2025
Tena namana akaiky
Janoary 2025


Feon’ny zatovo

Tena namana akaiky

Joela A., 19 taona, Yerevan, Armenia

Tia manao zava-kanto sy programmation ary mianatra fahaiza-manao vaovao, toy ny fandrahoana sakafo.

zatovolahy

Nanana namana vitsivitsy aho izay nivadika tamiko teo anelanelan’ny kilasy taona fahafito sy ny kilasy taona fahasivy. Tamin’ny voalohany aho dia tsy tonga saina fa nihomehy ahy izy ireo saingy rehefa tsikaritro izany dia taitra ary tsy takatro hoe inona no tsy nety nataoko.

Nieritreritra aho fa raha manao izay ho nataon’i Kristy dia hihatsara ny zava-drehetra. Noho izany dia nanohy naneho hatsaram-panahy aho, nanampy ireo mpiara-mianatra tamiko tamin’ny enti-modin’izy ireo ary niantehitra tamin’ Andriamanitra, natoky fa indray andro any aho dia hahita namana tsara. Tamin’ny voalohany dia toa tsy dia nisy fiovana firy. Saingy rehefa nanomboka tany amin’ny lisea aho dia lasa olona tsara fanahy kokoa ireo mpiara-mianatra tamiko.

Ary ny manan-danja kokoa, nandritra ireo taona nitadiavako namana ireo dia hitako fa ny namako akaiky indrindra dia i Jesoa Kristy. Tsy vitan’ny hoe nahita namana vaovao tany an-tsekoly fotsiny aho fa nahita ilay namana akaiky indrindra azo noheverina.