2025
Ny asan’ Andriamanitra izay naseho
Janoary 2025


“Ny asan’ Andriamanitra izay naseho,” Liahona, jan. 2025.

Fanehoana ny finoana

Ny asan’ Andriamanitra izay naseho

Tsy fantatro raha ho sitrana aho na hijanona ho jamba. Fantatro fotsiny fa ho vita ny sitrapon’ Andriamanitra ary hoentiny ao anatin’ny fizahan-toetra ho ahy aho.

vehivavy miasa amin’ny sary hosodoko ahitana ny Mpamonjy

Sary nalain’i Christina Smith

Tamin’ny 7 janoary 2023 dia nifoha aho niaraka tamin’ny fahajambana tanteraka tamin’ny masoko ankavanana ary fahitana teo amin’ny 10 isan-jato teo tamin’ny masoko havia. Mivadika mainty—ara-bakiteny—tampoka teo izao tontolo izao. Lasa ny loko sy ny hazavana. Tavela tao anatin’ny haizina sy ny tahotra ary ny ahiahy aho.

Amin’ny maha-mpahaikanto ahy, ny hany tiako hatao dia ny manampy ny hatsaran’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny zavakanto—fitiavana izay nananako saika ho nandritra ny androm-piainako manontolo. Inona no hataoko raha toa ka tsy afaka mahita na mandray anjara amin’izany intsony aho, na koa mankasitraka ny hatsarana eto amin’izao tontolo izao?

Andro vitsy talohan’izay dia nanjary tsy nahatanty hazavana ny masoko, ary nisy tsipi-kazavana maranitra nanomboka nipoitra tsindraindray tao amin’ny fahitako. Niahiahy aho ka nijery mpitsabo maso iray. Taorian’ny fizahany ahy dia nilaza izy fa nahatonga fanerena tao amin’ny karandohako ny rano niandrona tao amin’ny hazondamosiko, ka namorona soritr’aretina maka endriky ny fivontosana ao amin’ny atidoha, anisan’izany fahajambana.

Nolazainy tamiko fa hihena tsikelikely ny fahitako mandritra ny volana maromaro manaraka raha tsy tsaboina izany. Nanome toky ahy anefa izy fa manana fotoana betsaka aho hitadiavana neurologue, izay afaka hitsabo ilay rano miandrona.

Natahotra aho ka nangataka tsodrano fanasitranana sy fankaherezana avy tamin’ny raiko izay eveka. Rehefa nitsodrano ahy izy sy ny iray tamin’ireo mpanolotsainy dia tonga tao an-tsaiko ny tantaran’ny Baiboly tiako indrindra:

“Ary ny mpianany nanontany Azy hoe, Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?

“Jesoa namaly hoe, tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.” (Jaona 9:2–3).

Niverimberina nieritreritra aho hoe: “Hiseho amin’izao ny herin’ Andriamanitra.” Tsy fantatro raha midika izany fa ho sitrana aho na hijanona ho jamba. Fantatro fotsiny fa ho tanteraka ny sitrapony ary hivimbina ahy hamakivaky ny fitsapana lalovako Izy.

“Firy ny rantsan-tanana hitanao?”

Nanana fotoana tamin’ny neurologue iray aho andro vitsy taty aoriana, saingy tamin’io marainan’ny volana janoary io dia nahatsapa i Kylie zokiko vavy fa tokony hitondra ahy any amin’ny vonjy taitra any amin’ny hôpitaly iray teo akaiky teo ny fianakaviako. Nandidy haingana ny hanaovana fitarafana tomodensitométrie (TDM) ireo mpitsabo ary ny voalohany amin’ireo ponctions lombaires maro mba hampihena ny fanerena nataon’ilay rano tamin’ny hazondamosina. Ny ampitson’io dia nanao IRM (imagerie par résonance magnétique) roa aho. Avy eo dia nisy mpitsabo maso nizaha ahy.

“Firy ny rantsan-tanana hitanao?” hoy izy nanontany sady nihazona rantsan-tanana maromaro teo anoloan’ny tarehiko. Tsy nahita na inona na inona aho.

Taorian’ny fizahana nataony dia nofaranany fa nanana soritr’aretina pseudotumeur cérébrale sy névrite optique aho. Tsy nisy tamin’ireo toe-javatra nisy no toa tompon’andraikitra feno tamin’izany. Nanazava izy fa noho ny halehiben’ny fahaverezan’ny fahitako dia mety hahatratra herin-taona mahery ny fahazoana ny fahasitranana ary mety tsy hiverina tanteraka ny fahitako. Nanome ny fatra avo indrindra amin’ny stéroïdes ampidirina amin’ny lalan-drà sy fanafody hafa izy.

Rehefa lasa izy dia nanomboka nitomany aho. Manome toky ahy ny reniko hoe: “Raha tsy afaka mifikitra amin’ny finoanao ianao izao dia afaka miantehitra amin’ny anay.”

“Mba ampaherezo aho”

Tamin’ ny andro fahatelo tao amin’ny hôpitaly dia nangataka VMN (phlébographie par résonance magnétique) ny neurologue hijerena ny hazondamosiko sy ny atidohako, ary nitady fivontosana na tsentsina. Tamin’ny 4 ora maraina, roa andro taorian’ny nifohazako jamba dia nanomboka nanao VMN naharitra dimy ora aho. Ho fiomanana dia nikasa ny hivavaka sy hifady hanina ho ahy ny fianakaviako tamin’io maraina io. Nanome tsodrano iray hafa ahy ny raiko izay natory teo anilako teo ambony sezalava isaky ny alina tao amin’ny efitranon’ny hôpitaly, tsodrano faharoa amin’ireo tsodrano maro azoko.

Rehefa nanontany ahy ny teknisiana tao amin’ny hôpitaly raha te hihaino hira aho mandritra ny fitsapana dia nangataka hira avy amin’ny mpihira tiako indrindra aho. Nasian’ilay teknisiana fihainoana vita amin’ny fingotra tao amin’ny sofiko dia nasiany voaly fatao amin’ny tarehy ny lohako mba hihazonana ahyhahazo toerana. Tao anatin’izany dingana izany dia saika latsaka hiala ny sofiko ireo écouteurs. Zara raha nahare mozika tahaka ny tamin’ny nanombohan’ny VNM aho.

Rehefa nandeha elaela ilay fitsapana dia nahatsapa mafana kokoa aho tao anatin’ilay milina boribory fitarafana. Taorian’ny fotoana toa mandrakizay dia nolazaina tamiko fa tena nety ny nataoko ary namporisihina aho hiharitra kely. Saingy nahatsapa ho natahotra sy voaelingelin’ilay hafanana sy ny feo mafy ary ny tsy maintsy hijanonako ho tsy mihetsika aho.

Tao anatin’ny vavaka mangina dia nitalaho aho hoe: “Ray any An-danitra ô, mba ampaherezo aho. Manirery be aho. Mila ny fanampianao aho. Mila ny fianakaviako aho.”

Avy hatrany dia nisy feona pianô malefaka nanakoako tao an-tsofiko. Avy amin’ny iray amin’ireo hira tiako indrindra izany—ilay notendren’i Morgan zandriko vavy, teo amin’ny pianô. Tsy nanantena ny handre izany tao amin’ireo écouteurs zara raha nipetaka sy ny tabataban’ilay milina aho. Toa niaraka tamiko i Morgan, ary tsy irery aho. Niala ilay feo. Niala ilay hafanana. Niala ilay fahatahorana anaty toerana tery.

Nahatsapa ho maivana aho, tahaka ny nitsingevana teny amin’ny ranomasina iray. Nahatsapa ho voahodidin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fitiavan’ny fianakaviako aho. Poa tahaka izay dia tony aho. Tamin’ny 7:30 maraina tamin’izay, ilay fotoana nanombohan’ny fianakaviako nifady hanina ho ahy. Nandeha faingana ny ambin’ilay VNM naharitra dimy ora, ary avy eo dia naheno aho hoe: “Vita.”

Ny fitiavana tsapako avy tamin’izany zavatra niainako izany dia nampilatsaka ny ranomasoko ary nanamaivana ny harerahana tsapako nandritra ny fotoana nijanonako tao amin’ny hôpitaly. Tsy fantatro raha hiverina ny fahitako, saingy fantatro fa teo Andriamanitra ary nandre ny vavaka nataoko. Taorian’ny efatra andro tany amin’ny hôpitaly dia navoaka aho.

“Fahagagana izany!”

Isan’andro nandritra ny roa herinandro manaraka dia niverina tany amin’ ny hôpitaly aho haka fanafody, ary isan’andro dia nitady fiovana teo amin’ny fahitako aho—maizina volombatolalaka nivadika ho volombatolalaka mazava kokoa, sisin-javatra miseho manodidina ny rantsan-tanako eo anoloan’ny tavako, loko volomboasary manjavozavo teo amin’ny fahitalavitra izay nivadika ho voninkazo iray. Fandresena avokoa ny fivoarana bitika tsirairay.

Roa herinandro taorian’ny namoahana ahy dia nisy fitsapana iray izay nampiseho fa niala avy tao amin’ny tsy misy nankamin’ny saika ho fahatongavana lafatra ny fahitako tamin’ny maso roa.

“Bronwyn, inona no nitranga?” hoy ny mpitsabo maso nanontany.

“Nivavaka izahay, ary nahazo fitahiana aho,” hoy aho namaly.

“Fahagagana izao!” hoy izy. “Tsy mbola nahita izany mihitsy aho. Tsy tokony hisy vokany hitantsika raha tsy ao anatin’ny enim-bolana farafahakeliny.”

Taty aoriana dia nilaza tamiko izy fa ireo marary izay tsy mahita mihitsy dia mahalana no miverina mahazo fahitana mahazatra. Tao anatin’ny herinandro vitsy dia niala tamin’ny iray tamin’ireo tranga ratsy indrindra hitany aho nankany amin’ny tranga tsara indrindra hitany.

Bronwyn Haws

“Araho ny fahazavan’i Kristy”

Tamin’ny fiafaran’ny taona 2022 dia nisafidy lohahevitry ny paroasy ho an’ny taona 2023 ireo mpitarika tao amin’ny paroasin’ny raiko. Nentanin’ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson izany, izay niteny tany am-piandohan’io taona io hoe: “Mikatsaha sy manantenà fahagagana.”

Tamin’izany fotoana izany dia nieritreritra ny raiko fa hanampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay niaritra fotoan-tsarotra ilay lohahevitra. Tsy fantany hoe ho lasa tena an’ny tena manokana ho an’ny fianakavianay izany.

“Araho ny fahazavan’i Kristy,” hoy ny vakin’ilay lohahevitra. “Manantenà fahagagana! Manantenà fifaliana!”

Roa taona taty aoriana dia tsara kokoa noho ny talohan’ny nahavery izany ny fahitako. Misaotra ny Ray any An-danitra aho isan’andro noho ny fahagagana niainako sy noho ny finoana tsy voahozongozona nananan’ny fianakaviako. Tamin’ny alalan’io fitsapana io no nanehoana mihitsy ny asan’ Andriamanitra. Nampitombo fijoroana ho vavolombelona ho matanjaka kokoa aho sy fankasitrahana lalina kokoa noho ny fiainana ary fitiavana lehibe kokoa Azy sy ho an’ny fianakaviana ary ny namana.

Ankehitriny aho dia manao izay rehetra azoko atao, anisan’izany ny maha-mpahaikanto ahy, mba hahatonga ny ankamaroan’ireo fitahiana sy fanomezam-pahasoavana ary fifaliana nomen’ Andriamanitra ahy—hanomezam-boninahitra Azy sy hitahiana ny hafa.

sarin’ny Mpamonjy

Ankehitriny i Bronwyn dia mampiasa ny zavakantony, tahaka ity sarin’ny Mpamonjy ity, mba hankalazana an’ Andriamanitra sy hitahiana ny hafa.

Fanamarihana

  1. Toe-javatra iray fantatra amin’ny hoe pseudotumeur cérébrale.

  2. Ny névrite optique dia fahararian’ny nerf optique mahatonga fanaintainana amin’ny maso sy fahajambana.

  3. Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 100.