“Inona avy ireo fahamarinana ampianarin’ilay Fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny?,” Liahona, jan. 2025.
Avia, hanaraka Ahy
Ny Famerenana amin’ny Laoniny
Inona avy ireo fahamarinana ampianarin’ny Fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny?
The Forces of Light and Dark (Ireo Herin’ny Fahazavana sy Haizina), nataon’i Warren Luch
Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2020, ny Filoha Russell M. Nelson dia namaky ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona.” Nilaza izy tamin’izay hoe: “Halalino manokana sy miaraka amin’ny fianakavianareo sy namanareo izany. Saintsaino ireo fahamarinana ary eritrereto ny fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanareo raha toa ka handre, sy hihaino azy ireny ianareo, ary hanaraka ireo didy sy fanekempihavanana izay miaraka amin’izy ireny.”
Ity tabilao manaraka ity dia hanampy anao hanaraka ny torohevitry ny mpaminany mba handalina ilay fanambarana. Rehefa manao izany ianao dia hevero ny tsy hanamarika fotsiny ireo zava-nitranga ara-tantaran’ny Famerenana amin’ny laoniny fa ny tanan’ny Tompo nitarika ireo zava-nitranga ireo ihany koa. (Ny lahatsoratr’ilay fanambarana dia hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile na any amin’ny fiafaran’ny lesona Avia, hanaraka Ahy voalohany amin’ity taona ity.)
|
Andalan-tsoratra |
Halalino: Inona avy ireo fahamarinana hitanao? |
Saintsaino: Inona no ampianarin’ireo fahamarinana ireo anao? |
Araho: Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanao? |
Zarao : Ahoana no ahafahanao mizara ireo fahamarinana ireo amin’ny fianakavianao sy ny namanao? |
|
1 | ||||
|
2 | ||||
|
3 | ||||
|
4 | ||||
|
5 | ||||
|
6 | ||||
|
7 | ||||
|
8 | ||||
|
9 |