“Mametraka fanontaniana, mitady valiny: Ilay lamina arahina napetrak’i Joseph Smith,” Liahona, jan. 2025.
Avia, hanaraka Ahy
Mametraka fanontaniana, mitady valiny: Ilay lamina arahina napetrak’i Joseph Smith
A Pillar of Light (Andrim-pahazavana iray), nataon’i Dan Burr, tsy azo adika
Tamin’ny 1820, i Joseph Smith, ilay zazalahy 14 taona mpiompy sy mpamboly tany New York voatendry hatrany am-boalohany, dia nandray ny Fahitana Voalohany mahagaga izay hanisy marika fiantombohana vaovao ho an’izao tontolo izao. Ireto misy fanontaniana sy valiny telo momba ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Fahitana Voalohany.
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny lamina fametrahan’i Joseph Smith fanontaniana?
Nikatsaka ny famelana ny fahotany sy ny valin’ireo fanontaniany i Joseph. Niriny ny hahafantatra izay fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Nanatrika fiangonana samihafa izy ary nitodika tao amin’ny Baiboly mba hahazoana valiny. Ny Jakoba 1:5 dia nitaona azy hangataka amin’ Andriamanitra, ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10–13.)
Rehefa niomana ny hivavaka i Joseph dia nahita toerana izay mangina sy tony izy. Na dia teo aza ny fanoherana natrehany tany am-piandohan’ny vavaka nataony dia nampihatra “ny herin[y] rehetra i Joseph mba hiantso an’ Andriamanitra mba hanafaka [azy]” (Joseph Smith—Tantara 1:16) ary nahazo valiny ho an’ny fanontaniany (jereo ny andininy 18–19).
Avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph dia betsaka ny zavatra azontsika ianarana momba ny finoana sy ny vavaka ary ny fandraisana valim-panontaniana. Zava-dehibe ny manamarika fa raha nandray ny valin’ireo fanontaniany voalohany tao amin’ny fahitany ny Ray sy ny Zanaka i Joseph, nandritra ny androm-piainany dia nanohy nikatsaka valiny avy tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka izy. Ireo valinteny ireo dia tonga nandritra ny taona maro rehefa nanohy nikatsaka sy nankatò ary nanana finoana izy fa hamaly azy Andriamanitra.
Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Ny Mpaminany Joseph Smith dia nametraka lamina ho arahantsika eo amin’ny fitadiavana valiny ho an’ireo fanontaniantsika”:
Tena ilaina amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako ve ny Fahitana Voalohany?
Ny Fahitana Voalohany dia nanamarika ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mitohy hatramin’izao andro izao. Tamin’io vaninandro lohataona tamin’ny taona 1820 io dia niresaka tamin’i Joseph Andriamanitra, namaly ny vavaka nataony, ary nanome fitarihana izay nitarika tamin’ny fanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany indray.
Raha mino isika fa niresaka tamin’i Joseph ny Tompo dia afaka mino isika fa miresaka amintsika Izy. Raha matoky isika fa namerina nanorina ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Izy dia afaka matoky isika fa manohy mitarika antsika amin’ny alalan’ny mpaminanintsika amin’izao fotoana izao, ny Filoha Russell M. Nelson.
Tahaka an’i Joseph Smith dia mandray fanambarana hitarihana ny Fiangonana ireo mpaminany velona. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha misy zavatra ampianarin’ilay zavatra mahatalanjona niainan’i Joseph Smith tao amin’ilay Alakely masina antsika, dia tsy inona izany fa ny hoe misokatra ny lanitra ary miresaka amin’ireo Zanany Andriamanitra.”
Miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Fahitana Voalohany, ny finoantsika ny Tompo sy ny Fiangonany ary ny fanambarana mitohy izay omeny an’ireo mpaminany sy apôstôlintsika ankehitriny dia nohatanjahina.
Ahoana no ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Fahitana Voalohany?
Na dia tsy mitovy aza ny dian’ny olona tsirairay ho amin’ny fiovam-po, dia mila ny fanamafisan’ny Fanahy Masina ny olon-drehetra amin’ny farany mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Fahitana Voalohany sy ireo fahamarinana hafa ao amin’ny filazantsara.
Nampianatra ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ekeo amin-kitsim-po ny fanontanianareo sy ny olanareo, saingy voalohany ary mandrakizay dia kopaho ny lelafon’ny finoanareo, satria ny zavatra rehetra dia afaka ny ho azon’izay mino (ny zavatra rehetra dia hain’ny mino).”
Ny vavaka no fanalahidy manokatra ny varavarana ho an’ny fanambarana ho an’ny tena manokana momba ny Fahitana Voalohany—sy ireo fanontaniana hafa rehetra. Mangataha amin’ Andriamanitra. Anontanio Azy raha tena nahita marina ny Ray sy ny Zanaka i Joseph. Katsaho ny Fanahy, matokia ny Tompo, ary manohiza miezaka. Afaka miteny tahaka ny nataon’i Joseph ianao hoe: “Fantatro izany, ary [fantatro] fa Andriamanitra dia [mahafantatra] izany, ary tsy afaka mandà izany aho” (Joseph Smith—Tantara 1:25).