2025
Tsy afaka mividy fahasambarana ny vola, fa manolotra fifaliana maimaimpoana i Kristy
Janoary 2025


“Tsy afaka mividy ny fahasambarana ny vola, fa manolotra fifaliana maimaimpoana i Kristy,” Liahona, jan. 2025.

Tanora

Tsy afaka mividy fahasambarana ny vola, fa manolotra fifaliana maimaimpoana i Kristy

Rehefa lasa ny fitiavako vola no laharam-pahamehako dia tsapako fa nisafidy ireo zavatr’izao tontolo izao noho ny Ray any An-danitra aho.

zatovovavy iray mijery eo amin’ny varavarankelin’ny fivarotana iray

sarin’ny mpanoratra nalain’i Stephen Neilsen

Rehefa nihalehibe aho dia nanana faniriana maro. Nahita olona tamin’ny taonako efa nahazo vola sy nahita fahombiazana tamin’ny tambajotran-tserasera aho. Naniry ny ho toa azy ireo aho.

Rehefa nianatra tany amin’ny oniversite sy nianatra ny ho mahaleo tena aho dia lasa laharam-pahamehako indrindra ny vola. Ny hany nifantohako dia ny ho mendrika hahazo vatsim-pianarana, ny hanangom-bola, ary ny hiomanako amin’ny asako mpanao sary amin’ny ho avy.

Na dia ny zavatra hitako ao amin’ny tambajotran-tserasera aza dia feno hafatra momba ny fahitana vokatra, fampiasam-bola, ary ireo asa an-tselika hanampiana ahy hahazo vola fanampiny. Niahiahy aho hoe raha toa ka tsy nanararaotra ny fahafahana rehetra ho mahiratra amin’ny fitantanana ny volako aho dia tsy ho voaro ara-bola.

Nankamamy izany kolontsaina izany aho, nieritreritra fa hahatonga ahy ho faly sy hahomby izany. Nohamariniko foana ny fifantohako tamin’ny vola tamin’ny filazako tamin’ny tenako fa indray andro rehefa nanana vola bebe kokoa aho, dia afaka hanolotra vola bebe kokoa ho an’ny asa soa sy ho lasa olona tsaratsara kokoa amin’izany fomba izany.

Tsy tsikaritro izany tamin’izany fotoana izany, saingy rehefa lasa laharam-pahamehako ny fitiavam-bola dia nanomboka nanary ny fifaliana teo amin’ny fiainako aho. Lasa nialona hatrany aho, indrindra an’ireo izay toa manana vola mihoatra ny vola ampy.

Nanomboka naniry ny hahita fahombiazana bebe kokoa aho tao amin’ny tambajotran-tserasera, teo amin’ny asako, na ny fomba nahitan’ny olona hafa ahy aza. Saingy toa arakaraka ny nanenjehako fahombiazana bebe kokoa no nahatsapako ho tsy nahomby— sy naha-lavitra ny Ray any An-danitra ahy.

Mahafantatra ny fitiavana ny zavatra ara-nofo

Taorian’ny taona iray nahatsapako ho toy izany dia nihaino lahateny iray nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany aho. Tsapako ho rendrika ny foko rehefa nandre azy namariparitra tsara ny karazan’olona nahatongavako aho:

“Ankehitriny koa aza, ireo izay manonona ny tenany ho Kristianina dia voasariky ny zavatr’izao tontolo izao—ireo zavatra izay mahavelona eto an-tany saingy tsy manome ilay sakafo mahavelona mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay.”

Nieritreritra aho hoe afaka manao laharam-pahamehana an’ Andriamanitra sy ny vola amin’ny fotoana iray, saingy ny tenin’ny Filoha Oaks sy ity hevi-baovao ao amin’ny Matio 6:24 ity dia voaporofo fa marina: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho tiany, ary ny anankiray ho halany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna ianareo.”

Rehefa nifantoka tamin’ny zavatra ara-nofo ny saiko dia hitako fa sarotra kokoa ny nahita izay manintona ao amin’ny filazantsara. Tsy takatro ny fomba ahafahan’ny fandehanana any am-piangonana sy ny famakiana soratra masina manampy ahy amin’ireo zavatra niriko.

Raha toa zavatra mendrika tadiavina ny fandrantoana fianarana sy fananana fidiram-bola tsy miovaova dia nanao laharam-pahamehana loatra azy ireo aho. Tia izany tafahoatra aho. Tsapako fa ho fadiranovana aho mandra-pianarako manova ny fomba fisainako.

Mifantoka amin’izay manan-danja indrindra

Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho ary nanontany Azy raha afaka manampy ahy hanomboka hifantoka amin’izay manan-danja indrindra Izy. Natomboko tamin’ny famakiana ny soratra masina izany. Teo am-pandalinana andininy izay noheveriko fa novakiako imbetsaka taloha aho, dia nanomboka nisarika ny saiko ireo tantara mahazatra ireo. Nahatsapa ny Fanahy Masina nifandray tamiko aho!

Tantara iray izay nanintona ny an’ilay tovolahy mpanan-karena. Hoy i Jesoa taminy: “Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.” (Matio 19:21).

Rehefa namaky ity tantara ao amin’ny soratra masina ity aho dia nahatsapa ho nobitsihan’ny Fanahy hiato sy hieritreritra ny fomba niharan’izany tamiko. Tamin’ny voalohany dia toa tsy nanana zavatra nitoviany tamin’ilay mpanapaka tanora mpanankarena aho—efa nanana ny hareny izy ary tsy vonona ny hiaraka amin’izy ireo. Izaho kosa tetsy ankilany dia tsy mbola nanan-karena, ary nihevitra aho fa ny ezaka nataoko mba hahazoana vola bebe kokoa dia marina.

Saingy vetivety aho dia nahatsapa ho sahirana hanome ny volako, tahaka ilay mpanapaka tanora mpanan-karena. Indrindra raha nieritreritra fa efa nanahirana ahy ny famelana ny fikatsahako vola bebe kokoa.

Naniry ny hametraka ny Ray any An-danitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainako indray aho. Nanapa-kevitra ny hanokatra ny diariko aho, hanoratra ny zavatra tsapako, ary hiverina hijery ireo zavatra nosoratako teo aloha mba hahatakarana bebe kokoa ny fitiavam-bola diso tafahoatra.

Rehefa nanao izany aho dia lasa hitako kokoa fa nitsimbadika ireo laharam-pahamehako. Araka ny tsikaritro tao anatin’ny soratra iray hoe: “Manohy mieritreritra foana ny fomba ahafahako mahazo tombontsoa avy amin’ny zavatra rehetra aho fa tsy mieritreritra ny fomba ahafahako ho lasa tsara kokoa na hanampiako ny hafa.”

Nanomboka niova aho nony farany noho ny fandalinana ny soratra masina sy ny fihainoana ny Fanahy ary ny fanoratana anaty diary.

Matoky an’ Andriamanitra noho ny vola

Nahatalanjona ny nahatsapa ilay fampanantenana ao amin’ny Ohabolana 3:5–6 ho lasa marina teo amin’ny fiainako:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.

“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra.”

Mbola miezaka mampivelatra ny talentako aho ary miasa mafy amin’ny fianarako sy ny asa kanto ho fitadiavam-bola. Faniriana tsara ny fikatsahana fiarovana ara-bola mba hamelomana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika. Na izany aza dia mila mitandrina isika mba tsy hamela ny fikatsahantsika fahombiazana sy ny vola ho lasa manan-danja kokoa noho ny zavatra hafa rehetra.

Amin’izao andro izao dia tsy miraharaha aho raha toa ka lasa malaza na mahazo vola be amin’ny alalan’ny asa tanako. Tsapako fa ny fananana fiainana izay ahafahako mitia—sy mahatsapa fitiavana avy amin’ny—Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ny fianakaviako, ary ny zavakanto dia ampy ho ahy. Tsy mora tezitra amin’ny fandaniana tsy ampoizina intsony aho na ny fahombiazan’ny olona hafa. Fa manolo-tena kokoa kosa amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho satria mbola manohy mamonjy ahy amin’ny fiainana feno fitiavan-tena sy fampitahana ary tsisy fankasitrahana tsy tapaka izany. Ary rehefa manomboka manadino aho dia mampahatsiahy ahy foana ny zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana ny soratra masina sy ny mpaminany.

Nampianatra izao ny Filoha Russell M. Nelson:

“Raha toa izao tontolo izao manizingizina fa mitondra fahasambarana ny fahefana, ny fananana, ny fananana laza ary ny fahafinaretan’ny nofo, dia tsy izany anefa no izy! Tsy afaka [mitondra] izany ireo.

“Ny marina dia hoe mandreraka [lavitra] kokoa ny mitady fahasambarana any amin’izay tsy hahitanao izany na oviana na oviana! Kanefa, rehefa miara-miasa amin’i Jesoa Kristy ianao sy manao ny asa ara-panahy takina mba handresena an’izao tontolo izao, dia Izy, ary Izy irery ihany no manana ny hery hankaherezana antsika mihoatra ny fitaoman’ity izao tontolo izao ity.

Maharesy izao tontolo izao

Nahagaga ireo fiovana izay nanampian’ny Mpamonjy ahy mba ho ataoko ao anatin’ny fanahiko. Fantatro ankehitriny fa ny fahombiazana dia tsy ny fanaporofoana fa tena mahatalanjona aho na ny fampifamatorana ny lanjako amin’ny habetsaky ny vola raisiko. Mahakasika ny fahatsapana fankasitrahana noho ny fahafahana miaina ny fiainana an-tany sy ny fahitana ireo fitahiana mahatalanjona nomen’ny Ray any An-danitra ahy mandrakariva izany. Fantatro fa raha apetrako ho lohalaharana Izy, dia haka ny toerany avokoa ny zavatra hafa rehetra.

Mamporisika anareo aho mba handinika ireo laharam-pahamehanareo eo amin’ny fiainana. Mifantoka amin’ny fitiavana ny zavatra ara-nofo sy ny zavatra tsy anananareo ve ianareo? Sa mifantoka amin’ny zavatra manan-danja indrindra ve ianareo? Aoka ho marina amin’ny tenanareo ianareo. Jereo raha mila manitsy ny dianareo miverina any amin’ny Mpamonjy ianareo.

Rehefa manao izany safidy izany ianareo dia hahita fifaliana bebe kokoa noho izay noeritreretinareo.