2025
I Ann sy i Newel Whitney sy ny lalan’ny fanekempihavanana
Janoary 2025


“I Ann sy i Newel Whitney sy ny lalan’ny fanekempihavanana,” Liahôna, jan 2025.

I Ann sy i Newel Whitney sy ny lalan’ny fanekempihavanana

Tahaka an’i Ann sy i Newel Whitney, isika koa dia mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny fibebahana, fanompoana, fanaovana sorona, ary fifaliana eny an-dalana.

Ny fivarotan’i Whitney tao Kirtland

Ny fivarotan’i Whitney tao Kirtland (izay naseho teto tamin’ny taona 1907) dia namolavola ny ankamaroan’ny fitombon’ny Fiangonana tao Ohio sy Missouri tamin’ny taona 1830.

Sary nalain’i George Edward Anderson, 1907

Rehefa nifindra tany Ohio i Elizabeth Ann Smith izay 18 taona dia nihaona tamin’ny mpahay raharaham-barotra tsara tarehy iray nantsoina hoe Newel K. Whitney izy. Nofariparitany ho “tovolahy iray [izay] nivoaka tany Andrefana mba -hitady ny harenany- izy. Nahay nitsitsy sy natanjaka izy, ary nahangona fananana haingana kokoa noho ny ankamaroan’ireo … mpiara-miombon’antoka taminy,” Nifanambady izy ireo tamin’ny ôktôbra 1822 ary “mpivady faly, niaraka tamin’ny fahombiazana mamiratra tamin’ny tsena.”

Nipetraka tao Kirtland, Ohio izy ireo, izay toerana nitantanan’i Newel orinasa fanakalozana nahomby.

Afaka mahita ny lamin’ny Tompo amin’ireo zanany isika amin’ny alalan’ny fandinihana ny zavatra niainan-dry Whitney sy ny maro hafa. Ohatra, afaka mahita ny fomba nahafantaran’izy ireo ny Mpamonjy sy ny fomba nanampiany azy ireo hahita ny tenany ho zanaky ny fanekempihavanana isika. Ny fahafantarana momba azy ireo dia manome hevi-baovao lalina kokoa mikasika ireo fanambaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Miomana handray ny tenin’ny Tompo

Nisafidy ny hitaiza azy tsy nisy fivavahana ny ray aman-drenin’i Ann. Nanana fomba fisainana mpandraharaha i Newel. Saingy rehefa nanangana trano tao Kirtland izy ireo dia nahatsapa zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainan’izy ireo i Ann. Nanomboka nitady fiangonana iray izay nanaraka ny filazantsara araka ny nampianarin’i Jesoa Kristy tao amin’ny Testamenta Vaovao izy ireo. Nandritra ny fotoana fohy dia niara-nitsaoka tamin’ireo mpianatr’i Kristy notarihin’i Alexander Campbell izy ireo.

“Indray alina,” hoy i Ann nitantara, “… raha nivavaka tao an-tranonay tao Kirtland izaho sy ny vadiko, dia nangataka tamin’ny Ray izay mba hampisehoana ny lalana, ka nitoetra teo aminay ny Fanahy ary nisy rahona nanaloka ny trano. … Nisy fahatalanjonana lehibe nanenika anay. … Dia naheno feo … izahay nanao hoe: -Miomana handray ny tenin’ ny Tompo fa ho avy izany.-”

Tany New York, an-jatony kilaometatra maro lavitra, dia niteny tamin’i Joseph Smith ny Tompo mba handefa misiônera hitory ny filazantsara. Rehefa nitory tao Kirtland ireo misiônera ireo—izay notarihin’i Oliver Cowdery sy i Parley P. Pratt— dia nihaino i Ann ka nanoratra taty aoriana hoe: “Fantatro fa feon’ilay Mpiandry Tsara izany.” Ny tenivavolombelon’ireo misiônera, sy ireo mpino hafa tahaka an’i Lucy sy i Isaac Morley, ary ny tena manan-danja indrindra dia ny Fanahy Masina no nitarika azy ireo hanao fanekempihavanana masina. Natao batisa tamin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny nôvambra 1830 i Ann sy i Newel.

I Newel Whitney sy i Joseph Smith

Rehefa tonga tao Kirtland tamin’ny 1831 i Joseph Smith dia nampahafantatra ny tenany tamin’i Newel izy nanao hoe: “Izaho no Joseph, ilay Mpaminany. … Nivavaka ny hahatongavako eto ianao.”

Sary nataon’i Paul Mann

Mihaona amin’ny Mpaminany Joseph

Ny fanambarana iray hafa dia nilaza tamin’ny Olomasina mba “handeha any Ohio,” izay handraisan’izy ireo “fitahiana toy izay mbola tsy fahita teo anivon’ny zanak’olombelona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:14–15; jereo koa ny 37:1).

Tonga tao Kirtland i Joseph sy i Emma Smith tamin’ny febroary 1831, ary noraisin’i Newel sy i Ann tao an-tranony izy ireo nandritra ny iray volana. Valo ambin’ny folo volana taty aoriana dia nanolotra trano ho an’i Joseph sy i Emma tao amin’ny trano fivarotany namboamboarina indray izy ireo.

Nanomboka nahita sary mazava kokoa momba ny fiiziny mandrakizay ry Whitney. Taty aoriana tamin’io taona io dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph ny Tompo fa i Newel dia tokony ho eveka ao Kirtland. “Toa tsy mahita ny tenako ho Eveka aho, ry Rahalahy Joseph. Kanefa raha miteny ianao hoe izay no sitrapon’ny Tompo dia hiezaka aho” hoy i Newel.

Namaly i Joseph hoe: “Tsy mila mandray ny teniko irery ianao. Mandehana ary anontanio ny Ray ho an’ny tenanao.”

Rehefa avy nivavaka i Newel dia nandre feo avy any an-danitra niteny hoe: “Ato amiko ny herinao.”

Vanim-potoana nitomboan’i Newel sy i Ann izany rehefa niara-niasa izy ireo mba hitandrina ny fanekempihavanany. Nanoratra mikasika ny fomba iray nanompoan’izy ireo ny hafa i Ann:

“Araka ny lamin’ny Mpamonjy antsika … , dia nanapa-kevitra izahay ny hanao Firavoravoana ho an’ny Mahantra … ; ny malemy, ny marenina, ny jamba, ny antitra sy ny kilemaina.

“Naharitra telo andro io fanasana io, izay nanasana ny olona rehetra tao amin’ny faritr’i Kirtland. … Ho ahy dia “fanasana amin’ny zavatra matavy” tokoa izany [Isaia 25:6]; vanim-potoan’ny fifaliana tsy ho adinoina na oviana na oviana.”

Taty aoriana dia nanao asa fitoriana niaraka tamin’i Joseph Smith i Newel ary mpiara-miasa tao amin’ny Orinasa Miray, vondrona fandraharahana nijerena ny zavatra ilain’ny Olomasina. Namatsy ny ankamaroan’ny fivoaran’ny Fiangonana tao Kirtland sy Missouri ny raharaha avy tao amin’io tsenany io, ary nanompo ny Fiangonana tamin’ny fomba maro hafa izy. Ny tena manan-danja indrindra angamba dia nanan-janaka 14 i Ann sy i Newel ary nahalehibe ny 10 tamin’ireo.

Nivory ny hafa mba hanangana ireo tsatòkan’i Ziona. Ny fianakaviana Kimball, Youngs, Crosby, Tippet, ary ny maro hafa dia niezaka nampifantoka ny fiainan’izy ireo tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Samy nitondra hery sy talenta manokana izy ireo. Ireo fanambarana tany am-piandohana dia nitarika sy nanitsy ary nanome toky azy ireo sy nitarika ny Fiangonana nivelatra.

Manangana ny Tranon’ny Tompo

Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana, eo amin’ny lafiny iraisana sy ho an’ny isam-batan’olona, ny fandraisana ny fanafiana masina nampanantenaina dia ivon’ny ezaka ara-nofo sy ara-panahin’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32).

Namerimberina nandidy ny hananganana tempoly tao Kirtland sy Missouri ny Tompo. Tao Kirtland dia nahomby ny Olomasina tamin’ny ezaka feno herim-po mba hananganana trano iray miavaka. Izany no ezaka tsara indrindra vitan’izy ireo hanorenana zavatra mendrika an’i Jesoa Kristy Tompo. Mbola mijoro ny tempoly ankehitriny. Ampahany manan-danja tamin’ny toe-karena tao Kirtland izay nanohana ny tetikasan’ny tempoly ny trano fivarotan-dry Newel, niaraka tamin’ny mpanodina lavenona teo akaiky teo.

Tamin’ny taona 1836 dia niseho tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy ary nanaiky ny ezaka nataon’izy ireo. Nampanantena Izy fa ny vahoakany dia “hifaly fatratra tokoa noho ny fitahiana izay harotsaka sy ny fanafiana masina izay efa nanafiana ny mpanompoko tao amin’ity trano ity.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:9). Avy eo i Mosesy sy i Elià ary i Elisa dia tonga ary nanome fanalahidy manan-danja ho an’ny fotoampitantanana farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16).

Newel Whitney fony zatovolahy

Fanehoana an-tsary tsy fantatra daty an’i Newel K. Whitney fony izy zatovolahy

Fanenjehana sy fiahiahiana araka izao tontolo izao

Hisedra ny Olomasina ireo andro ho avy, anisan’izany ny fianakaviana Whitney. Maro ireo nivadika tamin’ny Fiangonana sy ny Mpaminany tao anatin’ny fihemorana ara-toekarena sy olana teo amin’ny banky nanerana ny firenena manontolo. Nisalasala i Newel raha nodidiana hifindra tany Missouri. Nanome ny ainy tao amin’ny trano fivarotany tao Kirtland izy. Ny ankamaroan’ny harena nentin’izany dia nanohana ny Fiangonana. Ahoana no ahafahany mandeha fotsiny?

Nofaizin’ny Tompo izy noho ny fifantohany be loatra tamin’ny zavatr’izao tontolo izao sy ny “fahakelezan’ny fanahiny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:11). Nibebaka sy nankatò i Newel. Nanorim-ponenana tao Nauvoo Illinois izy, ka nanohy nanompo tamin’ny naha-eveka azy ary taty aoriana tamin’ny naha-Eveka Mpiahy azy.

Ôrdônansin’ny tempoly

Tao Nauvoo, dia ivon’ny zavatra ara-nofo sy ara-panahy indray ny tempoly. Rehefa nanomboka nitsangana ny rindrin’ny tempoly dia nanangana ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo. I Emma Smith no filoha voalohany, ary i Sarah Cleveland sy i Ann Whitney no mpanolotsainy. Nomen’i Emma andraikitra manan-danja i Ann ka nangatahiny izy mba hitarika ilay fikambanana rehefa tsy teo izy.

Nanohy nanambara ireo ôrdônansin’ny tempoly tamin’ny Mpaminany ny Tompo. Tamin’ny taona 1842, raha tsy mbola vita ny Tempolin’i Nauvoo, i Joseph Smith sy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, anisan’izany i Newel, dia nivory tao amin’ny rihana ambony tao amin’ny Trano Biriky fivarotany ary nanatanteraka ny ôrdônansin’ny fanafiana masina. Rehefa natokana ny ampahany tamin’ny tempoly, ny efitra ambanin’ny tafo, dia samy nanatanteraka ny fanafiana masina ho an’ireo Olomasina hafa i Ann sy i Newel talohan’ny nandehanan’izy ireo ho any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.

Teny amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia nikatsaka ny Mpamonjy i Ann sy i Newel, nibebaka, nanompo tamin’ny fo manontolo, nanokana, nahafoy tena, ary nifaly. Lasa nahafantatra an’i Jesoa Kristy izy ireo ary nihevitra ny tenany ho zanaky ny fanekempihavanana. An-tapitrisany no nanaraka izany lamina izany taorian’izy ireo, mba hanao sy hiaina ireo fanekempihavanana masina ary hanorina ny fanjakan’ny Tompo. Ny ezaka mba hahafantarana ny tantaran’izy ireo dia manampy antsika mandritra ny fotoanan’ny fahamorana sy ny fitsapana lalovantsika.

I Ann Whitney taty aoriana teo amin’ny fiainany

Sarin’i Ann Whitney taty aoriana teo amin’ny fiainany

Rehefa akaiky hifarana ny fiainany dia nanoratra i Ann hoe: “Ny mahatsapa fa nandray hevi-baovao kely momba ny tanjon’ Andriamanitra ianao tamin’ny nahariana anao … moa ve tsapanao fa ireo zavatra ireo dia mendrika ny hiainana sy mendrika hiaretana? Moa ve hisy fahafoizan-tena lehibe loatra … raha manaraka ny dian-tongotry ny Mpampianatra antsika isika?”

Fanamarihana

  1. Elizabeth Ann Whitney, “A Leaf from an Autobiography,” Woman’s Exponent, Aug. 15, 1878, 41.

  2. Jereo Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizay” (lahateny nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany, 15 mey 2022), Médiathèque de l’Évangile; jereo koa Russell M. Nelson, “Identity, Priority, and Blessings,” Ensign, Aug. 2001, 6–12.

  3. Elizabeth Ann Whitney, in Orson F. Whitney, “Newel K. Whitney,” Contributor, Jan. 1885, 125; jereo ihany koa ny Ny Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018), 111.

  4. Elizabeth Ann Whitney, “A Leaf from an Autobiography,” Woman’s Exponent, Sept. 1, 1878, 51.

  5. Nantsoina hoe “Ny Fiangonan’i Kristy” tamin’izany fotoana izany.

  6. Jereo ny Orson F. Whitney, “Newel K. Whitney,” 126.

  7. Jereo ny Mark Lyman Staker, Hearken, O Ye People: The Historical Setting for Joseph Smith’s Ohio Revelations (2009), 245.

  8. Elizabeth Ann Whitney, “A Leaf from an Autobiography,” Woman’s Exponent, Oct. 1, 1878, 71; Nov. 1, 1878, 83.

  9. Jereo ny Staker, Hearken, O Ye People, 535–37.

  10. Jereo ny Steven C. Harper, Making Sense of the Doctrine and Covenants (2008), 431–32.

  11. Jereo ny Olomasina, 1:496.

  12. Jereo ny Olomasina, 1:453; Joseph Smith, “Journal, December 1841–December 1842,” May 4, 1842, 94, josephsmithpapers.org.

  13. Jereo ny Olomasina, 1:579; Church History Topics, “Anointed Quorum (‘Holy Order’),” Médiathèque de l’Evangile.

  14. Elizabeth Ann Whitney, “A Leaf from an Autobiography,” Woman’s Exponent, 1 Aog. 1878, 33.