2025
Vaovao mahafaly ho anao sy ho an’izao tontolo izao
Janoary 2025


Vaovao mahafaly ho anao sy ho an’izao tontolo izao

Afaka mahazo vaovao mahafaly momba ny fitiavana sy fifaliana ianao satria naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonany mba hitahiana ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

zatovovavy

Sacred Grove [Alakely Masina], nataon’i Al Rounds

Ny hafatra feno fanantenana sy fiadanana izay entinay ho an’ny rehetra dia ny hoe velona i Jesoa Kristy ary naveriny tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany amin’izao andro farany izao. “Feno voninahitra tsy hay faritana tokoa ireo zavatra ireo ho an’ny olombelona!” hoy ny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith. Izy ireo dia “vaovao mahafaly feno fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra… izay tokony hameno ny tany sy hampahery ny fon’ny tsirairay rehefa reny eo an-tsofiny.”

Ireo vaovao mahafaly ireo dia fanehoana lalina ny fitiavana tsy manam-petran’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika. Hitahy ny olona rehetra izy ireo ary hanomana izao tontolo izao ho amin’ny andro izay hiverenan’i Jesoa Kristy. Faly aho fa afaka mandany ny fiainako manambara ireo fahamarinana ireo amin’izao tontolo izao.

Jesoa Kristy

Resurrection Morning [Marainan’ny Fitsanganana amin’ny maty], nataon’i Sarah Hatch

Ilay tsy ampoizina sy miavaka

Niseho sy niresaka tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany tao anaty alakely iray, ho valin’ny vavaka nataon’i Joseph momba ny fiangonana tokony hilatsahany ho mpikambana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:16–20). Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa mba tsy hilatsaka ho mpikambana amin’izay fiangonana nisy. Nampanantena Izy fa hambara amin’i Joseph amin’ny hoavy ny fahafenoan’ny filazantsarany.

Ho an’ny maro dia toa tsy ampoizina ho antsoina ho amin’ny asa manan-danja toy izany i Joseph. Zazalahy avy amin’ny toeram-piompiana sy fambolena fotsiny izay tsy nandia fianarana firy izy teo imason’izy ireo. Saingy amin’ny alalan’i Joseph dia hanao zavatra tena miavaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Homena didy sy fanambarana sarobidy ary fotopampianarana manan-danja momba ny drafitra feno fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavana manavotra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Joseph mba hitahiana antsika sy hanampiana antsika hahafantatra ny fomba ahafahantsika miverina any amin’Izy Ireo.

Vavolombelona mahery vaika ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra

Niseho tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia ary nilaza taminy momba ny rakitsoratra iray izay nosoratana teo amin’ny takela-bolamena ary nalevina tsy lavitra teo (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:33–34). Tamin’ny farany i Joseph dia nandika izany rakitsoratra izany izay lasa Bokin’i Môrmôna ka miara-mijoro amin’ny Baiboly ho vavolombelona hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Manerana ny Bokin’i Môrmôna ny olona, an-jato taonany talohan’i Kristy, dia nahafantatra sy nilaza mialoha momba ny fiaviany ary niandrandra izany. Mamaky ihany koa isika momba ny fomba nisehoan’ny Mpamonjy sy nanompoany ny Nefita. Nanasa ny rehetra Izy hanatona Azy. Nanasitrana ny marary, ny malemy, ny jamba ary ireo rehetra izay ory Izy. Avy eo Izy dia nitsodrano ireo ankizy madinika ary nivavaka ho azy ireo (jereo ny 3 Nefia 11:14–15; 3 Nefia 17:7–9; 3 Nefia 17:21).

Mampianatra antsika zavatra be dia be momba ny fitiavana sy ny fangorahana ananan’ny Mpamonjy ny Bokin’i Môrmôna. Tena mijoro ho vavolombelona izy io fa “i Jesoa no Kristy.” Ahitana ny hatsaran’ny filazantsarany mandrakizay izany. Manazava tsara ny fomba hitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika antsika mihoatra ny zavatra rehetra azontsika eritreretina ny Bokin’i Môrmôna.

Nahita ireo takela-bolamena i Joseph Smith

Takela-bolamena, nataon’i Robert Theodore Barrett

Ireo fitahian’ny fisoronana sy ny Fiangonana

Nisy iraka hafa avy any an-danitra izay tonga namangy an’i Joseph Smith. Tonga ka namerina tamin’ny laoniny ny fahefana hanao batisa i Jaona Mpanao Batisa. Namerina tamin’ny laoniny ny maha-apôstôly sy ny fanalahidin’ny fahefan’ny fisoronana i Petera sy i Jakoba ary i Jaona. “Nisy hafa tonga ihany koa, anisan’izany i Elia, izay namerina tamin’ny laoniny ny fahefana hampitambarana mandrakizay ny fianakaviana ao anatin’ny fifandraisana maharitra mandrakizay izay manan-kery any ankoatry ny fahafatesana.”

Naorin’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph avy eo ny Fiangonana iray izay narafitra araka ilay fiangonana izay natsangany tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao (jereo ny Fanekem-pinoana 1:6). Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manome fahafahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra handray ireo fitahian’ny herin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny apôstôliny ary ny mpaminaniny.

Zatovo ao am-piangonana

Te hilaza aho fa raha mahatsapa alahelo sy mahatsapa ho toa tsy mahavita azy ianao na tsy manana ny toeranao, dia aoka ianao ho tsara fanahy kokoa amin’ny tenanao sy hahatsapa fa tian’ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny Mpamonjy antsika, mihoatra noho izay rehetra azonao eritreretina. Asaina hanatona an’i Kristy sy ny Fiangonany ny rehetra. Tsy natao ho an’ny olona tonga lafatra ny Fiangonana. Izany dia toy ny hôpitaly izay ahitantsika fanasitranana. Mitodika amin’ny hafa, manompo ny hafa amim-pitiavana ary mizara ny filazantsara isika rehefa any am-piangonana. Afaka ny “[hotsaroana] sy [hofahanana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra” isika (Môrônia 6:4). Afaka mahita fiadanana sy fanasitranana isika. Tena fitahiana goavana izany!

Anton’ny fifaliana lehibe

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanaka malalany, dia tia anao sy maniry, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny hitondra anao hiverina any amin’Izy Ireo ary hiaina mandrakizay ilay karazam-piainana iainan’Izy Ireo. Ny Famerenana amin’ny laoniny dia manambara fa nanao ny zava-drehetra Izy Ireo mba hahatonga izany ho fahafahana be voninahitra ho anao. Indraindray ianao dia mety hiaina fitsapana sy fahasarotana saingy misy ianao “mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25) eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy. Nahafantatra izany mihoatra kokoa noho ny ankamaroan’ny olona ny Mpaminany Joseph. Ho hitanao fa afaka manana fifaliana ianao rehefa mibebaka tsy tapaka sy mitodika amin’ny Rainao any An-danitra sy ny Mpamonjy anao.

Niatrika fanoherana sy fanenjehana matetika i Joseph, kanefa notazoniny ny “toetrany falifaly ho azy” (Joseph Smith—Tantara 1:28). Nitoetra ho faly sy natanjaka ary naharitra izy ary nahatontosa ny asa izay nampanaovana azy. Marina koa izany ho an’ireo rehetra izay nandimby azy.

Mikitoantoana ny lalana tany am-piandohan’ny Fiangonana ary mety hikitoantoana koa izany ankehitriny saingy nitohy ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’izany fotoana izany, ary mitohy izany ankehitriny. Mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy. Manohy mitarika antsika ireo mpaminany velona. Hitohy ny fanorenana ireo tranon’ny Tompo. Ny fitiavan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy dia hivelatra manerana izao tontolo izao rehefa manaraka ny didin’ny Mpamonjy isika mba hamahana ny ondriny sy hizara ny filazantsarany. Ireo fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia handroso sy ho tonga amin’ireo toerana izay mety tsy azo noeritreretina tamin’ny andron’i Joseph. Hiezaka ny hanao izay hahatsara fanahy kokoa izao tontolo izao sy tsy hampisaratsaraka loatra izany isika.

Rehefa mandalina tsy tapaka ny filazantsara sy mivavaka matetika ary manompo ny hafa ianao dia hikasika ny fonao sy hanova ny fiainanao ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny. Mety tsy hitranga eo no ho eo izany, saingy hitondra fifaliana ho anao izany, tahaka ny nitranga tamin’ny Mpaminany Joseph.

Enga anie ny vaovao mahafaly feno fitiavana sy fifaliana izay entin’ny Famerenana amin’ny laoniny hitahy sy hitarika ny fiainanao, anio ary mandrakizay.