Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2025
Fomba 7 hibanjinana an’i Kristy
Andramo ireto fahazarana ireto mba hametrahana ny fibanjinanao ho eo amin’ny Mpamonjy
Ny fampiharana ny teny filamatry ny zatovo amin’ity taona ity hoe “Mibanjina an’i Kristy” dia somary miteraka fanamby kely. Ahoana no hibanjinanao olona iray izay tsy eo ara-batana? Atombohy amin’ireto fahazarana fito ireto izany.
1. Tsarovy fa tsy miafina Izy
Eny, mila mitady Azy ianao. Saingy tiany ho hitanao Izy! Tsy lalao fangalampiery akory izany. Maniry mafy ny hitahy anao ny Tompo; raha ny marina dia mifaly amin’ny fanaovana izany Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1). Tsy mitady antony tsy hahamendrika anao akory Izy. Ny mifanohitra amin’izany aza no ataony: Mikatsaka ny hitahy anao foana Izy. Araka ny zavatra nampianarin’ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsy mametraka sakan-dalana na sakana velively Izy; fa manala azy ireny Izy. Tsy mametra ny fidiranao Izy; mandray anao an-tanan-droa Izy. Fanambarana velona momba izany fikasany izany ny asa fanompoana manontolo nataony.”
2. Ekeo ny fitaomany eo amin’ny fiainanao
Faly ny Tompo rehefa “miaiky ny tanany amin’ny zava-drehetra” isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21). Koa ataovy izay hanekenao ny fitaomany eo amin’ny fiainanao! Isaory Izy rehefa mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra ary mikatsaha fiadanana sy fahatakarana rehefa tsy izany no mitranga.
3. Aoka ianao hankasitraka ny zavatra anananao
Miaraka amin’ny fanekena ny fitaoman’ny Tompo eo amin’ny fiainana dia zava-dehibe ihany koa ny mahatsapa sy ny maneho fankasitrahana. Mety tsy “hitanao” ara-batana ny Mpamonjy, saingy afaka mahita ireo fitahiany eo amin’ny fiainanao ianao! Ny Loholona Gary B. Sabin ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe: “Tsy ho sambatra kokoa na oviana na oviana mihoatra amin’ny ianao rehefa velom-pankasitrahana ianao.” Isaory isan’andro ny Tompo noho ireo fitahiana azonao. Rehefa mahatsapa ho malahelo ianao dia araho ny torohevitry ny hira fahiny iray manao hoe: “Dia isao ‘reo fitahiana marobe, ‘zay arotsaky ny Tompo ho anao.”
4. Mivavaha isan’andro
Afaka ny “hahita” ny Mpamonjy mandritra ny tontolo andronao ianao raha toa ka atombokao amin’ny firesahana amin’ny Ray any An-danitra izany. Angataho Izy mba hanampy anao hahatsiaro ny Mpamonjy sy hahatsikaritra ny fitaomany eo amin’ny fiainanao. Afaka mivavaka matetika araka izay tianao ianao mandritra ny tontolo andro. Ary alohan’ny handehananao matory dia mivavaha indray mba hitantaranao amin’ny Ray any An-danitra ny fizotry ny tontolo andronao. Tsy sasatra ny mihaino anao Izy!
5. Ataovy tsianjery ny soratra masina sy ny fihirana
Fomba iray ampifantohana ny eritreritrao amin’i Jesoa Kristy ny fananana ny teny anaty soratra masina iray tena tianao indrindra na ny tonon-kira manentana ny fanahy ao an-tsainao. Manaova fanazaran-tena mitadidy azy ireo rehefa tsapanao fa misy eritreri-dratsy miditra an-tsokosoko ao an-tsainao. Matetika ny fahatsiarovana fotsiny (sy ny fihirana mangina) ny lohatenin’ny hira iray ao amin’ny fihirana dia mety ho ampy hanitsiana ny eritreritrao: “Zanaky ny Ray aho.” “Mila Anao aho.” “Va, ne crains pas.”
6. Mijere sarin’ny Mpamonjy
Mitadiava fanehoana an-tsary vitsivitsy an’ny Mpamonjy izay tianao ary apetraho amin’ny toerana izay hahitanao azy matetika izany avy eo. Mety ho anisan’izany ny rindrina ao amn’ny efitrano fatorianao, ny fitaratra ao amin’ny efitra fandroana, ny fitoeran’entanao any an-tsekoly, na atao fond d’écran amin’ny solosainao na amin’ny findainao.
7. Jereo ny tontolo manodidina anao
Tsara tarehy ery izany! Ary nataon’ny Mpamonjy ho anao izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9)! Tsy misy antony fantatsika izay milaza fa tsy maintsy natao tsara tarehy ny tany. Mety afaka niaina tao anatin’ny tontolo iray izay fisaka, miendrika efajoro ary mivolombatolalaka isika. Fa ny Mpamonjy kosa dia nahary izao tontolo izao ho “tombontsoa sy hampiasain’ny olona, sady hahafinaritra ny maso no hamalifaly ny fo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:18). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsara tarehy ny tany satria ny zavatra tsara dia mahatonga antsika hahazo aina. Raha te hahatsiaro ny Mpamonjy ianao dia jereo fotsiny ny manodidina anao.