2025
Manorina trano sy fijoroana ho vavolombelona
Janoary 2025


Manorina trano sy fijoroana ho vavolombelona

Niroborobo ny orinasa fanorenana trano an’i Sarah. Saingy nisy fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisiny.

zatovovavy

Sary nalain’i Christina Smith, afa-tsy izay nomarihina

Sambofiara izany ho an’i Noa. Tilikambo kosa ho an’i Benjamina Mpanjaka. Nipetraka tao anaty sambo ny Rahalahin’i Jareda. Ary raha ny momba an’i Sarah Christensen avy any Montana, Etazonia kosa? Nanapa-kevitra izy fa te hanorina trano.

I Hermana Christensen, izay mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ao amin’ny Misiônan’i Minnesota Minneapolis ankehitriny, dia somary sorena kely indray mandeha raha nanembantsembana ny tanjona napetrany momba ny fanorenan-trano ny asa fitoriana ny filazantsara, ary tsy ny fandehanany mitory manokana akory anefa izany!

Ndeha hatombotsika any am-piandohana.

“Nanampy ny raiko tamin’ny fanorenana zavatra aho nandritra ny androm-piainako”, hoy izy. “Lasa zatra nampiasa fitaovam-piasana matanjaka sy zatra manangan-javatra aho ary tena nitombo ny fitiavako izany. Ka noho izany, fony aho 16 taona dia nanapa-kevitra fa te hanomboka ny orinasako manokana momba ny fanorenan-trano aho.”

Ray sy ny zanakavavy miara-manorina trano

“Nampianatra ahy nandrafitra zavatra ny raiko, niainga tamin’ny takelaka roa izay lasa trano iray manontolo”, hoy i Sarah.

Manorina orinasa

Nanavao trano iray tao anatin’ny herintaona aloha i Sarah nandritra ny fahavaratra. Tena tiany tokoa ny nanao izany ka dia nandray tetikasa fanavaozana iray hafa izy ny taona manaraka. Taty aoriana dia nanapa-kevitra izy ny hanatanteraka tetikasa iray lehibe kokoa, trano izay tombanana hovarotana rehefa vita, na trano iray izay aoriny miaraka amin’ny ekipa miara-miasa aminy manomboka amin’ny fototra ka mandrapahavitan’ilay trano ary antenaina ho lafo ka hahazoana tombony.

Zatovovavy miaraka amin’ny tantanana eo amin’ny toeram-panorenana trano

Andro natokana ho an’ny fandravana! Nitondra tantanana tany amin’ny trano fidiovana i Sarah nandritra ny iray amin’ireo tetikasa nataony.

Tsy tetikasa moramora ny manangana orinasa indrindra fa mbola nandrato fianarana tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa sy niomana handray anjara amin’ny hazakazaka lavitra ezaka i Sarah.

Zatovovavy iray mively amin’ny tantanana eo amin’ny toeram-panorenana trano

Nanangana ny orinasa fananganana trano azy manokana i Sarah fony izy 16 taona.

“Nianatra zavatra maro aho,” hoy izy. “Tsy maintsy nampiasa karinen-tseky aho mba handoavana ny volan’ny olona; zavatra izay tsy mbola nataoko mihitsy taloha. Tsy maintsy nianatra niresaka tamin’olon-tsy fantatra aho izay isan’ireo mpiara-miasa amiko. Nianatra ny fomba hiatrehana ny adin-tsaina hateraky ny fitondrana orinasa iray aho ary tsy nahafinaritra foana ny nanao izany. Miahiahy foana ianao hoe tsy hiverina ny mason-karena rehefa mivarotra trano.”

Tsy irery na oviana na oviana

Kanefa na dia teo aza ny ahiahy sy ny adin-tsainy ateraky ny fitantanana orinasa dia mbola tsy nila niatrika ny nofinofiny irery izany mihitsy i Sarah.

“Nilamina tsara foana ny zava-drehetra ary fantatro fa noho ny Tompo izany”, hoy izy. “Tsy azo notanterahina ity raharahan’asa ity raha tsy nisy Azy. Nanampy ahy nandritra ireo andro sarotra Izy sy tao anatin’ny asa mafy ary tamin’ny zava-drehetra.”

Zatovovavy manampy ankizilahy iray manisy lavaka eo amin’ny toeram-panorenana

Ny fifandraisana akaiky misy eo amin’i Sarah sy ny fianakaviany dia vokatry ny fiaraha-miasa.

Nanohana azy ihany koa ny fianakaviany tamin’ny lafiny rehetra, izay mitondra antsika hiverina any amin’ilay resaka asa fitoriana nanelingelina ny drafitra nataony.

Nanao drafitra ny hanampy an’i Sarah hanangana trano i Tyler zokiny lahy rehefa niverina avy nanao asa fitoriana. Saingy indray andro dia niantso azy izy ka nilaza fa nangatahina izy hanitatra ny asa fitoriana nataony.

“Tena tezitra taminy aho”, hoy izy niaiky. “Hoy aho tamin’ny hoe: -Tyler a, tsy afaka manaiky izany ianao. Efa nomaniko daholo ny momba ity.- Ary hoy izy hoe: -Manan-danja kokoa noho ny asanao ny asan’ny Tompo.- Nanohina ahy izany. Fantatro fa marina ny nolazainy ary nila natoky ny drafitr’ Andriamanitra aho.”

fianakaviana

Notsenain’ny fianakavian’i Sarah i Tyler anadahiny rehefa avy nanitatra ny asa fitoriana nataony.

Sary nahazoana lalana avy tamin’i Sarah Christensen

Raim-pianakaviana sy  zanakavavy eo amin’ny toeram-panorenana

Na mahazo fanampiana avy amin’ny rainy na fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra i Sarah dia fantany fa tsy irery izy.

Asa fitoriana ny filazantsara nataony manokana

Ny ohatra nasehon’i Tyler dia nitaona an’i Sarah hanomboka hieritreritra ny hanao ny asa fitoriany. “Tonga saina tamin’ny isan’ny olona nampian’ny anadahiko hanatona an’i Kristy aho ary hitako ihany koa hoe hatraiza ny nanatonany izy tenany an’i Kristy. Te hiaina zavatra mitovy amin’izany aho”, hoy i Hermana Christensen. “Nanomboka nandalina tamim-pahamatorana ny filazantsara aho ary hitako fa nitombo ny fijoroako ho vavolombelona sy ny fifandraisako tamin’ny Mpamonjy arakaraka ny faniriako hizara ny zavatra nananako.”

Nanao safidy ny hampiandry ny orinasany fanorenana trano i Sarah ka hanompo ny Tompo. Nanome hevi-baovao mahery vaika azy ny fandraisana io fanapahan-kevitra io.

“Ny zavatra voalohany nampianarin’ny misiônako ahy dia ny hoe manova fiainana tanteraka ny filazantsara”, hoy i Hermana Christensen. “Nanasarotra ny fahitako ny maha-manan-danja ny filazantsara teo amin’ny fiainako ny naha-lehibe ahy tao amin’ny Fiangonana.

“Voahodidin’ny olona izay tsy mahafantatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho aty amin’ny misiônako. Rehefa mianatra izy ireo fa zanak’ Andriamanitra ary manana drafitra ho azy ireo Izy dia manova ny fiainan’izy ireo izany. Ny nanatrika sy nandray anjara tamin’izany no zavatra mahafinaritra indrindra. Nahatakatra izany aho talohan’ny asa fitoriana nataoko, saingy fantatro ankehitriny fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia zavatra fototra hahazoana fifaliana eto amin’ity izao tontolo izao ity sy any amin’ny tontolo ho avy.”

Rahavavy misiônera miaraka amin’ny fanosoran-doko

I Hermana Christensen (ankavanana) sy i Hermana Taylor namany mpiara-manompo (ankavia) dia tia manompo arak’izay azon’izy ireo atao.

Sary nahazoana lalana avy tamin’i Sarah Christensen

Finoana fa tsy tahotra

Hoy i Hermana Christensen amin’ireo zatovo hafa izay mieritreritra ny hanao asa fitoriana: “Manàna finoana ary aza matahotra. Tsy mora ny misiôna, kanefa mahaleo ny sarany izany. Hitahy anao amin’ny fomba tsy takatry ny saina Andriamanitra rehefa mandray fanapahan-kevitra ny ho iray amin’ireo mpanompony ianao.”

Na dia manina ny fahafahana manangana trano aza i Hermana Christensen dia tsy manenina amin’ny safidy nataony izy. “Mazava ho azy fa mety afaka mivoatra ny orinasako mandritra ny fotoana maha-misiônera amin’ny fotoana feno ahy”, hoy izy. “Saingy fantatro fa ny Tompo dia hitahy ny fahafoizan-tena nataoko namela izany mandritra ny fotoana fohy. Afaka miandry ny orinasako saingy tsy afaka miandry kosa ny asan’ny Tompo!”