2025
Ny mpaminany sy ny Mpamonjiny
Janoary 2025


Ny mpaminany sy ny Mpamonjiny

Amin’ny lafiny iray ny tantaran’ny Famerenana amin’ny laoniny dia tantara momba ny nanakaikezan’i Joseph Smith kokoa an’i Jesoa Kristy.

Jesoa Kristy

Every Knee Shall Bow [Ny lohalika rehetra dia handohalika], nataon’i Dan Wilson

Ny tantaram-piainan’i Joseph Smith dia mihoatra lavitra ny tantaram-piainany fotsiny ihany.

Rehefa mitantara ny tantaran’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia matetika izany no atombotsika amin’ny fitantarana ny tantaran’i Joseph Smith. Ary tena mety izany. Izy tenany aza dia nitantara ny tantaram-piainany tany am-piandohana mba hanampiana ny olona hahatakatra ny fomba nanombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Saingy amin’ny lafiny iray, ny tantaram-piainan’i Joseph Smith dia tantara momba ny nanakaikezany kokoa an’i Jesoa Kristy.

Fahitana iray momba ny famelan-keloka

Nahatsapa ho sahiran-tsaina momba ny fivavahana i Joseph Smith zatovolahy. Ary nisy fahatsapana fanampiny izay nanosika azy hivavaka tao amin’ilay alakely izay nitrangan’ny Fahitana Voalohany azony: “Nahatsapa alahelo aho noho ny fahotako ihany.”

Rehefa niresaka tamin’i Joseph ny Mpamonjy dia hoy Izy: “Ry Joseph zanako, voavela ny fahotanao.”

Nianatra mivantana i Joseph fa velona i Jesoa Kristy. Nianatra ihany koa izy fa feno famindram-po i Jesoa Kristy ary mamela heloka. Nanan-danja tamin’i Joseph io fahalalana ho an’ny tena manokana io. “Ny famonjena ny fanahiko no manan-danja indrindra amiko [satria] fantatro fa azo antoka ny amin’ny zavatry ny mandrakizay”, hoy izy indray mandeha.

Io fahalalana momba an’i Jesoa Kristy io dia manan-danja ihany koa tamin’ny asa izay niantsoana an’i Joseph tamin’ny naha-mpaminany azy. Nijoro ho vavolombelona mahery vaika momba ny fahasoavana sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy izy nandritra ny androm-piainany. Ohatra, nampianatra izy indray mandeha hoe: “Tsy maintsy mibebaka sy madio avokoa ny fo rehetra, ary hihevitra sy hitahy azy ireo Andriamanitra ka tsy misy fomba hafa ankoatr’izany hitahiany azy ireo.”

Fahadisoana sy Famindrampo

Ny asa niantsoana an’i Joseph Smith dia tena zava-dehibe tokoa. Ary nianatra nandray ny didy sy ny torohevitry ny Tompo tamim-pahamatorana i Joseph ary tamin’ny alalan’ireo fahadisoana nataony no ampahany nanaovany izany.

Ohatra, rehefa very ireo pejy sora-tanana tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nesorin’ny Tompo tamin’i Joseph ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny ka nilaza taminy Izy taty aoriana hoe: “Impiry akory no efa nandikanao ny didy sy ny lalàn’ Andriamanitra. … Tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:6–7).

Kanefa nanana ity hafatra ho an’i Joseph ity ihany koa ny Tompo: “Nefa tsarovy fa feno famindram-po Andriamanitra; koa mibebaha” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:10).

Nibebaka i Joseph ary nomena indray ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny. Mety nampahory azy ny zavatra niainany saingy nianatra lesona manan-danja izy, anisan’izany ny hoe afaka mibebaka sy ho voatahy isika satria mamindra fo ny Tompo.

Mpamonjy sy Namana

Nahazo fahitana sy fitsidihana ary fanambarana maro i Joseph Smith izay nahitany na nandrenesany an’i Jesoa Kristy Tompo na nianarany momba ny toetoetrany sy ny toetrany ary ny asa nanirahana Azy (jereo ohatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19; 76; 93; 110).

Fahamarinana iray nianarany ny hoe ny asa fanavotana ataon’ny Mpamonjy dia ho an’ny olona rehetra izay niaina teto amin’ity izao tontolo izao ity sy ireo tontolo rehetra izay itoeran’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24).

Tamin’ny fotoana nianarany fa midadasika ny asan’ny Mpamonjy dia nianatra ihany koa i Joseph fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra sy tia antsika tsirairay avy. Maniry ny hanana fifandraisana akaiky kokoa amintsika tsirairay Izy Ireo. Tian’izy ireo isika hanao fanekempihavanana, hitandrina izany ary haharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany. Hitondra fifaliana sy fahatokian-tena ho antsika izany fifandraisana lalina izany.

Lasa lalina tokoa ny fifandraisan’i Joseph tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka nandritra ny iray tamin’ireo fotoana sarotra indrindra teo amin’ny fiainany, raha mbola nihidy tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy dia afaka nilaza izy hoe:

“Hiezaka ny ho faly amin’ny anjara nomena ahy aho satria fantatro fa namako Andriamanitra. Ao Aminy no hahitako fiononana. Efa napetrako teo an-tanany ny fiainako. Vonona ny handeha aho vantany vao miantso ahy Izy. Maniry ny hiaraka amin’i Kristy aho.”

Rehefa mandalina ny tantaram-piainana sy ny fampianaran’i Joseph Smith ianao dia azonao arahina ny ohatra nasehony. Mibebaha, ataovy sy tandremo ireo fanekempihavanana ka mitoera ho mahatoky. Avy eo dia afaka mahafantatra ihany koa ianao fa ny Mpamonjy dia Namanao.