2025
Ilay taratasy “tsy noheverina ho azo atao”
Janoary 2025


Ilay taratasy “tsy noheverina ho azo atao”

Ilay taratasy “tsy noheverina ho azo atao”

Hisintona ny endrika PDF

Vitako ny mandidy lavaka eo amin’ny taratasy tsotra iray ka omby hidirako. Tsy mino ahy ve ianao? Mieritreritra ve ianao hoe tsy azo heverina izany? Mampanantena aho fa tsy misy famitahana izany. Azonao ampiasaina ity lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana ity mba hampianarana ny kilasy na kôlejy misy anao, na ny fianakavianao momba ny fahatokiana an’ Andriamanitra rehefa manana fanontaniana ianao, eny fa na dia ireo “tsy mety valiana” aza.

  1. Anontanio ny vondrona misy anao raha mino izy ireo fa vitanao ny mandidy lavaka eo amin’ny taratasy iray ka omby hidiran’ny olona iray. Azo inoana fa hisy sasany izay tsy hino anao.

  2. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:23–25. Hazavao fa olona maro no tsy nino fa azo noheverina ny nahitan’i Joseph Smith fahitana. Saingy izy nahafantatra fa marina izany.

  3. Fotoana hanetezana ilay lavaka izao!

    • Aforeto roa mitsivalana ilay taratasy.

    • Atombohy eo amin’ilay miforitra ny fanetezana ka asio tataka mitsangana eo amin’ny andaniny roa amin’ilay taratasy, saingy atsaharo alohan’ny hahatongavana eny amin’ny sisiny izany.

    • Ahodino isaky ny mandeha avy amin’ny sisiny iray mankamin’ny sisiny iray, ka tohizo ny fanetezana ilay taratasy atao lavalava mitsangana (tsy hetezana tanteraka hatramin’ny farany anefa izany!).

    • Dingano ireo sisiny lavalava roa ary hetezo eo amin’ny fiforetan’ilay taratasy.

    • Sokafy izany dia ho hitanao, io ilay lavaka antonona tsara azonao hidirana!

  4. Ifanakalozy hevitra ny hoe tsy hoe mampikorontan-tsaina na heverina ho tsy azo tanterahina akory ny zavatra iray dia hidika izany fa tsy marina ilay izy. Tena nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Joseph Smith.

Mety hisy fotoana hitsapan’ny hafa ny finoanao na mety hiatrika fanontaniana mampikorontan-tsaina ianao. Rehefa mitranga izany dia eritrereto ilay taratasy “tsy noheverina ho azo atao”. Manapaha hevitra ny hatoky an’ Andriamanitra sy hitodika any Aminy sy ireo loharano tsara hafa hahazoana valiny.

“Ny finoana dia fanantenana ny zavatra izay tsy hita nefa marina. … Ny ahiahinareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo.”

Fanamarihana

  1. Dieter F. Uchtdorf, “Andao hiaraka aminay,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôkt. 2013 ( Liahona, nôv. 2013, 23).