“Ireo fitahiana tamin’ny taona 1836 sy ireo fahasarotana tamin’ny 1837,” Liahona, jan. 2025.
Ireo fitahiana tamin’ny taona 1836 sy ireo fahasarotana tamin’ny taona 1837
Ny fahatsiarovana ireo zavatra tsara ara-panahy nisongadina niainantsika dia mampahatsiahy antsika fa amin’ny farany isika dia ho afaka amin’ireo toe-javatra ratsy misy antsika.
Ao anatin’ny Tempolin’i Kirtland
Sary nalain’i George Edward Anderson, 1907
Tamin’ny martsa 2024 dia nanaiky ny fitantanana masin’ny fananana ny Tempolin’i Kirtland avy tamin’ny Community of Christ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany tempoly izany dia toerana miavaka, izay tsy niova firy hatramin’ny fanokanana azy tamin’ny 1836. Tamin’ny Alahadin’ny Paska, 3 aprily 1836 dia neken’i Jesoa Kristy ho tranony izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110). Ao amin’io tempoly io isika dia afaka mahatsapa ny fanatrehany sy maka sary ao an-tsaintsika ny toerana nijoroany.
Ny Tempolin’i Kirtland dia manana lesona maromaro ho an’ny fiainantsika ankehitriny, ary ny sasany amin’izany dia azontsika ianarana amin’ny alalan’ny fieritreretana momba ireo zava-nitranga tamin’ny taona 1836 sy 1837.
Ireo zavatra nisongadina ara-panahy tamin’ny taona 1836
Tamin’ny volana janoary 1836, rehefa akaiky ny fahavitan’ny tempoly, dia nanomboka niaina ireo fitahiana ara-panahy avy amin’ny tempoly teo anivon’izy ireo ny Olomasina. Nampanantenaina izy ireo fa hotafiana hery ao amin’ny Tempolin’i Kirtland (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32, 38). Io fampanantenana io dia nitovitovy tamin’ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’ireo Apôstôliny tao Jerosalema ao amin’ny Testamenta Vaovao. Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nilaza tamin’izy ireo Izy fa tsy tokony handeha hitory izy ireo raha tsy efa nandray ny fanafiana masina tamin’ny “hery avy any ambony” (Lioka 24:49). Avy eo, tamin’ny andron’ny Pentekôsta dia nandray izany hery izany ireo Apôstôliny rehefa nidina teo amin’izy ireo toy ny “rivotra mahery” ny Fanahy. … “Ary samy feno Fanahy Masina izy rehetra ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa” (Asan’ny Apôstôly 2:2, 4).
Tamin’ny janoary 1836 dia nivory niaraka tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana i Joseph Smith mba hivavaka sy hifampitsondrano ary hitarika ny raharahan’ny Fiangonana. Rehefa avy nitsodrano ny Mpaminany Joseph izy ireo dia nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy izy. Hitany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, i Adama sy i Abrahama, ireo ray aman-dreniny (mbola velona), ary i Alvin zokiny lahy izay maty tsy vita batisa. Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nanambara ny Tompo fa “ireo rehetra izay efa maty tsy nanana fahalalana ity filazantsara ity, izay ho nandray izany raha navela hitoetra, dia ho mpandova ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7).
Roa volana taty aoriana, tamin’ny 27 martsa 1836 dia nibosesika tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ireo Olomasina noho ny fanokanana izany. Nihainoin’izy ireo ny vavaka fanokanana nataon’i Joseph, izay nangatahany tamin’ny Ray any An-danitra mba hanaiky ny Tempolin’i Kirtland ho toerana izay “hananan’ny Mpamonjy … toerana hanehoany ny tenany amin’ny vahoakany” (Fotopampianarana syFanekempihavanana 109:5). Nihira ny “Fanahin’ny Ray” ny Olomasina nifanisika tao anatin’izany toerana masina izany. Nihiaka tamin’ny feo iray izy ireo nanao hoe: “Hosana! Hosana! Hôsana, hôsana, ho an’Ilay Ray [sy ny Zanakondry]!”
Niaina fitahiana ara-panahy izy ireo tamin’ny fanokanana sy nandritra ny herinandro nanaraka. Nifady hanina, nivavaka, nandray ny fanasan’ny Tompo, nifanasa tongotra, ary nahita fahitana izy ireo. Nahatsapa ho nahazo hery handeha sy hitory ny filazantsara izy ireo. Notafiana tamin-kery avy any ambony izy ireo.
Saingy tsy nifarana ireo fisehoana ara-panahy. Tamin’ny 3 aprily 1836 dia niseho tamin’ny roa tamin’ireo mpanompony ny Mpamonjy. “Nesorina hiala ny sainay ny voaly ary nosokafana ny mason’ny fahatakaranay,” hoy i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. “Nahita ny Tompo nijoro teo ambonin’ny arofanin’ny polipitra teo anoloanay izahay … nanao hoe: Izaho no voalohany sy farany. Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina. Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ny Ray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–4).
Taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy dia niseho tamin’i Joseph sy i Oliver i Mosesy sy i Elisa ary i Elia ary nanolotra azy ireo ireo fanalahidy izay hahafahan’izy ireo mitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanangona an’i Isiraely, hitahy ny tany amin’ny Fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama, ary hamehy ny fianakaviana (jereo ny andininy 11–16).
Ireo fanamby tamin’ny taona 1837
Saingy tsy mifarana amin’ireo fisehoana mahatalanjona ireo ny tantaran’i Kirtland. Herintaona taorian’ny fanokanana ny tempoly dia nisamboaravoara ny fiarahamonina. Nisy olana ara-toekarena iraisam-pirenena izay nitarika tamin’ny tsy fananan’asa tany Etazonia. Tsy nahomby ny banky nanerana ny firenena, anisan’izany ny banky kely naorin’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Kirtland mba hampiroboroboana ny fiarahamonina. Niezaka fatratra ny hanavotra ny toe-karenan’ny fiarahamonina i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Saingy be loatra ny velaran’ilay olana ara-toekarena maneran-tany. Nanomboka very asa sy trano ny olona. Maro no nanomboka nimonomonona tamin’ Andriamanitra sy ny Fiangonana. Nahoana no navelan’ny Tompo tsy hahomby ara-toe-karena ny vahoakany? Nanomboka nibitsibitsika ny sasany ary avy eo nanambara fa mpaminany lavo i Joseph.
Nandritra ny fivoriana iray tamin’ny fahavaratry ny taona 1837 tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, i Joseph Smith Rainy, izay patriarikan’ny Fiangonana, dia niresaka teo amin’ny toeran’ny zanany lahy izay tsy nanatrika teo. Rehefa niteny izy dia niezaka nisintona azy hiala teo amin’ny polipitra ny mpikomy iray. Rehefa niaro ny rainy i William Smith dia nandrahona ny hamono an’i William niaraka tamin’ny sabatra ny Apôstôly iray. Nisy lehilahy hafa niaraka tamin’ny antsy sy ny basy poleta nanodidina an’i William. Ny tempoly, izay toeran’ny fahamasinana sy ny fiainam-panahy herintaona talohan’izay, dia lasa toeran’ny herisetra sy fisafotofotoana ary korontana ankehitriny.
Rehefa niverina tao Kirtland i Joseph Smith dia nanohana azy ho mpaminany ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny Fiangonana, saingy nisy Apôstôly telo nesorina tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Nivadika ho olana ara-panahy ireo olana ara-toekarena. Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia niteny tamin’i Joseph ny Tompo mba handao an’i Kirtland mba ho fiarovana ny fianakaviany sy ny ainy manokana.
Nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahasarotana tamin’izany fotoana izany ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Nandefa taratasy ho an’ny vadiny i Vilate Kimball, vadin’i Heber C. Kimball Apôstôly, izay iray tamin’ireo misiônera voalohany nanompo tany Angletera tamin’izany fotoana izany. “Tsy manana fisalasalana aho fa hampanaintaina ny fonao izany,” hoy izy nanoratra tamin’i Heber, nilaza taminy momba ireo mpikomy. “Izy ireo dia manambara fa mino ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa amin’ny asa no handavan’izy ireo izany.”
Fantatr’i Vilate fa tsy tonga lafatra i Joseph. Nanao fahadisoana tao anatin’ny olana ara-toekarena tao Kirtland izy. Ary nanohy nitia ny maro tamin’ireo mpikomy izy. Saingy nahita lesona lalina kokoa izy tao anatin’ireo zava-nitranga tamin’ny 1837: “Hoy ny Tompo: izay tsy afaka miaritra famaizana fa mandà ahy kosa dia tsy azo hamasinina.”
Tao anatin’io taratasy io ihany i Marinda Hyde dia nanampy soratra ho an’i Orson vadiny, izay Apôstôly nanompo tany Angletera ihany koa. Ny zokin’i Marinda dia iray tamin’ireo Apôstôly izay nandao ny Fiangonana. “Ny fotoana toy izany tao Kirtland izany dia tsy mbola hitantsika ankehitriny, satria toa efa lasana avokoa ny fifampitokisan’ny rehetra,” hoy ny nosoratany.
Ireo lesona tamin’ny 1836–37
Nahoana no tsaroana ny loza nitranga tamin’ny 1837 fa tsy ny fandresena ny taona 1836 fotsiny? Satria tsy azo sarahana mihitsy izy roa ireo, mazava ho azy. Toy izany koa ny eo amin’ny fiainantsika manokana. Andriamanitra dia manome antsika rehetra ny vanim-potoanan’ireo fitahiana ara-panahy, fotoana izay hiresahany amin’ny fanahintsika sy hitarihany antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Omeny antsika ireo fotoanan’ny fitoniana, fotoana izay ananantsika ny ampy sy hitehirizantsika, fotoana izay mahasalama sy faly ny fianakaviantsika, fotoana izay hananantsika namana akaiky sy hifanerasera amintsika. Miaina ao anatin’ny fotoana izay mitovy amin’ny taona 1836 isika rehetra.
Saingy tsy nampanantena velively Andriamanitra fa hiaina 1836 fotsiny isika. Ho antsika tsirairay avy dia tonga ny taona 1837. Tonga miaraka amin’ny fikorontanana ara-toekarena izany, rehefa miahiahy ny amin’izay hiavian’ny vola isika. Tonga miaraka amin’ny fikorontanana an’ny tena manokana izany, rehefa mijaly noho ny aretina tampoka, ny aretina mitaiza, ny fahaketrahana, na ny tebiteby ny fianakaviantsika. Tonga miaraka amin’ny fikorontanana ara-piarahamonina izany, rehefa miala na mamadika antsika ireo namantsika.
Raha tsy tsaroantsika ireo zavatra niainantsika tamin’ny 1836—ny fotoana izay nahatsapantsika ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika—ny 1837 dia mety hitondra fikorontanana ara-panahy. Mety haka fanahy antsika izany hiteny hoe: “Tsy mahasoa izany.” Afaka maka fanahy antsika izany hiteny hoe: “Tsy tia ahy Andriamanitra.” Mety haka fanahy antsika izany hiteny hoe: “tsy mpaminany i Joseph Smith ” na “Tsy mpaminanin’ Andriamanitra ny Filoha Nelson.” Mety haka fanahy antsika izany hiteny hoe: “Tsy natao ho ahy ny lalan’ny fanekempihavanana.”
Saingy raha ataontsika ny asa ara-panahy amin’ny fahatsiarovana sy fitoerana ara-panahy amin’ny 1836, na dia miaina ireo fitsapana tamin’ny taona 1837 aza isika, dia mbola afaka ny ho miorina mafy ao amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika, mbola afaka mahafantatra isika fa tia antsika Andriamanitra, ary mbola afaka mahafantatra isika fa tena misy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ary ny Tompo dia mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo mpanompo nofinidiny.