Miatrika ireo fanontaniako momba ny tantaran’ny Fiangonana
Na dia nanana fanontaniana aza aho dia tsy nilavo lefona na nilefitra.
Nanomboka niresaka momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny kilasy tantara misy ahy ny mpampianatro. Tsy nanana fomba fijery tsara momba ny Fiangonana izy. Nilaza izy fa manambady maro sy manavakavaka isika.
Ny zavatra rehetra nianarako taloha momba ny Fiangonana dia lasa nisy dikany tamiko. Saingy ny zavatra niainako tao an-dakilasy dia nahatonga ahy hieritreritra fanontaniana sarotra sasany avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana, toy ny antony tsy nahafahan’ny olona mainty hoditra nihazona ny fisoronana nandritra ny fotoana voafetra sy ny antony nahatonga ny fampakarana vady maro.
Vokatr’izany dia nanomboka nieritreritra sy nisaintsaina ary nivavaka aho. Namaky ny soratra masina aho, niresaka tamin’ny ray aman-dreniko sy ireo mpitarika ahy ary nianatra bebe kokoa ho an’ny tenako manokana. Na dia nanana fanontaniana aza aho dia tsy nilavo lefona na nilefitra.
Rehefa nandalina sy nianatra aho dia saika nahatsapa ho nandray fitarihana avy any an-danitra. Mbola tsy takatro tanteraka ny zava-drehetra saingy afaka nahita fiadanana aho.
Ankehitriny rehefa manana fanontaniana aho dia mifikitra amin’izay efa fantatro, toy ireo zavatra rehetra niainako izay nanampy nampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Rehefa mandona ahy ny zavatra iray dia mazàna ny vavaka no itodiako voalohany ary avy eo dia miezaka mihaino ny Fanahy aho rehefa mamaky ny soratra masina.
Tamin’iny taona lasa iny dia tena lasa nahafantatra ny herin’ny Fanahy aho ary nahatsapa fiadanana sy fampiononana ary fitiavana. Fantatro fa tena misy Andriamanitra tokoa izay miresaka amintsika sy maniry ny hiverenantsika any Aminy.
Monina any Texas Etazonia ny mpanoratra.