“Vaovao mahafaly manambara fitiavana sy fifaliana”, Liahona, janoary 2025.
Vaovao mahafaly manambara fitiavana sy fifaliana
Ireo fitahiana avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia tokony hampahery sy hameno fankasitrahana ny fontsika noho ny fitiavana lehiben’ Andriamanitra.
Ny hafatra feno fanantenana sy fiadanana zaraintsika ho an’ny rehetra dia ny hoe velona i Jesoa Kristy ary namerina tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany amin’izao andro farany izao Izy.
“Tena be voninahitra saro-paritana erỳ ireo zavatra ireo ho an’ny olombelona!” hoy ny nambaran’i Joseph Smith Mpaminany. “Azo raisina marina tokoa ho tena vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe ho an’ny olon-drehetra izy ireny; ary vaovao mahafaly izay tokony hameno ny tany ihany koa sy hampahery ny fon’ny tsirairay avy rehefa mandre azy.”
Nandritra ny taonjato maro taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia nikatsaka Azy ireo zanak’ Andriamanitra ary naniry mafy ny hanana fahazavana sy fahamarinana misimisy kokoa. Ankehitriny ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny mitohy dia mandroso mba hitahiana ny olona rehetra sy hanomanana izao tontolo izao ho amin’ny andro izay hiverenan’i Jesoa Kristy “hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka sy hanjaka amin’ny maha-Tompon’ny Tompo Azy.” Izany dia fanehoana lalina ny fitiavana tsy manam-petran’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika. Faly aho fa afaka mandany ny androm-piainako manambara ireo fahamarinana ireo amin’izao tontolo izao.
Ilay tsy nampoizina sy ilay mahavariana
Andro vaovao iray no niposaka ho an’ny fianakavian’olombelona tao anatin’ny alakely iray, izay nisehoan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany ary niresahan’izy ireo tamin’i Joseph Smith ho valin’ny vavaka nataon’i Joseph zatovo momba ny fiangonana tokony hidirany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:14–20). Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa Kristy mba tsy hiditra ho mpikambana tao amin’ireo fiangonana rehetra. Nampanantena Izy fa hanambara amin’i Joseph amin’ny ho avy ny fahafenoan’ny filazantsarany.
Ho an’ny maro i Joseph dia toa tena tsy nampoizina ho antsoina hanao asa manan-danja toy izany mihitsy, ary marina ny fihevitr’izy ireo. Zazalahy kely tsy nandranto fianarana sy tsy nisy lanjany tamin’ny olona avy tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena kely iray tao anaty tanana lavitra andriana iray izy. Tahaka ny nolazain’ny sasany momba ny Mpamonjy tamin’ny androny hoe: “Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta?” (Jaona 1:46), maro no nanontany tena hoe inona no zava-tsoa mety hoentina zatovo vao 14 taona tsy nandranto fianarana tao Palmyra, New York. Saingy tamin’ny alalan’i Joseph, na dia tsy nampoizina toy ny ahoana aza ny nampanaovana azy izany, no handeha hanatanterahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo ilay tena mahavariana. Izany dia tokony hitondra fanantenana ho antsika fa afaka mandray anjara amin’ny fomba manan-danja amin’ny asan’ny Tompo ihany koa isika amin’ireo asa madinika sy feno fanetrentena ataontsika.
Rehefa nandeha ny fotoana dia niantso an’i Joseph ny Tompo “ary niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana1:17). Nandray fanambarana sarobidy sy fotopampianarana manan-danja i Joseph, izay nanavao ny fahatakarantsika ny drafitra feno fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavana manavotra avy amin’i Jesoa Kristy ary ny herin’ny sorompanavotany. Mahavariana fa ireo vaovao mahafaly ireo dia tonga tamin’ny fotoana indrindra izay nanomezan’ireo fivoarana lehibe tamin’ny lafiny fitaterana sy ny fifandraisana ary ireo sehatra hafa fahafahana ny fahazavan’ Andriamanitra hamirapiratra mba hihamaro hatrany ireo zanany mandray fitahiana avy amin’izany.
The Angel Moroni Delivering the Plates to Joseph Smith [Ny anjely Môrônia manolotra ireo takela-bolamena an’i Joseph Smith], nataon’i C. C. A. Christensen
Vavolombelona mahery vaika momba ny fitiavan’ Andriamanitra
Ny fisehoan’ny anjely Môrônia tamin’i Joseph Smith dia nilaina tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ary porofo mahery vaika momba ny fitiavan’ Andriamanitra. Nilaza tamin’i Joseph momba ny rakitsoratra iray i Môrônia, izay nosoratana teo amin’ny takela-bolamena, ary nalevina teo akaiky teo (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:33–34). Tamin’ny farany i Joseph dia nomena “hery avy any ambony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8) mba handikana izany rakitsoratra izany ho lasa ny Bokin’i Môrmôna, izay manan-danja tahaka ny Baiboly ary testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.
Ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mamaky momba ireo olona izay nahafantatra, an-jato taonany maro talohan’i Kristy, sy nilaza mialoha ny amin’ny fiaviany ary naniry mafy izany. Hitantsika ao ihany koa ilay tantara mahatalanjona momba ny fisehoan’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty sy ny asa fanompoany teo anivon’ny Nefita izay nanasany ny rehetra hanatona Azy sy hitsapa ny marika eo amin’ny lanivoany sy ireo diam-pantsika eo amin’ny tanany sy ny tongony (jereo ny 3 Nefia 11:14–15). Nositraniny ny marary, ny malemy, ny jamba, “ireo rehetra izay ory na manao ahoana na manao ahoana”, ary avy eo dia nitsodrano ireo ankizy madinika sy nivavaka ho azy ireo (jereo ny 3 Nefia 17:7–9, 21). Mianatra zavatra maro momba ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fangorahany isika avy amin’io tantara masina io.
Ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona fa “i Jesoa no Kristy.” Mamerimberina mampahatsiahy antsika ireo fanomezan-toky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa tia antsika mihoatra ny zavatra rehetra azontsika eritreretina ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika.
Ny fitahian’ny Fisoronana sy ny Fiangonana
Ny Famerenana amin’ny laoniny dia nitohy tamin’ny fisehoan’ireo iraka hafa avy any an-danitra tamin’i Joseph Smith. “Namerina tamin’ny laoniny ny fahefana hanaovana batisa asitrika ho famelana ny fahotana i Jaona Mpanao Batisa efa nitsangana tamin’ny maty. Namerina tamin’ny laoniny ny andraikitry ny apôstôly sy ireo fanalahidin’ny fahefan’ny fisoronana ny telo tamin’ireo Apôstôly roa ambin’ny voalohany, dia i Petera, sy i Jakôba, ary i Jaona. Nisy hafa tonga ihany koa, anisan’izany i Elia, izay namerina tamin’ny laoniny ny fahefana hampitambarana mandrakizay ny fianakaviana ao anatin’ny fifandraisana maharitra mandrakizay izay manan-kery any ankoatry ny fahafatesana.”
Tamin’ny 6 aprily 1830, i Jesoa Kristy dia nanangana fiangonana iray tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph izay nanaraka ny lamin’ny fiangonana naoriny tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao (jereo ny Fanekem-pinoana 1:6), feno tamin’ny “fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:20). Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho An’Ny Olomasin’Ny Andro Farany dia mahatonga ireo fitahian’ny herin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny ho azo sitrahan’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra izay manomana ny tenany handray izany.
Araka ny nampianarin’i Filoha Russell M. Nelson antsika dia afaka mahita fifaliana amin’ny fibebahana isan’andro isika rehefa mitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika. Ho an’ireo izay mahatsapa ho kivy na tsy mahay na tsy manan-toerana: asaina ny rehetra hanatona an’i Kristy sy ny Fiangonany. Ny Fiangonana dia tsy toerana natao ho an’ny tonga lafatra fa hôpitaly kosa ho an’ny marary. Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mampahatsiahy antsika fa “tsy hoe ny hanafina ny olantsika no ahatongavantsika aty am-piangonana fa ny hanasitrana azy ireny.”
Any am-piangonana isika dia mahita fifaliana amin’ny fahafahana hihevitra ny zavatra ilain’ny hafa, hanompo ny hafa amim-pitiavana, ary hizara ny zavatra niainantsika manokana amin’ny fahafenoan’ny hatsaram-pon’i Kristy. Azo “[raisina] ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy” isika ary “[hotsarovana sy hofahanana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4). Fitahiana lehibe erỳ izany!
Anton’ny fifaliana lehibe
Nilaza izao ny Mpaminany Joseph Smith indray mandeha: “Ankehitriny, inona no rentsika ao amin’ny filazantsara izay efa noraisintsika? Feon’ny fifaliana! Feon’ny famindram-po avy any an-danitra; ary feon’ny fahamarinana avy ao amin’ny tany; vaovao mahafaly ho an’ny maty; ny feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty; vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19
Tonga ireo vaovao mahafaly ireo satria tia antsika antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany malalany ary maniry, mihoatra noho ny zavatra rehetra, ny handray antsika an-tanan-droa hiverina eo anatrehany, mba hananantsika mandrakizay ilay karazana fiainana iainan’Izy Ireo. Ny Famerenana amin’ny laoniny dia manambara fa nanao izay rehetra ilaina Izy ireo mba ho zavatra feno voninahitra azo tanterahina izany ho antsika rehetra. Mandritra ny diantsika mandrakizay dia hiaina fitsapana sy fahasarotana isika, saingy “misy [isika] mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25) eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy. Nahafantatra izany tsara kokoa noho ny fahafantaran’ny hafa izany ny Mpaminany Joseph.
Niatrika fanoherana sy fanenjehana matetika i Joseph, kanefa notazoniny ny “toetra[ny] falifaly ho azy” (Joseph Smith—Tantara 1:28). Nijanona ho faly sy natanjaka sy tsy voahozongozona izy, ary nahavita ilay asa mahatalanjona nomena azy mba hataony. Manome voninahitra an’ireo Olomasina tany am-piandohana rehetra aho izay nino sy nanohana ary nanaraka ny Mpaminany Joseph Smith sy nanokan-tena ho amin’ny fananganana ny Fiangonana. Tokony haneho fankasitrahana sy fanajana ho azy ireo isika.
Somary tsy nampahazo aina sy nanjavozavo ny zavatra niainana tany am-piandohan’ny Fiangonana, ary mety tsy mampahazo aina sy manjavozavo ny amin’izao fotoana izao. Saingy mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny. Hanohy hitarika antsika ireo mpaminany velona miaraka amin’i Jesoa Kristy izay mitarika ity Fiangonana ity. Mbola haorina hatrany ireo tranon’ny Tompo, mba hamatoran’ny fitahian’ny fanekempihavanana mandrakizay amin’ Andriamanitra antsika Aminy sy amin’ireo olona akaiky ny fontsika eo amin’ny lafy roan’ny voaly (jereo ny Matio 16:19). Ny fitiavan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy dia hiely manerana izao tontolo izao rehefa manaraka ny didin’ny Mpamonjy isika mba hamahana ny ondriny sy hizara ny filazantsarany. Ho vavolombelon’ny fandrosoan’ireo fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny fomba sy any amin’ny toerana izay mbola tsy azo eritreretina tamin’ny andron’i Joseph isika.
Afaka mahazo tanjaka sy fifaliana lehibe isika, tahaka ny Mpaminany Joseph, rehefa manaiky sy miaina ireo fahamarinana sarobidy ireo. Ilay antso nataon’i Joseph tamin’ireo Olomasina tamin’ny androny dia mitohy amintsika ankehitriny hoe: “Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza. … dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena! Aoka hiravoravo ny fonareo ka hifaly fatratra tokoa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22).
Enga anie ny vaovao mahafaly manambara fitiavana sy fifaliana izay entin’ny Famerenana amin’ny laoniny hitahy sy hitarika ny fiainantsika, amin’izao fotoana izao sy mandrakariva.