“Ireo fitahiana avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny,” Liahona, jan. 2025.
Avia, hanaraka Ahy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1; Joseph Smith—Tantara 1:1–26
Ireo fitahiana avy amin’ny famerenana amin’ny laoniny
Nitahy ahy sy ny fianakaviako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ary mbola hitohy hitahy an’izao tontolo izao izany.
Sarin’ny efitrano famehezana ao amin’ny Tempolin’i Suva Fiji
Tamin’ny lohataonan’ny taona 1820 dia nisy zazalahy 14 taona nila valin-teny niditra tao amin’ny alakely iray. Naniry izy ny hahafantatra hoe iza amin’ireo fiangonana maro manodidina azy no tokony hidirany ho mpikambana. Rehefa nianatra tao amin’ny soratra masina izy fa “raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5), dia nankany amin’ilay alakely ilay zazalahy ary nanokatra ny fony tamin’ Andriamanitra. Rehefa nivavaka izy dia nisokatra ny lanitra.
Niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany ary namaly ny vavaka nataony (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:16–20). Izany tranga masina izany no niantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy. Tena nitahy ny fiainako izany fahalalana izany, saingy naharitra elaela aho vao nahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenako manokana.
Velona i Jesoa Kristy ary namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany Izy
Taona maro lasa izay dia nahatsapa ho nitovy be tamin’i Joseph tanora aho. Sahiran-tsaina aho noho ny “ady antsanga sy horakoraka teo amin’ny hevitra” (Joseph Smith—Tantara 1:10) avy tamin’ny fiangonana maro samihafa tao Fiji. Tamin’ny fotoana voalohany nihaonako tamin’ireo misiônera dia nanana fanontaniana maro be aho. Ny sasany dia nananihany fa mpianatra miadana aho satria nandany valo taona nanadihady ny Fiangonana. Nanomboka tamin’ny fahatakarana ny anaran’ny Fiangonana ny fiovam-poko.
Nanangana ny Fiangonany nandritra ny asa fanompoana teto an-tany i Jesoa. Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa very ny fotopampianarana sy ny fahefan’ny fisoronana tao amin’ny Fiangonany. Amin’izao androntsika izao dia naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ilay fiangonana izay naoriny fony Izy niaina teto an-tany (jereo ny Fanekem-pinoana 1:6). Nandidy koa izy tamin’ny alalan’ny fanambarana hoe: “Satria toa izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4).
Ny Fiangonana dia mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy satria Fiangonany izany! Taorian’ny valo taona dia nanakoako tao an-tsaiko sy tao am-poko io fahamarinana io. Natao batisa aho tamin’ny faha-27 taonako ary vetivety dia nantsoina ho mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy tao amin’ny paroasy sy mpampianatra seminera vao maraina. Nanohy nitombo hatrany ny fijoroako ho vavolombelona rehefa nandeha ny fotoana.
Mitohy ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny
Niova ny fiainako rehefa nampianatra seminera sy nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary nihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho. Nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy masina izay nampitony sy nankahery ary nitaona ny fanahiko ihany koa aho rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna—porofo azo tsapain-tanana iray sy fanehoana ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny antso maha-mpaminany an’i Joseph Smith.
Rehefa niantso an’i Joseph ny Tompo “ka niteny taminy avy tany an-danitra, ary nanome azy didy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17), dia nasehony fa Izy dia “mitaona ny olona am-panahy sy miantso azy ho amin’ny asany masina amin’ity taona sy taranaka ity,” ary “Andriamanitra tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay Izy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:11–12).
Ny Famerenana amin’ny laoniny izay nanomboka tamin’i Joseph dia mbola mitohy ankehitriny. Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia antsoina isika mba hiteny amin’ny anaran’ny Mpamonjy “mba ho afaka hitombo eto an-tany koa ny finoana,” ny “fanekempihavanany maharitra mandrakizay,” ary “Mba ho azon’ny malemy sy ny tsotra ambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao ny fahafenoan’ny filazantsara[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:21–23). Voatahy isika afaka manampy amin’ny fanorenana ny Fiangonana sy hanomana izao tontolo izao amin’izany andro hiverenan’i Jesoa Kristy izany.
Ny Loholona sy Rahavavy Wakolo (ankavanana lavitra) dia nandray fanafiana masina sy nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Nuku’alofa Tonga tamin’ny aogositra 1995, herintaona taorian’ny nidiran’ny Loholona Wakolo ho mpikamban’ny Fiangonana. Aseho eto miaraka amin’ny fiadidian’ny tempoly izy ireo.
Fankasitrahana noho ny Mpaminany Joseph
Herintaona taorian’ny batisako dia nandeha tany amin’ny Tempolin’i Nuku’alofa Tonga izaho sy i Anita vadiko mba hofehezina mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay. Nahatonga ny fandehanana tany amin’ny tempoly ho tena nanan-danja ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Famerenana amin’ny laoniny. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia tena midika ho ny zava-drehetra ho ahy! Feno fankasitrahana ny foko noho ireo fitahiana nentin’izany ho ahy sy ny fianakaviako.
Ireo fitahiana sarobidy ireo dia tonga teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’i “Joseph Smith, ilay Mpaminany sy Mpahitan’ny Tompo [izay] efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3). Tsy maintsy feno fankasitrahana mandrakariva isika—ary tsy hamery na oviana na oviana—ny zavatra nomena antsika tamin’ny alalan’ny mpaminanin’ity fotoampitantanana farany ity.
Amin’ny alalan’i Joseph dia mahatakatra isika ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Manana ny fisoronana sy ôrdônansy ary fanekempihavanana naverina tamin’ny laoniny isika. Ao amin’ny zavatra niainan’i Joseph tao amin’ilay Alakely Masina dia mianatra isika fa na dia talohan’ny nampahafantaran’ny Ray an’i Jesoa Kristy Zanany aza, dia niantso an’i Joseph tamin’ny anarany Izy (jereo Joseph Smith—Tantara 1:17). Fantany amin’ny anarantsika ihany koa isika. Ary tahaka ny nanokafany ny lanitra sy namaliany ilay vavaka tsotra sy avy amin’ny fo nataon’ny zazalahy 14 taona iray, dia hamaly ny vavaka ataontsika amin’ny sitrapony sy ny fombany ary ny fotoanany ihany koa Izy na firy taona na firy taona isika. Manakoako lalina ao anatin’ny fanahiko ireo fahamarinana ireo. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izy ireo.
Manantena aho fa olona manao ny tsara eto amin’izao tontolo izao. Raha toa izany olona izany aho dia nandray anjara betsaka tamin’izany i Joseph Smith. Tsy ho toy izao ny fiainako amin’izao fotoana izao, tsy ho lasa izao vady sy raim-pianakaviana izao aho, ary tsy ho faly tahaka ny maha-faly ahy izao aho raha tsy nisy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay nanoloran’ny Mpaminany Joseph Smith ny ainy mba ho tonga eo amin’izao tontolo izao. Manome ahy famirapiratana sy fanantenana ny filazantsara. Noho izany, dia ho feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ny Mpaminany Joseph.
Amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza
Mitondra Bokin’i Môrmôna iray aho na aiza na aiza alehako, manantena fa afaka hanome izany amin’ny olona iray ary hampahafantatra azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Nanolotra tahadika an-jatony manerana izao tontolo izao aho. Tiako ny mizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny, amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza.
Tena marina izany ho ahy rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona amin’ireo zanako miaraka amin’i Anita ao anatin’ny rindrin’ny tokantranonay izahay. Manao asa fitoriana any New York City, Etazonia amin’izao fotoana izao ny zanakay vavy. Nilaza taminy izahay hoe: “Mandehana ary mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpamonjy any amin’ny ilan’izao tontolo izao misy anao. Hanao toy izany koa i Neny sy i Dada aty amin’ny faritra misy anay eto an-tany.” Tianay ny mifampizara ny zava-bitanay amin’ny asa fanompoana. Ary ankehitriny dia manana zafikely iray efa-taona izahay. Ny fanantenana sy ny fanirian’ny foko dia ny hihainoany matetika sy hahatsiarovany tsy tapaka ny dadabeny mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.
Afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny isika rehetra—amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza—rehefa miaina fiainana faka tahaka amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika. Isika dia afaka mizara ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa Momba an’i Jesoa Kristy. Ary afaka mijoro ho vavolombelona isika fa i Jesoa Kristy dia namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsarany ary mitarika ny Fiangonana ankehitriny. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “mitosaka tsy tapaka avy any amin’ny Tompo ny fanambarana mandritra ity dingana mitohin’ny famerenana amin’ny laoniny ity.” Mijoro ho vavolombelona aho fa izany dia mitohy amin’ny alalan’ny fitohizan’ireo fanalahidin’ny fisoronana tsy mety tapaka hazonin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara izay manentana ny fanahy sy mitarika ary manampy antsika hamatotra ny tenantsika amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Izany no tenivavolombelona sy fijoroana ho vavolombelona ananako. Hozaraiko amim-pifaliana mandrakariva izany ary tsy hisalasalako na oviana na oviana.