Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Ilay andro tsara indrindra
Nampiasain’ny Tompo ny fiavian’ny raiko mba hanampiana azy hihavana amin’ny fianakavianay.
Maty tamin’ny 2015 i Claude Roy raiko, tsy ela akory taorian’ny nanaovana batisa azy. Tamin’izay fotoana izay, izaho sy ny reniko ary ny mpiray tampo amiko dia efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fotoana elaela, saingy tsy vonona ny hiditra ho mpikambana ny raiko am-polo taonany maro.
Rehefa nandeha ny fotoana dia hoy izy: “nihamafy ny foko, ary lasa sorena tamin’ny famangiana avy amin’ireo zanako sy ny zafikeliko aho ary te hanasaraka ny tenako tamin’ny fianakaviako. Nitombo ny fifamaliana tao an-tranoko, ary lasa niharatsy ny fifandraisako tamin’ny vadiko.”
Nanodidina izany fotoana izany dia nanomboka nitarika ireo razambeny Kanadiana izy, izay taranaky ny firenena Mi’kmaq sy Huron-Wendat. Rehefa avy nankany amin’ny fiarahamonina Mi’kmaq teo akaikin’ ny toerana nahalehibe azy izy dia nasaina hanatrika powwow iray, izay fombafomban’ny Teratany Amerikana.
Nandritra ny harivan’ilay powwow dia nanokatra ny sandriny ilay lehibe indrindra ary nangataka ny ankizy mba hanatona Azy mba hahafahany mitsodrano azy ireo. Nikapoka ny raiko toy ny kotroka ilay toriteny momba ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana sy ny taranaka izay nanaraka izany.
Tamin’izay fotoana izay dia hoy izy: “Hitako ny fianakaviako naninjitra ny tanan’izy ireo tamiko rehefa nitodika tamin’izy ireo aho. Heniky ny alahelo lehibe sy tsy hay faritana aho toy ireny hoe niparasaka ireny ny foko. Fantatro tamin’izay fotoana izay fa nampiasa ny tenin’ny fokon’ireo razambeko ny Tompo mba hanalefahana ny foko. Fantatro fa tsy maintsy mitodika any amin’ny Raiko any An-danitra aho ary manamboatra ny fahasimbana naterako teo amin’ny fianakaviako.”
Nanomboka nihavana tamin’ny fianakavianay i Dada, nangataka famelan-keloka avy tamin’ny olona tsirairay tao amin’ny fianakaviana. Nanomboka nivavaka sy namaky ny Bokin’i Môrmôna araka ny ohatra nasehon’ny vadiny sy ny zanany izy. Rehefa avy namaky tantara maro momba ny kaontinanta Amerikana izy dia nahatsapa ho voasintona ho ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nohamafisina teo no ho eo taminy ny fahamarinan’izany.
“Nodidinin’ny fianakaviako, natao batisa ho mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho,” hoy izy. “Izany no andro tsara indrindra teo amin’ny fiainako! Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny ohatra feno fitiavana aho. Nandritra ny 36 taona dia nitazona ny finoany ny vadiko ary ohatra tahaka ny an’i Kristy tamiko izy, na dia nanamafy ny foko aza aho. Avy eo dia nisy faran’ny herinandro iray nanova ny zava-drehetra ho ahy.”
Ny tantaran’ny raiko dia mampahatsiahy antsika fa ny “sandrin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy dia mitolotra ho [antsika]” ary rehefa mibebaka isika dia tena handray antsika tokoa Izy (jereo ny Almà 5:33).