Feon’ny zatovo
Misafidy ny tempoly
Iris R., 18 taona, Sal, Cap Vert
Tia manoratra taratasy, mamorona zava-kanto ary mahandro sakafo.
Ny tempoly akaiky indrindra ahy dia any amin’ny nosy iray hafa. Mba hahatongavana any dia mila maka sidina izay maharitra 45 minitra izahay na mandeha sambo mandritra ny 12 ora. Tsy mbola tany amin’ny tempoly mihitsy aho taloha ary nandritra taom-pianarako farany tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dia nanao drafitra mba handehananay any ny reniko. Nanangom-bola nandritra ny herintaona izy mba hahafahan’ny fianakaviako hiara-handeha.
Indrisy anefa fa hody aorian’ny fanombohan’ny taom-pianarana izahay ka nanahy momba izany aho. Nanan-danja ho ahy foana hatramin’izay ny fahazoana naoty tsara tany an-tsekoly mba hahazoako vatsim-pianarana any amin’ny oniversite. Nieritreritra ny tsy handeha ho any amin’ny tempoly aho satria mety hanimba ny naotiko farany amin’ny taom-pianarana ny tsy maha eo ahy. Hoy ny reniko avy eo: “Maninona ianao raha mivavaka sy mangataka ny fanampian’ny Tompo?”
Somary nisalasala aho satria natahotra saingy nanapa-kevitra ny hivavaka aho. Nitarika ahy ny Ray any An-danitra ary nisafidy ny handeha ho any amin’ny tempoly aho. Nandritra ny herinandro iray manontolo dia nandeha tany amin’ny tempoly isan’andro izahay. Tena nahatalanjona izany! Zavatra nahatalanjona ny nanao batisa; afaka nahatsapa mafy ny Fanahy aho.
Tamin’ny farany dia afaka namarana ny taom-pianarana tamin’ny naoty tsara aho. Ny fihazonana fifandraisana akaiky tamin’ny Mpamonjy dia nanampy ahy hanana fanantenana nandritra izany fotoana izany. Fantatro fa niaraka tamiko Izy, nanome hery ahy. Fantatry ny Tompo ny ezaka ataontsika ary rehefa mametraka zavatra eo an-tanany isika dia afaka matoky fa handeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra.
Feno fankasitrahana aho fa nanana herim-po nanasana ireo misiônera ho any an-tranonay ny rahavaviko. Izaho sy izy no vita batisa voalohany tao amin’ny fianakavianay,13 taona aho ary 15 taona izy tamin’izay. Fantatro fa zanaka malalan’ny Raintsika any An-danitra aho. Tsy mba teo mihitsy ny raiko eto an-tany nandritra ny androm-piainako saingy manampy ahy ny mahafantatra fa manana Ray any An-danitra isika ary nohariana araka ny endriny aho. Mahatsapa ny fitiavany ahy aho. Fantatro fa mandritra ireo fotoana tena sarotra indrindra dia eo anilako Izy.