Ho zatovo mahery!
Nahatakatra mivantana
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Nahatakatra mivantana

Mbola afaka ny ho mpikamban’ny Fiangonana tsara ihany ve aho na dia manana fanontaniana aza?

Vao haingana aho no nijery ireo zokiko izay samy nandray lalana samy hafa. Niomana hanao asa fitoriana ny anadahiko. Tetsy ankilany dia nanalavitra tanteraka ny Fiangonana ny rahavaviko. Nampisafotofoto ny saiko ny fanapahan-keviny, ary nandritra ny fotoana elaela dia tsy haiko ny fomba hanekena izany.

Tsapako fa tsy zavatra nosafidiko ny finoako. Nihalehibe niaraka tamin’izany aho. Nila namantatra mivantana ny zavatra tena ninoako aho. Moa ve aho nino ny filazantsara satria marina izany, sa satria izay ihany no nampianarina ahy hatramin’izay? Ary mbola afaka ny ho mpikamban’ny Fiangonana tsara ihany ve aho na dia manana fanontaniana aza?

Nitodika tany amin’ny soratra masina aho niaraka tamin’ny fahatapahan-kevitra vaovao. Nanomboka namaky aho niaraka tamin’ny fanontaniana tao an-tsaiko, nikatsaka valiny sy fahatakarana. Tsapako fa ny fametrahana fanontaniana momba ny finoako dia tsy midika hoe very finoana aho. Nidika kosa izany fa afaka manorina fototra iorenana lalindalina kokoa sy an’ny tena manokana kokoa aho.

Tsy zava-mitranga indray mandeha ny fanorenana fijoroana ho vavolombelona; dingana tanterahina mandritra ny fiainana izany izay ahitana fametrahana fanontaniana sy fikatsahana ary fanamafisana indray. Nahatsapa ny Fanahy nijoro ho vavolombelona tamiko aho fa marina ny filazantsara, saingy niaina fotoana nahatsapako ho lavitra an’ Andriamanitra ihany koa aho. Ny finoana dia tsy mijanona eo amin’ny toetra iray. Zavatra tsy maintsy kolokolointsika isan’andro amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina ary ny asa fanompoana izany.

Nanome ahy fototra iorenana ny nahalehibe ahy tao amin’ny Fiangonana, fa miankina amintsika ny hiorina eo ambonin’izany. Rehefa manohy mitodika any amin’ny Tompo isika dia hampatanjaka ny finoantsika Izy ary hanampy antsika hamakivaky ireo zavatra mampiahiahy eo amin’ny fiainana.

zatovovavy

Monina any Texas États-Unis ny mpanoratra.