Mampifandray
Ivan B.
17, Zagreb, Kroasia
Sary nalain’i Ashlee Larsen
Izaho irery no hany mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny sekoly misy ahy. Indray mandeha nandritra ny fety fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana iray dia nanomboka nisotro zava-pisotro misy alikaola ireo namako. Nahatsapa ho tsy nahazo aina aho ka nandeha nody. Rehefa nanontany ahy ny antony nandehanako aloha izy ireo dia nilaza aho fa tsy misotro ary tsy mahazo aina. Tsy tian’izy ireo izany valinteny izany ka nieritreritra izy ireo hoe hafahafa aho. Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia toa lasa nanaiky izany ireo namako.
Nisy fotoana iray hafa nangatahin’ny mpampianatra hizara fanehoana amin’ny PowerPoint momba ny Fiangonana aho. Maro tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko no nanana fanontaniana ary nahatsapa aho fa nampianatra tamin’ny alalako i Jesoa Kristy. Rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao dia tsy voatery hatahotra izay eritreretin’ny hafa. Raha matoky ny Tompo ianao dia hanampy anao hahafantatra izay tokony holazaina Izy.
Te handeha hanao asa fitoriana aho mba hahafahako mitondra olona hafa hanatona an’i Kristy. Mino aho fa nitondra ny fahotan’izao tontolo izao teo Aminy ny Mpamonjy. Afaka manangona an’i Isiraely isika ary manasa ny rehetra hanatona Azy.