Mitovy lavitra noho izay eritreretinao
Salama, Andy. Nanao ahoana ny tany an-tsekoly?
Tsara. Niresaka momba ireo fivavahana samihafa misy izahay. Nianatra zavatra betsaka momba ireo finoana hafa aho, manana zavatra iraisana bebe kokoa noho izay noeritreretiko isika!
Oay! Inona no nianaranao?
Nianatra aho fa i Ayla dia silamo ary mivavaka in-dimy isan’andro izy.
Batista i Stefana ary midera an’ Andriamanitra izy rehefa mandeha any am-piangonana.
Katôlika i Anastasia. Mibebaka amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fibabohana izy.
Ary jiosy i Levy. Manaraka ny lalàn’ Andriamanitra ny fianakaviany ary izany no mitarika ny fiainan’izy ireo.
Oay, nianatra zavatra maro tokoa ianao! Moa ve nizara zavatra tamin’ny iray kilasy ianao?
Eny! Nolazaiko azy ireo fa mahafantatra sy tia ahy i Jesoa Kristy ary miezaka ny hitovy Aminy aho.