Feno fankasitrahana noho ny fahafahana miangona

Enga anie isika ho feno fankasitrahana mandrakariva noho ny tombontsoa sy ny fahatokisana nomen’ny Tompo antsika rehefa miangona ao amin’ny Mpamonjy isika, sy miara-miangona amin’ny Olomasina, ary miangona ao amin’ny fanompoana Azy.

sarin’ny Mpamonjy

In Humility, Our Savior (Amim-panetren-tena, Tompo), nataon’i Jay Bryant Ward, tsy azo adika

Nandritra ny taona maro aho dia nanana famantaranandro fanao am-paosy tsara tarehy izay an’i Andrew C. Nelson raibeko fahiny, izay tsy mbola nihaona tamiko mihitsy. Maty izy fony 16 taona monja ny raiko.

Nandova ny famantaranandron’i Dadabe Nelson ny raiko. Rehefa nihalehibe aho dia nomeny ahy ilay famantaranandro. Noraisiko ho toy ny rohy azo tsapain-tanana amin’ny iray amin’ireo razambeko mahatoky izany.

Ny ray aman-drenin’i Dadabe Nelson, tahaka ireo ray aman-drenin’ny raibeko sy renibeko rehetra, dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Eorôpa fiavian’izy ireo. Ho feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ireo mpamaky lay mpialoha lalana ireo. Noho ny finoan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenan’izy ireo mba hiara-hivondrona amin’ireo Olomasina dia nankamamy ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izaho sy ny taranako.

Ny famantaranandron’i Dadabe Nelson dia nampahatsiahy ahy ny andraikitra lehibe nomena antsika Olomasin’ny Andro Farany mba hanangona ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny lafy roan’ny voaly. Nampahatsiahy ahy ihany koa ilay famantaranandrony fa ireo razambentsika dia miambina sy miandry antsika hamantatra azy ireo ary hanao izay hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo mba ho hangonina mandrakizay ao amin’ny valan’ny Ray.

Miangona ao amin’ny Mpamonjy

Miaraka amin’ireo Rahalahiko ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manambara izahay hoe: “Ity Fiangonana ity dia mifototra mafy orina amin’ny fiainana tonga lafatr’ilay fehizorony, dia i Jesoa Kristy, sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. … Manasa antsika rehetra Izy hanatona Azy sy ny Fiangonany, handray ny Fanahy Masina, sy ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary mba hahazo fifaliana maharitra.”

Satria mandroso amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny, dia “tsy hitovy amin’ny taloha intsony ny tany, tahaka ny -hanangonan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy- (Efesiana 1:10).”

Tafiditra ao anatin’ilay hoe “zavatra rehetra” ny ondriny. Ny Mpamonjy dia miantso antsika mba handao ny faharatsian’izao tontolo izao ary hiangona ao Aminy. Tiany ho fahazavana izay mamiratra sy mametraka fitsipika ho an’ny ambin’izao tontolo izao ny ondriny amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny fomba iainan’ny mpianatra marina, tafiditra ao anatin’izany ny fomba iainan’izy ireo fifaliana marina rehefa mampifantoka ny fiainany amin’ny Mpamonjy izy ireo.

Miangona ao amin’ny Mpamonjy isika rehefa manatona Azy (jereo ny Matio 11:28) amin’ny alalan’ny fampiharana finoana ho amin’ny fibebahana, ny fanekena ny batisa ho ao amin’ny Fiangonany, ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Miangona ao amin’ny Mpamonjy isika rehefa miaina ilay fanasitranana ara-panahy izay azo avy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, mijoro ho vavolombelona fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anarany, hahatsiaro Azy mandrakariva, ary hitandrina ny didiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).

Miangona ao amin’ny Mpamonjy isika rehefa mameno isan’andro ny fiainantsika amin’ny teniny sy ny fahamarinany, anisan’izany ireo fampianaran’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambarany.

Miangona ao amin’ny Mpamonjy isika rehefa manatsara ny fahafahantsika mandre Azy, sy miaina amim-pahamendrehana mba hahazo ny bitsiky ny Fanahy Masina.

Miangona ao amin’ny Mpamonjy isika rehefa manamafy orina ny fiovam-pontsika, mampitombo ny finoantsika, mampiorim-paka ny maha-mpianatra antsika, maka tahaka ny ohatra nasehony, ary miezaka ny ho lasa tsaratsara kokoa isan’andro.

Miangona ao amin’ny Mpamonjy isika rehefa manao fanekempihavanana masina sy mandray ireo ôrdônansy masina any amin’ny tempoly.

Miangona ao amin’ny Mpamonjy isika rehefa mampanoa ny tenantsika amim-paharetana sy herim-po “amin’ny zava- drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina [antsika]” (Môzià 3:19).

Farany dia miangona ao amin’ny Mpamonjy isika rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba Azy, manasa ny fianakaviantsika, ny namantsika ary ny mpifanolobodirindrina amintsika mba hiara-hivondrona amintsika ao amin’“ny fahazavana sy ny fiainana ary ny fanantenan’izao tontolo izao.”

Miara-miangona amin’ny Olomasina

Rehefa miara-mivondrona sy miray hina isika amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia miditra ao anatin’ny fiombonana sy ny finamanana. Mifanohana sy mifampianatra ary mifankahery isika. Miezaka, araka ny tenin’ny Mpamonjy, isika mba “ho iray” (Jaona17:21; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27) sy “hifankatia” (Jaona13:34).

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny fandehanana miangona dia manome antsika ny tanjaka sy fanatsarana ny finoana izay tonga avy amin’ny fiombonana amin’ny mpino hafa sy ny fiarahana mitsaoka amin’ireo izay miezaka koa ny hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ka ho lasa mpanaradia tsaratsara kokoa an’i Kristy.”

Ato am-piangonana isika dia mahita fialan-tsasatra sy fanavaozana ara-panahy. Mahita ôrdônansy sy fahefan’ny fisoronana isika mba hitantanana azy ireo. Mahita fahamarinana naverina tamin’ny laoniny sy fotopampianarana madio ary fanambarana ho an’ny tena manokana isika. Mahita sandry mivelatra sy fo mampionona ary feo mamporisika isika. Mahita fahafahana hiaina ireo didy roa lehibe isika (jereo ny Marka 12:30–31).

Nampitandrina antsika ny Tompo fa “mikambana ny fahavalo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:12). Mba hiarovana ny fianakaviantsika sy hanakanana ny fitaomana mitombo avy amin’i Satana dia lasa manan-danja kokoa ny fiarahantsika mitsaoka amin’ny maha-Olomasina.

“Ny firaisan-kina,” hoy i Joseph Smith mpaminany, “dia hery.”

Mangona ao amin’ny fanompoana Azy

Nilaza ihany koa ny Mpaminany Joseph hoe: “Ny andro dia mihazakazaka ho amin’ny fotoana hahatanterahan’ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra, izay efa naminanian’ny mpaminany masina rehetra, amin’ny fanangonana ho ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely mihitsy.” Ny iray amin’ireo izay naminany toy izany dia i Jeremia ao amin’ny Testamenta Taloha:

“Koa indro avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta;

“Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, izay nitondra ny zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra sy avy amin’ny tany rehetra izay efa nandroahany azy” (Jeremia 16:14–15).

Nanambara bebe kokoa ny Mpaminany Joseph hoe: “Isika no olona ankasitrahana izay nofinidin’ Andriamanitra mba hanatanteraka ny voninahitry ny Andro Farany … rehefa hangonina ho iray avy amin’ny firenena sy ny taranaka sy ny mponina ary ny fiteny rehetra ny Olomasin’ Andriamanitra.”

Mba hanatontosana izany asa izany dia “Izaho haniraka mpanjono maro, hoy Jehovah, Izay hanjono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato” (Jeremia 16:16).

Ry rahalahy sy anabavy, amin’ny maha-Isiraely mpanao fanekempihavanana amin’ny andro farany antsika—mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny—dia mpanjono sy mpihaza an’ny Tompo isika. Nantsoina isika hanangona ireo olom-boafidin’ny Tompo avy amin’ny tendrombohitra sy havoana ary ambanivohitra rehetra. Voantso isika hanome fahafahana ireo zanak’ Andriamanitra mba ho mpandova tanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy an’ireo zanany mahatoky. Izany no asa fanompoana lehibe indrindra azontsika atao.

Tanterahintsika izany fitarihana masina izany amin’ny alalan’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly—ny fizarana ny vaovao mahafalin’ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny hafa, ny fikarohana ireo razambentsika efa nodimandry, ary ny fanatanterahana ireo ôrdônansy isoloana tena ho azy ireo any amin’ny tempoly. Manatanteraka izany fitarihana izany koa isika rehefa mizara ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny asa fanompoantsika, ny ohatra asehontsika, ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, ary ny fanasana ataontsika amin’ny hafa mba hiombona amintsika.

“Mitarika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany ny Tompo,” hoy ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Mandeha eo anoloantsika Izy. Fantany tsara ny ho avy. Manasa anao ho amin’ilay asa Izy. Miaraka aminao ao amin’izany Izy.”

Tombontsoa sy fahatokisana

Inona no nitranga tamin’ilay famantaranandro fanao am-paosy an’i Dadabe Nelson? Taona vitsy lasa izay dia nomeko ny zanako lahy izany. Tahaka ny nitranga tamiko, io famantaranandro io ankehitriny dia mampifandray azy amin’ireo razambeny ary mampahatsiahy azy ny andraikiny amin’ny taranany.

Ary dia izany no mitohy. Ny taranaka tsirairay ao amin’ny fanekempihavanana dia mitondra ny asan’ny Tompo, manao ny anjarany amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Enga anie isika ho feno fankasitrahana mandrakariva noho ny tombontsoa sy ny fahatokisana nomen’ny Tompo antsika rehefa miangona ao amin’ny Mpamonjy isika, sy miara-miangona amin’ny Olomasina, ary miangona ao amin’ny fanompoana Azy.